Fantaro
i... Rô Andriamaneva (1939 - 2013) Poeta Mpanoratra Mpanao gazety Mpikabary Mpanabe Mpitandrina — Lahatsoratr'i Toetra Ràja — |
"... Ny sakafo madarasy Na vary maina tsisy laoka Nefa ain’ny Malagasy Ary anisan’ny vahoaka Moa tsy izany no hetraketraka Ny hafa anefa toa mipetraka Ambony seza dia mitango Amin’endrika mandango Satria nasondrotry ny vintana?" |
||
Andinin-teny mitolona
am-pototry ny fitroarana, andinin-teny irina
hipololotra eo imolotr'izay heverina ho mpisolovavan'ny "mpitrongy"
iharan'ny hetraketraka sy fanaporetana... Izany no karazan-kanto nampikorisa ny penin'i Rô Andriamaneva ka nahatonga azy hioitra teo amin'ny androm-piainany. |
Ny 1 febroary
1939 i Rô Andriamaneva no
nahita masoandro tao Ambohipotsy Antananarivo ary ny sabotsy 15 Jona
2013 no nikimpy, teto Antananarivo ihany. Nanambady an-dRtoa Rasoamaromaka Aimée izy tamin'ny
taona 1967 (tsy niteraka). Rô Andriamaneva no solonanarany eo amin'ny penina saingy efa nisalorany koa ny "Oram-panala". Roland Ratsimihah no ampiasainy tamin'ny fiainana andavandro. RÔ SY NY FANABEAZANA Nobeazina tao anatin'ny finoana protestanta i Rô saingy sekolin-dry Masera tao Ambohipotsy Antananarivo aloha no nianarany ny abidia, fa tsy lavitra teny moa ny fonenan'ny fianakaviany tamin'ny fahakeliny. Niroso lalindalina kokoa tamin'ny asa fanompoana izy ka nanapa-kevitra ny hiofana ho mpitandrina tao amin'ny Kolejy Teolojika Protestanta Ambohipotsy. Iray tarika tamin'ny Pasitera Randrianantoandro filohan'ny FPVM izy ary tena mpinamana akaiky tokoa satria izy roalahy no niray efitra fatoriana nandritra ny naha kilasimandry azy ireo. Nivoaka ho mpitandrina izy ny taona 1966. Ankoatra ny fiofanana ho mpitandrina dia efa nianatra lalàna izy tamin'ny 1959-1960 ary ho mpanao gazety tamin'ny 1966-1967 saingy tsy afa-nanohy ny taona faharoa noho ny adidy mavesatra niantsorohany teo amin'ny fiangonana. Rehefa nandray ny fanabeazana sahaza azy izy dia niroso ary tsy nitsahatra nanabe olona. - Mpikambana tao amin'ny CEMEAM (Centre d'Entraînement aux Méthodes d'Education Active de Madagascar) izy, sampan'ny vondrona lahika iraisam-pirenena (CEMEA) misahana ny fanabeazana andia-mpiala voly (colonie de vacances). Vao 16 taona izy, araka ny fahatsiarovan'ny namany Rabefananina, mpanao gazetin'ny Maresaka, dia efa mpitarika andia-mpiala voly (moniteur) ary lasa Tale tato aoriana kely. Navitrika tokoa izy tamin'io asa fanabeazana io satria na herintaona talohan'ny nahafatesany aza, hoy hatrany Rabefananina, dia mbola nitarika ankizy nankany Mahajanga ihany. Marihina fa mpiandraikitra mandavantaona tao amin'ny CEMEAM mihitsy i Rô. - Noho ny asa fanabeazana niantsorohany izay tsapan'ny Fanjakan'i MONACO dia voaantso tany an-toerana izy tamin'ny 1990 hitsara horonan-tsarimihetsika ho an'ny loka AMADE (Association Mondiale des Amis de l'Enfance) teo anivon'ny Sahobin'ny Fahitalavitr'i Monte-Carlo. - Mpampianatra taranja Malagasy tao amin'ny sekoly IEC Antananarivo izy ary Lehiben'ny mpiandrimaso (surveillant général). |
Roland
