| www.lakroa.mg Miarahaba an’i Toetra Ràja. Manam-baovao lehibe ho zaraina ianao.
 Toetra RàjaMiarahaba ary misaotra nanasa ahy ato amin’ny www.lakroa.mg. Eny manam-baovao tokoa aho. Namoaka boky mirakitra ny asa soratra notsongaina tamin’ireo nosoratana tao anatin’ny 33 taona. Avelako angaha ho ireo mpamaky no hahatsapa raha lehibe na tsia ny boky "Tiako - tiako foana !". Tiako ny milaza fa mora vakina io boky io. Ny tononkalo ao anatiny dia misosa antsaina fa aza matahotra miroboka ao anatin’ireo takila 148 ao anatiny.
 www.lakroa.mg
 Inona avy no mety ho hita ao anatin’ireo takila 148 ireo ?
 Toetra RajaMisy ny fanolorana nataon’i Andre Rakotondranaivo mpampianatra izay efa nanoratra boky 96, mialoha ny Ala sarona nataoko nanazavana ny antom-pisian’ireo fizarana telo mandrafitra azy. Andrianasolo Hajaina, filohan’ny Havatsa-Upem sy Narivelo Rajaonarimanana profesoran’ny INALCO any Parisy no nanao ny Teny tsipy famaranana. RanjaSoa Publishing kosa no nanonta ny boky.
  www.lakroa.mg
 Any amin’ny lohateny dia fantatra fa fitiavana no votoatin-dresaka. Fitiavana ahoana moa?
 Toetra RàjaTsara fipetraka ny fanontanianao amin’ilay hoe votoatin-dresaka. Misy resaka fanadihadiana tokoa mantsy ao fa tsy tononkalo ihany. Tsy amboaran-tononkalo akory io, eny fa na dia ahitana tononkalo 80 aza. Lahatsoratra maro no mampifamatotra ny hevitra sy ny tononkalo maneho ny endri-pitiavana amin’ny lafiny maro toy ny fitiavana soratra sy pôezia, ny akaiky, ny mpiara-belona, ny tontolo iainana, ny Tompo Andriamanitra. Ary raha ny marina dia maro amin’ireo lahatsoratra ireo aza no efa tononkalo koa.
 Misy olana anefa ny fitiavana. Ny fizarana faharoa, mifandraika amin’ilay tsipi-panohizana (-) hita ao amin’ny lohateny, no mampisongadina an’izany. Any amin’ny farany no nametrahan’ny mpanoratra lalantsara mankany amin’ny vahaolana tiany hitondrana ny mpamaky ny fihetseham-pony. www.lakroa.mg
 Tsy ialana olana ny fitiavana. Fa misy vahaolana azo aroso ve anefa ?
 Toetra RàjaMarina izany. "Na inona hitranga" no lohatenin’io fizarana faharoa nentina nandalinana ny olana ka nanompanana toerana lehibe ao anatin’ny boky. Ao ny olan’ny fitiavan’olon-droa izay miafara amin’ny "fizaram-pananana". Resin’ny hambony ny maro ka tsy voafehiny ny fefy mamaritra ny tokony ho an’ny tena sy ny akaiky, hany ka misedra sy mampisedra ny bobongolon’ny fiainana izy. Ny fahafatesana aza efa tsy fidiny, ilay fahafatesana lazain’ny mpanoratra fa tokony ho fahavalo tokana iombonana.
 Iza moa no sahy hilaza fa tsy efa nomontsamontsanin’ny olan’ny fitiavana ? Vahaolana hoy ianao ? Indro andinin-teny 4, amaliako azy ary ahatsapana ny maha lalina an’izany fitiavana izany.  TIAKO - TIAKO FOANA!
 Na inona hitrangana ianao ho moana,
 ny alokao ho banga...
 Tiako - tiako foana!
 Na ianao mitroatratsy fantatro nahoana,
 fa diso tafahoatra...
 Tiako - tiako foana!
 Tsy afaka ao am-pokoao mandavan-taona
 ianao mampitoloko...
 Tiako - tiako foana!
 Fa mbola mibaliakaary tsy ho foana
 ny hasambarantsika...
 Tiako - tiako foana!
 Tiako - tiako foana!
 Tiako - tiako foana!
 Toetra Ràja9 oktobra 2015
 www.lakroa.mg
 Inona no mety ho mampiavaka ny tononkalon’i Toetra Ràja ?
 Toetra RàjaNy ankamaroan’ny tononkaloko dia misalotra ny angaly antsoina hoe "teny fohy isan’andalana" manara-drafitra, izay heverina fa mora antsaina, misosa vakiana ary mateza eo imolotra sy hotsarotsaroana.
 TENY FOHY Teny fohy,ary elatra,
 hitohy
 hielatrelatra
 hariva...
 ao anaty:
 bitsik’iva,
 tsy mba maty!
 Raha mifokarivotr’alina
 aho, sodoka-
 nofy lalina;
 ary injao
 fa mifoha,
 ho anao,
 toa ritso-po!
 Tsy miatomanavao...
 rarivato
 no atao,
 efa vonona
 izy izao
 ka tononina
 ho anao.
 
 Toetra Ràja
 12 aogositra 2005
  www.lakroa.mg
 "Efa vonona izy izao", hoy ianao. Aiza no mety ahitan’ny mpanjifa ny boky ?
 Toetra RàjaNapetraka any amin’ny tranomboky vitsivitsy eto Antananarivo ny boky : Bibliothèque Nationale ao Anosy, Archives Nationales ao Tsaralalàna, Cemdlac, ao amin’ny Faribolana Sandratra sy Havatsa-Upem (Tahala Rarihasina Analakely). Raha maniry ny hanana ho anao manokana ianao dia manorata amin’ny mailaka toetraraja@yahoo.fr  na mandefasa hafatra miafina ao amin’ny Facebook (Toetra Ràja).
