Tatitra :
Vetson'ny Fanahy |
ZARAFANAHY XI |
Volana martsa,
Iray volan’ny pôezia, tsy diso anjara ny Faribolana Sandratra fa dia
nankalaza izany. Maro ny hetsika nataony isam-paritra ho fanamarihana
izany, isan’izany ny ZARAFANAHY XI. |
![]() Ankoatra ny fiantsana tononkalo sy fanaovana slam dia nisy ihany koa ny seho hafa nentin’ny tarika Fahanala. Tonga namelona ny Zarafanahy XI i Niry-Solosoa, izay vy nahitana sy andry nijoroan’ny Faribolana sandratra niaraka tamin’i Elie Rajaonarison sy mpanoratra vitsivitsy. Nanambara izy raha nahita ireo zandriny nitondra ny aingany, fa tsy maty ny literatiora malagasy. |
Nisy
ny lalan-tsaina nitondrana sy niaingan’ity Zarafanahy ity hoy ny
mpikarakara. Ny Faribolana Sandratra dia misokatra amin’ireo
fikambanana hafa sy ny mpanoratra ivelan’ny fikambanana. Ho
fanaporofoana an’izany dia nokarakaraina ny hetsika takalo kalo, izay
nanasana fikambanana hafa toy ny mpizaka stelarim. Nivoatra izy io ka
nanjary lasa Zarafanahy taty aoriana. Ny tanjona dia ny hifampizarana
sy fifanakalozana, fanandratana ireo mpanoratra tsy mbola fantatr’olona
koa kanefa manana ny maha izy azy, fiarahana anaty tontolo mitovy na
tsia. Noraiketina ho boky ireo tononkalo sy slam nentin’ireo mpizarafanahy, ka nisy ny fanehoana izany teny an-tsehatra. Tsy nifarana teo ihany anefa ny ZARAFANAHY XI, fa toy ny fanao isan-taona dia nisy ny alimbetso. Tany Ampitatafika fonenan'ny iray amin'ireo mpiraifaribolana no notanterahana izany tamin'io alina io. Ny tanjona dia ny hahafahan’ireo nanatrika miantsa ny tononkalony ankoatra ireo mpizarafanahy. Io ihany koa no natao ho fanakatonana ny Iray volan’ny pôezia. |
![]() |
![]() |
Valiha Gasy Faribolana Sandratra Manjakandriana |
Valeha Oscar |
![]() |
![]() |
L'As Coeur Slam Poésie |
Rindra Goherti |
![]() |
![]() |
Racl
Joseclaudio |
Art Tefy Jhoany |
![]() |
![]() |
Santatra Ramarozaka Faribolana Sandratra Anjeva Gara |
Riva Faribolana Sandratra Antananarivo |
![]() |
![]() |
Heriarilala Andriamamonjy Havàtsa-Upem |
Na Hassi |
![]() |
![]() |
Perla Soa Soa Mahatsangy |
Ditra Ratsihoaranarivo |
![]() |
![]() |
![]() |
|
![]() |
|
©
Pôetawebs
|