Raymond Ratsimihah Andriamaneva no anarany feno ao amin'ny karapanondrony fa Rô Andriamaneva no tena ahafantarana azy eo amin'ny penina. Rô no nanafohezany ny Roland; ny Andriamaneva kosa dia nolovany tamin'ny anaran'ny rain'ny raibeny, Andriamaneva, komandin'ny tafika tamin'ny faha-mpanjaka, izay milevina eny amin'ny fasan'ny Rovan'Antsahadinta. Andriamaneva niteraka an-dRatsimihah Andriamaneva izay namboatra ny fasany teny Ankadilasora, ambanin'Antsahadinta, noho ny nanambadiany an-dRtoa Rasoavero terak'Ambohimalaza. Ratsimihah Andriamaneva indray no niteraka an-dRatsimihah Jean-Paul, mpamari-trano, rain'ny Pôeta Rô Andriamaneva. Rasoanoro Denise no anaran-dreniny ka i Rô no farany amin'izy enina mianadahy mpiray tam-po. Rasoanoro Denise dia zafiafin-dRadaody Rafaralahiberonga, ilay nantsoina hoe Rainidaordina, lehiben'ny tafika sady lehiben'ny arofenitry ny lapan'i Manjakamiadana. Avy amin'io andraikiny faharoa io angaha no naharaikitra ny anarana Rainidaordina noho izy mpisahana ny fandraisana sy fampatoriana ireo manam-pahefana nitsidika ny Mpanjaka, araka ilay teny frantsay hoe "qui dort dine". Ny fahombiazany tamin'ny fampandrian-tany koa dia nahazoany valim-pankasitrahana avy tamin'ny Mpanjaka ka nanomezana azy tany midadasika, ny lemaka nanjary zaridainan'i Tsimbazaza taty aoriana. Ary na ny tranony sy ny fasany aza dia mbola hita misoritra mazava eo afovoany. Rtoa Rasoandrazana no vadin-dRainidaordina ary nahazoan-dry zareo an-dRalarosy, iray tamin'ireo dokotera valo malagasy voalohany. Ny Dr Ralarosy no niteraka an'i Dr Radaody Ralarosy, Malagasy voalohany niantsoroka ny toeran'ny filohan'ny Akademiam-pirenena Malagasy. Izy no lahimatoa ary Rasoanoro Denise renin'i Rô no faravavy. |
FAHAMARINANA :
FOTO-KEVITRA NIJOROANY Amin'ny alalan'ny asa fanompoana niantsorohany no andeha hamaritana an'izay fanandratana ny fahamarinana novoiziny izay. Teo amin'ny faha-26 taonany, ny 5 desambra 1965 raha mbola tsy tafavoaka ho mpitandrina akory izy, dia efa voatendry ho mpitandrin'ny FJKM Ambohitrarahaba. Nisy tokoa ny fahasahiana tao anatiny na dia mavesatra aza ny asa miandry azy araka ny voalazany hoe : "Fantatro
ny laza sy ny toetran'Ambohitrarahaba kanefa raha ho resin'izany
Andriamanitra izay fahamarinana dia tsy hijoro intsony ny fiangonana fa
hikatona".
Izay "fahamarinana" izay no nijoroany ary namaritra ny tolony tamin'ny androm-piainany. NY TOLON'I RÔ Fanavaozana maro no nentin'i Rô teo amin'ny sehatry ny fiangonana fa ny lehibe indrindra dia ny famongorana ny hafetsena, fitsentsefana, fanararaotana, fanavakavahana ary ny fiheverana ny fiangonana ho fananam-pianakaviana. Mbola ao anatin'ny fahamarinana nijoroany koa ny nitolomany hisian'ny mangarahara eo amin'ny raharaham-bolan'ny fiangonana ka nahatonga ny fanenjehana azy. Nangotraka ny adiny, tonga hatrany amin'ny fanonganana azy tsy ho mpitandrina aza ny raharaha. Nanampy trotraka an'izany ny fifanandrifian'ny fisaraham-panambadiany tamin'ny 3 febroary 1977. Nanangana ny fiangonana Jerosalema Vaovao tao Andafiavaratra Ambohitrarahaba izy izay lasa FJKM Tranovato Andafiavaratra Ambohitrarahaba taty aoriana. Tao no nisotroany ronono. Maro tamin'ireo mpiangona no nanana fari-piainana tsotsotra kanefa dia nahatsangana tranovato azo lazaina ho niainga avy tamin'ny tanam-polo sy finoana. Nahatalanjona an'i Daniele Rabary izay fahafoizan-tenan'i Rô izay : "Izay
nananany rehetra dia natotony tao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra.