 Ao amin’ireo fitaovan-tserasera ireo isika afaka mivalampatra tsara miresaka mangina. www.lakroa.mgAzonao lazaina ve ny fotoana mampivelatra ny aingam-panahinao rehefa mamorona tononkalo ?
 Toetra RàjaTongatonga ho azy eny ny aingam-panahiko fa matetika rehefa irery iny aho dia lasa lavitra tokoa ny eritreritra. Antsaina ao anaty sahady ny andalana, averimberina sy tsakotsakoina ao anaty ho tonga voninkazo marina. Rehefa teraka ny fahafaham-po vao raisina ny penina ialana amin’ny fanadinoana satria amiko manokana dia harena ny aingam-panahy ka tsy tokony hotobatobaina sy ho verivery ho azy.
 ANDALAN-TENY
 Andalan-tenytongatonga
 ho azy teny
 no nanonga
 ka nanjaryvoakaly,
 voarary
 hampifaly!
 Nokoloinaary indrindra
 nolokoina
 mba hirindra,
 hierinerinaan-kavoana,
 averimberina
 eny foana.
 Toetra Ràja25 jolay 2007
   www.lakroa.mgMisy sehatra na lafim-piainana mahasarika anao kokoa ve, toy ny fitiavana na tontolo manodidina na fiaraha-monina na politika na hafa?
 Toetra RàjaMahasarika ahy avokoa ireo voatanisanao ireo ary samy tafiditra ao anatin’ny boky "TIAKO - TIAKO FOANA!" avokoa. Ny politika kosa aloha tsy idirako mivantana. Fa andeha ampiako kely ny lisitra : fitiavana an’Andriamanitra.
 www.lakroa.mg
 Firy ny tononkalo nosoratanao ? Ary efa azo ambara sahady ve rahoviana indray ny boky manaraka ?
 Toetra RàjaTsy haiko loatra ny manisa ireo tononkalo efa voasoratro voatahiry any am-bata ary sarotra amiko ny hilaza aminao hoe rahoviana indray ny boky manaraka. Ny fantatro aloha dia eo ampanomanana boky iraisana amin’ny Havatsa-Upem foibe aho ho fanamarihana ny faha-65 taonan’ny fikambanana ary boky iray hafa ihany koa iarahana amin’ny Havatsa-Upem sampana Frantsa ho an’ny faha-15 taona. Ankoatra ireo dia efa andalana ny bokim-pikarohana iray lehibe imasoan’ny profesora sy poety zokiny ao Parisy ao ka mba anisan’ny tafiditra ao ny tononkaloko vitsivitsy. Noho ny hasarobidin’izany boky izany dia noferana tsy hilazalaza ny andinindininy aho aloha.
 www.lakroa.mg
 Manoratra zavatra hafa ankoatra ny tononkalo ve ianao ?
 Toetra RàjaTononkalo no tena ironan’ny foko. Fa amiko manokana dia mpanoratra lahatsoratra koa aho araka ny hita ao anatin’ny boky "TIAKO - TIAKO FOANA!" sy ny tranonkala http://poetawebs.e-monsite.com/ anompanako fotoana maro.
 www.lakroa.mg
 Tonga dia nihazakazaka tany amin’ny resaka boky isika hatrany am-boalohany kanefa tsara ho fantatra ihany, iza moa i Toetra Ràja eo amin’ny fiainana andavanandro ?
 Toetra RàjaMety mihitsy ny fomba nitarihanao ny resaka Jacques Ranaivo satria rehefa mifankahita ny olona dia mifanontany hoe "inona ny vaovao?". Mazava anefa fa ny boky no tena vaovao amiko.
 Eo amin’ny andavanandro dia raim-pianakaviana i Toetra Ràja, izany hoe manam-bady ary manan-janaka roa. Toetra Rajaonarivony no anarany ara-panjakana. Mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem sy ny tranonkala Pôetawebs izy. Manana teny indraim-bava momba ny Pôetawebs aho raha sitrakao. Tamin’ny 2009 ity tranonkala entina manandratra ny Pôeta sy ny pôezia malagasy ity no natsangana. Tsy fametrahana asa soratra akory izy fa fampielezana tatitry ny hetsika tononkalo, fanadihadiana, fanaovana tapatapakahitra (100 eo ho eo hatramin’ny androany) ary famakafakana tononkalo. www.lakroa.mg
 Ny hafatrao ho an’ny olona te hanoratra ?
 Toetra RàjaMifanerasera amin’ny mpanoratra tanora maro aho amin’ny alalan’ny fikambanana Havatsa-Upem misy ahy sy ny Pôetawebs. Maro tokoa izy ireo saingy manahy ihany aho sao dia misy ny fihazakazahana haingana loatra hamoaka tononkalo sy boky.
 Raha tononkalo manaja fitsipika no atao dia mitaky sivana ara-tsipelina aloha izany izay vao avoaka. Aza atao voninahitra ny fampiasana "licence poétique" ho toy ny angalim-panoratana fa tsy mahasoa ireny. Ny asa soratra pôety mantsy dia tokony ho anisan’ny tarafin’ny mpianatra teny malagasy. www.lakroa.mg
 Mazava ny resaka Toetra Ràja. Misaotra anao nitafatafa teto amin’ny www.lakroa.mg. Mbola hihaona eto ihany isika. Mirary herinandro milamina ho anao.
 Toetra RàjaMisaotra indrindra ny www.lakroa.mg nampiantrano sy nanome toerana mampilamina ny vahiny. Mirary soa !
 www.lakroa.mg |