POETAWEBS TAO AN- TOKOTANY BE!
Toetra Ràja - 20/04/2024

POETAWEBS TAO AN- TOKOTANY BE!

Mpianatra anarivony no nitsidika ny tahala nisy ny Poetawebs nandritra ny hetsika Tokotany be nokarakarain'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina teny amin'ny lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina tamin'ny 18-19-20 Avrily 2024.

Tsy azo dinganina eo amin'ny Sehatry ny indostria koltoraly sy ny famoronana ny tontolon'ny virtoaly izay isongadinan'ny Poetawebs. Na izany aza anefa dia mampivohitra ny vokatra azo tsapain-tanana izy amin'ny alalan'ny boky sorapiainana telo izay efa napariaka.

Ranty sy varo-boky, fandefasana tahirin-kevitra an-tsary momba ny Poetawebs no nampiavaka an'izany seho imaso izany ka nandraisan'ny tranonkala anjara ny alakamisy 18 Avrily. Santatry ny fanamarihana ny faha-15 taonan'ny Poetawebs no antom-pisian'izao fandraisana anjaran'ny tranonkala izao. Sokajin'olona samihafa nanana ny toerany eto amin'ny firenena no nitsidika izany tahala izany.


Manoloana ny tranoheva n'ny Poetawebs

Ireo boky Sorapiainana andiany anankitelo

Ny Vetso sy Tsikimilamina Rakotomavo

Rita sy Patrick

Efijery nahitana horonan-tsary vitsivitsy manazava ny atin'ny tranonkala. Tazana eto ohatra ny sorapiainan'i Ny Avana, vokatry ny karoka tao amin'ny Google

Lehilahy avo dingana nandravaka ny hetsika

Date de dernière mise à jour : 21/04/2024

×