Tsotra ny tranony kanefa nahavita fiangonana sy nikarakara ireo
mpiangona izy".
Andeha hatao hoe velona ho an'ny fiangonana ary maty ho an'ny fiangonana izy satria safidim-pony ny tsy hilevina am-pasan-drazana fa ho ao amin'ny tanin'ny fiangonana nisotroany ronono. Saika tanteraka ara-bakiteny ilay hira katôlika hoe: "...
Ialao ny tranonao sy izao tontolo izao e! Ka avia manaraka Ahy
ianao".
Nitolona tokoa i Rô ary taratra ao amin'ny sanganasany avokoa izany. |
RÔ : OLON'NY SORATRA Voalaza tetsy am-piandohana fa mpikabary i Rô. Porofon'ny mahahavanana azy amin'ny fitenenana ny nitanany ny laharana voalohany hatrany tamin'ny taranja Toriteny teny amin'ny Kolejy nanofanana azy ho mpitandrina. Ny mety ho tononkalony voalohany dia izay hita ao amin'ny boky IRAKA (tak. 25) nosoratana teo amin'ny faha 16 taonany (janoary 1955) ho an'ny herinandron'ny ala teto Madagasikara. Tao amin'ny gazety Loharano koa dia nahitana ny diam-peniny, tamin'ny taona 1955 ihany, namoahana ny tantara indray miseho nahazoany ny loka faharoa. I Ampamoha (Razafiarivony Wilson), Havàtsa-Upem anisan'ny akaikiny teo amin'ny soratra, dia nandray azy ho olomangan'ny literatiora araka izao fanazavany izao : "Samy
mitondra ny anarana Oram-panala izahay mirahalahy, niara-niasa tao
amin'ny gazety Loharano. Nanokan-tena ho an'ny asa soratra izy, tanora
dia tanora tokoa dia efa namiratra ary fantatry ny eran'Antananarivo
tamin'izany ny maha mpanoratra azy. Azo lazaina fa olomangan'ny
literatiora i Ro".
Nanamafy izany i Ny Kanto (Fabien Gaston Razakandrainibe), pôetan'ny Havàtsa-Upem sampana Frantsa, izay nifanerasera taminy : "Tsapako tamin’ny fihaonanay mianaka ny fitiavan’i Rô ny Teny Malagasy. Azoko antsoina hoe Mpakafy ny fikirakiran-teny na koa Mpanao tao-teny izy. Vitsy ny olona ankehitriny no mitondra ny fandalinana ny Teny amin’ny sehatra lalindalina kokoa toa azy". Tena manampy ny mpiara-belona aminy hitia ny teny malagasy i Rô raha zohina tsara ny nanohizan'i Ny Kanto ny teniny : "hita sy re tamin’ireo resadresakay ny finiavany mikaroka sy mampiasa ny alokaloky ny teny samy hafa, mijery ny fiavian’ny teny sy ny tena dikany ka mahatonga ahy ho resy lahatra hatrany hatrany fa manankarena ny teny malagasy, ampy hilazana ny zavatra rehetra". |
ASA
FANAOVAN-GAZETY - Niasa tao amin'ny gazety Loharano - 1968-69 : niandraikitra ny gazety Faneva - 1973 : niara nanorina ny gazety Ako Takariva tamin'Atoa Razafindrazaka - 1976 - 1977 : voafidy ho Mpitahiry vola tao amin'ny Holafitry ny Mpanao Gazety. - Mpanentana fandaharana tao amin'ny Radio Feon'Imerina, "Diam-penina sy ritsoka" sy "Tsiokam-piainana". Toy izao indray ny fanazavan'i Ampamoha izany : "Namirapiratra tokoa izy tamin'ny fanadihadiany ny mpanoratra tranainy efa lasa nodimandry sy ny tanora mbola herotrerony ka miara-mamindra eo amin'ny sehatry ny literatiora." |
