Eliza Freda - Loharanon-kira koa
Heriarilala Andriamamonjy - 21/04/2024

Eliza Freda - Loharanon-kira koa

Mpamorona tononkalo, izay no tena ahalalan'ny maro an'i Alfred Andrianaly izay niafina tao ambadiky ny solon'anarana hoe Eliza Freda. Maro tokoa ny tononkalony nambabo fo ny maro. Tsy tontan'ny taona maro nifanesy ireny tononkalo voasorany ireny fa miampy hatrany ny tanora aty aoriana mihamahafantatra azy. Iza no tsy mahalala ilay "Vetsovetso takariva" ?

 "Singan'olona toa very izany izaho,
 Ravin-kazo tafasaraka aman-taho,
 Tapak'ahitra entin-drano ka indrisy !
 'Zay toeran-kitodiana tsy mba misy !"

Tononkalony tokoa io, fa tsy navelan'i Bodo himpirina fotsiny any anaty gazety amam-boky fa mbola novelominy an-kira ho fantatry ny taranaka aty aoriana. Fantatsika tsara fa mpanakanto roa samy nanana ny vanim-potoanany ireo. Ilay pôeta, teraka tamin'ny 1900 ary nodimandry tamin'ny 1962. Ilay mpihira kosa, mbola miara-belona amintsika ankehitriny. Itony famelomana ny poezian'ny efa lasana itony no manaporofo fa mendrika holovain-taranaka ny kantony. Fa tsy io ihany, mbola misy ilay tononkalony mitondra ny lohateny hoe "Kibo saoky ny nahiny" :

"Ny fitiavana akory tsy sazy
 Fa kibo saoky ny nahiny ny azy
 Tsy anaovana teny amboletra
 Ny safidin’ny fo no mba fetra

 Ny fitiavana voatsanga-kiady
 Ka any an-kafa zareo mba mitady
 Ny aty tsy azo jokojokoina
 Tsy azon’olona lotolotoina

 Ny anay ny fitia dia fitia manan-kambo
 Lolon-javatra, lolon’atambo
 Raha omena vao mainka tsy mila
 Izay mitoraka an’io kely ila"

Tononkalon'i Eliza Freda, nohirain-dRasamy Gitara, namoronany feony mba hianohan'ny mpankafy hira. Rasamy gitara io no azo lazaina fa iray vanim-potoana tamin'ny poeta, ny taona 1977 manko izy no nodimandry.

Fa ankoatra ny tononkalony nasiana feo dia efa tamin'ny androm-pahavelomany mihitsy koa izy no mpamoron-kira. Maro ny hirana tantara tsangana noforonin'i Eliza Freda. Anisan'izany ireto : "Vita voady ka dia tsofy rano", "Rehefa ny rano no misy tsingala", "Iarivoko ô, veloma ihany". Mpanakanto miavaka izy araka izany, manana ny kantony tian'ny maro hovelomina hatrany.


Manasa anao koa hanjohy ny sorapiainan'i Eliza Freda ato.

Date de dernière mise à jour : 20/04/2024