Ny poeta raha miteny 02 Oktobra 2016
|
|
Famakafakana tononkalo "HONO", nosoratan'i Andrianarivo Honoré
HONO Marina ve hono fa misy vonololo ao Soamahamanina fa lasan-dreo Sinoa ny kely sisa taniny? Ny tanimbary lafo, mandoro toy ny afo ny fanjerana trano fa miditra ny angano. Ny ao Soamahamanina mahita ny anganony fa tsy mba azy intsony ny sisa anjara taniny Efapolo taona fotsiny hono raha hoe azo havaozina. Dia ho aiza ireo taranaka fa izao dia efa lanaka amin'ny asa saina ny tany mitaraina ny tapia toa noritraina nefa toa hoe ala arovana fa tafiditra ao, ireo tsy fadiranovana. Koa amidio ihany! aripaho ny tany! Amidio ihany koa hatramin-dreo Sinoa Mameno ny tanàna Nahazo fanjakana. ANDRIANARIVO Honoré |
Fitiavan-tanindrazana, tsy misy tsy milaza ho manana azy io raha mbola Malagasy. Ny fahamarinany na tsia no mbola tsy azo antoka fa araka ity tononkalon'i Andrianaivo Honoré ity, izay mitondra ny lohateny hoe "HONO" dia efa voavidy izany fitiavan-tanindrazana sy ny fitiavana ny mpiray tanin-drazana izany. Anjakan'ny vahiny isika ka zana-tany mandrakariva. Hevi-dehibe roa no maneho izany ao anaty asa soratra. Voalohany, fanamarinana ny tsy rariny miseho ao Soamahamanina ao; faharoa, fanamafisana fa resy ny Malagasy. Andao àry hojerentsika misesy ireo. FANAMARINANA NY TSY RARINY Raha vao manomboka mamaky isika dia fanontaniana avy hatrany no apetraky ny mpanoratra: "marina ve hono/ fa misy vonololo..." Izany hoe tsy mbola tena azony antoka, na ny nampiasainy ny "hono" fotsiny aza, taratra amin'izany fa efa reny siosio ny zava-misy ao an-toerana. Ankoatra ny fampiasana fehezanteny manontany dia mampiasa voambolana ahitana filaza masaka ihany koa ny mpanoratra: "vonololo", izany hoe tena efa-toe-javatra mihoatra ny tokony ho izy mihitsy no mitranga ao Soamahamanina ao. Mbola eo ihany koa ny fitaterany izany tsy rariny miseho ao izany araka ny feo reny: "efapolo taona fotsiny hono raha ho azo havaozina". Misy fanesoana ihany koa eto raha tokony ho efapolo taona be izao dia nataony hoe "fotsiny". Tsy rariny tokoa, izany hoe ny mponina ankehitriny tsy hahita mangirana amin'ny taniny mihitsy, eny, hatramin'ny taranany koa aza. Rehefa tapitra mantsy ny fe-potoana, efa tapitra koa ny harena. Izay no mbola nanohizany azy fanontaniana hoe: "ho aiza ireo taranaka?" Amin'izay tsy rariny izay ihany dia notanisain'ny mpanoratra avokoa ny mafy iainan'ireo mponina, dia ny faharavam-pananana izany: "ny tanimbary lafo", aiza intsony izany no hovolena ny vary foto-tsakafony? Ao ihany koa ny "fanjerana trano". Aiza ihany koa no hialoka? Ao amin'ny andininy faharoa no ahitana izany ary rima mifanjohy no anaingoan'ny mpanoratra azy ao:lafo/afo/trano/angano. Toa manamafy ny fitanisana zavatra mifanesy eto io rima mifanjohy io. FANAMAFISANA FA RESY NY MALAGASY Rehefa nohamarininy àry ireo rehetra reny siosio dia nohamafisiny fa resy tokoa isika satria ny lalàna velona no efa hitsahina noho ireo vahiny. Hoy izy: "Ny tapia toa noritraina/nefa toa hoe ala arovana ?". Izany hoe ny rehetra mahasarotiny indray no navela ho baranahiny. Fongana ny harena, "ritra". Eo amin'ny andalana roa farany indray ny mpanoratra no tena manasongadina izany faharesentsika izany. Hoy izy: "mameno ny tanàna/nahazo fanjakana". Rima mifanjohy no namaranany azy, fampiasana antanatohatra ihany koa. Izany hoe rehefa fenon'izy ireo ny tanàna dia lasany amin'izay ny fanjakana. Tratra ny tanjony. Eto am-pamaranana àry dia azo sintonina ho sora-pitolomana ity tononkalo ity. Mahafinaritra ny fomba nentin'ny mpanoratra nilaza ny zava-miseho, tsy avy hatrany dia nitompo teny fantatra fa niezaka nanamarina sy nanontany aloha izay vao nilaza fa resy tokoa isika. Mpamakafaka: Heriarilala Andriamamonjy |
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com
|
Date de dernière mise à jour : 02/10/2016