BOKY
NOSORATANY - Bitsika Krismasy (1968) - Sangodina (1972) - Iraka (1975), amboaran-tononkalo. (Teny fanoloran-dRabemolaly Fanomezana) - Setro-tsigara (1977), tantara - Hetraky ny tolona, Tantara tsangana - Lova tsy mifindra (2006) - Tantara. Mbola tsy nivoaka - Mpamoaka tononkalo an-gazety koa izy : Loharano, Hehy... |
LOHAHEVITRA NOVOIZINY Ny tononkalom-pitolomana no tena novoizin'i Rô Andriamaneva ka nampivelatra ny aingam-panahiny : "29 mars", "Vonona ny Malagasy", "Fahatsiarovana" (ny 13 mey 1972)... Nitodika matetika tany amin'ireo kamboty sy sahirana ara-pivelomana ary ireo mitady fahafahana ny eritreriny toy ny "Adiriman'ny ZOAM" (1973), "Vahoaka alin-kisa" (1970), "Mainty aho" (1971)... Amin'ny maha mpitandrina azy dia tsy nahavahiny azy ny lohahevitra momba ny finoana : "Talaho" (1974), "Tompo ô, nahoana" (1975), "Sambatra ianao mijoro" (1975). Noho izay resaka finoana izay ihany angamba no tsy nankasitrahany ny fampifandraisana ny fiainan'ny maty sy ny velona araka ity tononkalony hoe "Aza heverinao akory" ity : "Tsy ny ranomasonao
no hampiverina indray,
Na ny sentosentonao no hampifoha ny vovotany. Fa ny maty aoka ho maty ary handry fahizay, Ka fafao ny ranomaso, ajanony ny tomany." Tafiditra ao anatin'ny lohahevitra ankafiziny koa ny resaka fanabeazana, fa mpanabe moa izy hoy isika. Anisan'izany ny "Ireo tanora" (1968) sy ity hoe "Mijoroa ialahy" (1972) ity : |
||
"Mijoroa ialahy
leitia !
Ialahy… ialahy indrindra. Tsy olon-kafa, sanatria ! Tariho leitsy ny famindra" Mampiaina ny hakanton'ny fitiavana ao amin'ny tononkalony koa i Rô izay mampiontana tokoa toy ny "Nikimpy aho" (1963), "Iza?" (1972) : "Iza anefa no
ilazako ny ato am-poko tsy miloaka,
Moa ny olona mandalo? – Moa koa ireo vahoaka Tsy mitovy hevitr’amiko, tsy mahatsapa ny ijaliako? Tsia dia tsia… Ianao irery… Ianao tia sady tiako." Eo amin'ny tantara sy sombintantara indray dia hain'ity mpanoratra ity mihitsy ny mamaritra ny vaninandro nanoratana azy saika ho isaky ny takila. Anisan'izany ohatra ny sombintantara "Herin'ny finoana" navoaka tao amin'ny bokin'ny Havàtsa-Upem (Havàtsa notsongaina) ho tsangambaton'ny faha-60 taonan'ny fikambanana. Vao eny am-piandohan'ny bokin-tantara "Setro-tsigara" fotsiny koa dia efa arangarangany ny volon'andro nampiainana ny tantara : "...
Na nitete aza ny hatsembohako ary na horaky ny hafanan'ny harerahana
mitarika sarety noho ny fanararaotana ny andro tsena aza aho dia toa
mandiso ny fivadiky ny natiora aho, satria sompatra loatra izy ka tsy
mihantra ity izaho anaty lobaka manify tsy misy atiny sy pataloha manga
izay tsy ho maina rahampitso akory, ary ity kapa kodiarana namboarina
mba hiaro ny tongotra tsy ho vakivaky sy haratran'ny vakitavoahangy sy
ny fantsika".
Setro-tsigara, tak. 7. |
FIKAMBANANA NISY AZY - UPEM izy nanomboka tamin'ny 1956 ary voafidy ho Tonian'ny Birao foibe hatramin'ny 1962, niova ho HAVATSA-UPEM taty aoriana - CEMEAM (Centre d'Entraînement aux Méthodes d'Education Active de Madagascar) - AJDM (Association de la Jeunesse Démocratique de Madagascar) izay niova ho FTDM tamin'ny naha-Birao Nasionaly azy - Holafitry ny mpanao gazety ary efa Mpitahiry vola tao. - Sinodam-Paritany Ambatonakanga, voafidy ho tonia tamin'ny 1975. |
MARI-BONINAHITRA - Officier de l'Ordre National Malgache" - Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture" |
VAZIVAZY SY
FAHAHENTERANA Nitolona i Rô araka ny jaliny
voalaza tetsy ambony ka nahavaky vava an'i Daniele Rabary hoe :
"Ny
fieritreretako azy dia olona hanana fijaliana izy ka afeniny ao anaty
vazivazy sy hehy ary hasiahana indraindray".
Olona tia vazivazy tokoa izy ary mahavatra manambara tsiahy eny amin'ny lanonam-pianakaviana sy korana samihafa. Iainany mihitsy aza ilay zavatra tantarainy indraindray araka ny namaritan'i Sariaka Ratsimihah azy hoe : "Ilomanosany tanteraka ny zavatra tantarainy ka matetika no ifamonjena izy satria tonga amin'ny fitenenana hoe "toran'ny hehy" ara-bakiteny mihitsy". Tsy arakaraka izay anefa fa eo amin'ny resaka fandrindrana sy filaminana dia hentitra tokoa izy araka ny fanazavan'i Nivo Andrianasolo, mpiara-miasa taminy tao amin'ny CEMEAM : "Hentitra be izy, masiaka mihitsy aza indraindray eo amin'ny resaka filaminana sy fandrindrana; sarotiny amin'ny fitsipika sy ny fahamarinam-potoana ary tsy zakany mihitsy ny tsy fahatanterahan'ny zavatra efa nifanarahana fa hatao". Nohamafisin'i Daniele Rabary izay fahasiahina izay tamin'ny naha Lehiben'ny mpiandrimaso an'i Rô tao amin'ny sekoly IEC. Mbola nahitana izany koa ny tao amin'ny Radio Feon'Imerina araka ny fitadidian'i Thina Andriafaly azy : "Na
dia mpananihany aza i Ro dia matotra be kosa izy eo amin'ny asa.
Marim-potoana izy ary tena mahay mandamina izany fotoanany izany.
Mazava ho azy fa sarotiny izy amin'ny fahamarinam-potoana".
Azo lazaina ho fitaovana fanatsarany ny kalitaon'ny fifandraisany aman'olona aza izay vazivazy izay, raha dinihina akaiky ny nanohizan'i Thina Andriafaly ny teniny : "Raha
mametraka fanontaniana izy mandritra ny anterivava (interview) dia
somary mivantana sy mitsatotsatoka izay. Sangisangy zary tenany anefa
izany, mody mananihany nefa misikotra ny am-parahatoky ny mpanoratra".
Ny tsy hiadian-kevitra anefa aloha dia olon'ny fo sy ny fifanakalozana i Rô ka mora tamin'ny olona ny miresaka maharitra aminy, araka ny fiheveran'i Ny Kanto azy: "...
Ambonin’izany rehetra izany ny fahatsorany sy ny famelàny ireo miresaka
aminy tsy hisalasala fa ho toy ireny olona efa ela nifankahalala hatry
ny ela ireny avy hatrany na dia vao haingana aza vao nifandray.
Nanamarika ahy indrindra tamin’ny fihaonanay voalohany ihany koa ny
nitondrany ahy hihaona sy hitafatafa tamin’ireo namana tao amin’ny
efitra ambonin’ny Tahala Rarihasina, tsy iza moa izany fa ireo
mpanoratra sy pôeta malagasy namana toa an-dry GRG, Ny Eja sns".
|
IZA ? Iza anefa no ilazako ny ato am-poko tsy miloaka, Moa ny olona mandalo? – Moa koa ireo vahoaka Tsy mitovy hevitr’amiko, tsy mahatsapa ny ijaliako? Tsia dia tsia… Ianao irery… Ianao tia sady tiako. Iza anefa no amborahako ny adin-tsaina ato anatiko, Ireo olana mafaitra zary mila tsy ho tantiko Iza? – Iza? – Ny voahary? O! tsy manan-tsaina ireny Ianao tiako sady tia… Mieritreritra… Miteny… Iza anefa no ibitsihako ny zavatra mahazo ahy Ny adim-piainana itolomako ara-nofo sy fanahy Iza no heverinao hilanja izany miarak’amiko? Moa tsy ianao irery olon-toka-nosinganiko? Iza anefa no itafako ny eritreritro miady Ny mpiara-belona amiko ho kabary am-bavahady? Ho mpandatsa ahy ireny, sy mpanenjika ny diako Tsy misy mihoatra noho ianao… Tia ahy, sady tiako. Rô Andriamaneva 30 Septembra 1972 |
|
NAHOANA Nahoana no velon-toloko ry miaina rehetra eto an-tany Ka ny sento no indro misoko arahin’ny fo mitomany ? Nahoana kanefa nahoana raha mihira ny fanantenana, Fa handositra ny fisentoana… Handositra sy tsy ho tana Nahoana no miondrika lava amin’izato tarehy malomaloka ? Nefa ny aizina mbola hisava, hisinda, tsy maintsy ny aloka Nahoana no velon-taraina ao anatin’ity sentosento, Mbola misy eny ange ny maraina… Fa fiaina-mandalo no eto Nahoana tokoa e no trotraka eny anivon’ankason’ny tany ‘Zay milingilingy ho potraka, ny lavo miharina hatrany Nahoana no mety ho resy, manary an’ilay fitokiana Ny miezaka atao ankisesy, ny tsihy e no fola-tsindriana Rô Andriamaneva 1958 |
|
|
29 MARS Mbola maizina ny tany, nangidy aza raha ambara Niaina anaty fijaliana ny mponina eto Gasikara. Niforitra tsy sahy nitraka ny vahoaka anaty sento, Nanampatra ny habibiany 'reo mpanjanan-tany teto, Nanitsakitsaka ny zo maha olona ny olona Nanosihosy lozan-tany ny fiavotana sy tolona. Nogadraina ireo mpitarika, notifirina ny sasany, Novonoina koa ny hafa, nofatorana ny asany. Nisy anefa sahy nijoro, najininikany ny rany. Nolevoniny ny tenany fantany ny hiafarany Fantany izay ho tohiny any ambadika any ho any, Fantany izay ho vokany, fa ny ra namonto tany Dia ho zezika hanafaka ny tanindrazana mijaly Ka ho hery izay nanavotra ny fiforetana omaly Sy ho aina izay hamelona ny efa resy mitambolona Ary hanala koa ny zioga mianjady amin'ny olona. Fa tsy very maina izany, misy akony sy hasina Misy lanjany tokoa ny tanindrazana fa masina Tsy navelan'ny tontolo mba hijanona amin'izao Tsy neken'ny rehetra ny hijalijaly tao... Ary ireny ankehitriny no mibitsika ao am-po Sy manaitra indray ny saina hatsiahy ny taloha, Ka hiondrika amin-kaja 'reo rehetra Maritiora 'Zay namoy ny aina aza, satria izany anie tsy mora. Rô Andriamaneva 28 Marsa 1973 |
SATRIA NASONDROTRY NY VITANA ? Jereo anie 'reo boto an-tsena Borizano sy mpitrongy Fa mameno firenena Nefa tsy afaka midongy Ny anio tadiaviana, zahana Tsimponina eny an-jaoridira. Ny hafa anefa mikorana Sy fantatra mikirakira Isan’andro, isan’alina Vola an’hetsiny, aman’alina Satria nasondrotry ny vitana ? Jereo ‘reo zaza marobe Tsy mahita ‘zay fianarana Fa mameno ny arabe Ataon’ny hafa fiakarana Angamba tsy safidy ‘reny Fa ny harefotra tsy misy Koa aleony dia manjeny Ny andro lava, ka indrisy… Dia tsy afa-mifangaro Amin’ny hafa fa devoly Ny hafa anefa mikiraro Sy tafiditra an-tsekoly Satria nasondrotry ny vintana ? Jereo anie ‘reo mpiasa tany Fa mitete ny hatsembohany Efa sasatra aok’izany Ary hatramin’ny nanombohany Ny sakafo madarasy Na vary maina tsisy laoka Nefa ain’ny Malagasy Ary anisan’ny vahoaka Moa tsy izany no hetraketraka Ny hafa anefa toa mipetraka Ambony seza dia mitango Amin’endrika mandango Satria nasondrotry ny vintana ? Rô Andriamaneva 30 oktôbra 1975 |
ANTSO |
||||
Injany
feo manehoeho toa tsy ampy mitsitapy moramora isan’ora ato anaty Feo tsy maty fa milako ka manako eny ho eny Toa miteny ka misisika mandrisika ny olona hitolona hamory sy hitory famonjena, tsy terena, Ka omena fiadanana ho tanana finaritra maharitra hatrany an-danitra ho an’Andriamanitra Feo mitady anao hiady mba hitarika hisarika ireo vahoaka izay nivoaka izany vala tsy mahalala intsonintsony ny am-pony an’Andriamanitra any an-danitra Ianao antsoina Mba hanohina nokatsahina irahina |
hatraiza,
hatraiza mba hitaiza ny fanahy tsy ho ahy irery ihany fa ny tany manontolo ny tontolo rehetra rehetra tsy voafetra hitoriana fifaliana tsy an-kanavaka mba hivavaka amin'ny Ray ka handray ny fitahiana Ianao no tiana ka tafiana mba hiady sy hitady izany very Tsy ho irery anefa ianao fa ao dia ao Kristy tena tia Azy ny asa, ianao mpiasa sy mpanompo Ao ny Tompo Izay mitantana Mivantana Antsoina ianao anio izao mba hamonjy sy hitory famonjena Rô Andriamaneva 21/06/73 |
LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA
Boky
- ANDRIAMANEVA RATSIMIHAH, R. (1975). Iraka (Amboaran-tononkalo). Antananarivo : Trano Printy A.T.
- ANDRIAMANEVA, R. (1977). Setro-tsigara. Antananarivo : Ako Takariva
- HAVATSA-UPEM. (2012). Havàtsa Notsongaina. Antananarivo. Primark
- RASOANANDRIANINA, L. (tsy mbola nivoaka boky). Famakafakana ny tononkalon'i Rô Andriamaneva
Aterineto
- RAJAONARIVONY, T. (2013). "Nikimpy i Rô", hita tao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/lahatsoratra/page-40.html
Kapilan-tsary amam-peo
- Nalain'i Nivo Andrianasolo tamin'ny andron'ny fandevenana azy ka nandrenesana ny lahatenin'i Ampamoha sy Rabefananina
Isaorana manokana ireto olona ireto tamin'ny fifanakalozana
- Clémentine Rajaonarivony
- Jocelyn Rakotondrainibe
- Hery Ratsimihah
- Nivo Andrianasolo
- Thina Andriafaly
- Sariaka Ratsimihah
- Daniele Rabary
- Fabien Gaston Razakandrainibe
Lahatsoratra : Toetra Ràja
Sary : Jocelyn Rakotondrainibe, Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com
|
Date de dernière mise à jour : 07/04/2019