Créer un site internet
Ireo tononkaloo miendrika angano nosoratan'i J.-J. Rabearivelo
Ratsimbazafy Ny Hasina - 02/03/2024

Ireo tononkalo miendrika angano nosoratan'i J.-J. Rabearivelo

Iray volan’ny Poezia. Hahatsiarovana ny tsingerin-taonan’ny mpanoratra J.-J. Rabearivelo ihany koa ny volana Martsa tahaka izao. Rabearivelo mikatsaka kokoa ilay kanton’ny Razana, Rabearivelo ilay mamorona karazana poezia hafakely mandrakariva mihoatra ny hafa, Rabearivelo ilay manolotra ny tsara indrindra avy aminy ho fahafinaretan’ny mpamaky no hojerentsika anio. Hatramin’ny fahazazana tokoa dia tsy misy tsara indrindra noho izany hoe hitantarana angano mitondra anao amina tontolo hafakely sy mahavariana izany, ho hitantsika an-tononkalo izany anio. POEZIA!.... toy ny nofy, na koa Saika Nofy. POEZIA!.... asasoratra mitondra ny mpamaky anaty tontolo vaovao noforonin’ny poeta, tontolo “ (…) tsy misy. – Tsy misy noho izy misy loatra, toy ny nofy”?
    Ety am-piandohana dia mamelà anay hizara ity tenin’I J.-J. Rabearivelo ity izay antony nahatonga azy nitrandraka ireny literatioran’ny Ntaolo ireny ho lasa aina vaovao anatin’ny tononkalo. Isan-karazany tokoa mantsy ireo endrika isehoany: ao ireo miendrika ankamantatra, ao ireo miendrika hainteny ary ao ireo tantara kely fiandohan-javatra izay ataonay hoe tononkalo miendrika angano. Ity farany ity no hojerentsika anio. Hoy tokoa izy manao hoe:

"(…) satria isika mbola variana amin’ny ivelany fotsiny, ka tsy mitady afa-tsy fikaonam-peo sy fitambaran-teny mandrotsirotsy ao anatin’izay poezia vinakintsika.
(…) Taona efa am-polony maro izao no nampidirana filamatra aman-dalàna vahiny amin’ny tononkirantsika. Noraisina avy hatrany ireny ary noraisina be fahatany.
Noho ny hamaikana hiova randrana, dia tsy voadinika akory raha : hifanaraka amin’ny mozikan’ny tenintsika ny fomba vaovao, na tsy ho antonona azy, ary raha hahasoa azy na hanimba azy kosa.
Dia navela, ary dia nohadinoina mihitsy ny an-tena. Voabanty noho ny fahanterany, nokianina noho izy tranainy.
(…) ny farany dia ny fahaverezan’ny tena poezia tsotra, izay voasolo rediredy mirindra.
(…) Ho anao efa nanova sofina ka tsy mandre feo manga intsony raha vao tononkalo ntaolo no miredona,(…) ao ny tena poezia na dia tsy misy fiafaran-teny mitovy aza ny andalana aminy.
(…)
Raha averinao amin’ny toetrany marina ny sofinao, dia ampoizinay fa ho hitanao indray ilay efa very”
J.-J. Rabearivelo, Hitady ny very,
Fandrosoam-baovao, n° 28, 24 février 1932

    Tsy hanao lahatsoratra famotopotoran-kevitra toy ny mahazatra isika anio fa hampianoka anao mpamaky kosa ny tsiron’ireo tononkalo miendrika angano nosoratan’ity mpanoratra iray ity. Tsy tononkalo iray manontolo akory no notsongainay fa sombintsombiny ary nasesinay izy ireo hankafizanao izany asasoratra hafakely izany. Efa fintininay amina lohateny kely hatrany hatrany anefa ny tantara ary asinay teny fanolorana kely manomboka azy ireny saingy tsy narahinay fanazavana kosa. Indraindray tokoa mantsy ilaina ny mihanoka ny Poezia sy ny hakantony anatin’ny fahatsoran’ny fanahy.


IREO MPANDRAY ANJARA MAHAZENDANA


Mamorona mpandray anjara mahazendana Rabearivelo manerana ny asasorany. Ao ireo manana vatana hafakely tsy mitovy amin’ny rehetra. Ao ireo manana vatana mitovy amin’ny rehetra saingy afaka miriaria eny an-danitra sy anaty habaka hafa.

Mpandray anjara manana vatana mahazendana

Ambodia vavy toka-maso
(…) manana tànana harafesina tsy hita isa
Lahimainty misy voamaso ny tenany manontolo
Vorona jamba sy vorona tsy àry vatana
Ilay manana tongotra milentika any an-dranomasina
Osy dia manan-tandroka feno zavona

Mpandray anjara  afaka miriaria eny an-danitra sy anaty habaka hafa

Ambodia vavy toka-maso eny an-danitra
Voalavo mikiky volana
Reniala mivezivezy eny amin’ny lanitra
Vorona mandratra ny mason’ny lanitra
Orita sy trondro madinika marobe eny an-danitra
Mpiandry ondry mianika ny lanitra

TONTOLO MAHAZENDANA


Mamorona tontolo mahazendana sy hafakely ihany koa Rabearivelo fa tsy mijanona eo amin’ny mpandray anjara ihany izay toetra hafakely izay. Matetika dia famindrana ny tontolon’ny ranomasina ho lasa tontolon’ny lanitra, na tontolon’ny tany lasa eny an-danitra na anaty tontolo hafa ny endrika hisehoan’izany.

Tontolon’ny lanitra sy tontolon’ny ranomasina miara-miriaria

ranomasin’ny hazavana (eny an-danitra)
Trondro madinika marobe eny an-danitra
Orita nandositra eny an-danitra
Voahangy eny an-danitra
Tantsambo mamelatra harato eny amin’ny ranomasin’ny lanitra

Tontolon’ny lanitra sy tontolon’ny tany miara-miriaria

Ankoatra ireo mpandray anjara mahazendana efa voalaza tetsy ambony
Tanimbolin’ny lanitra
Voankazon’ny lanitra
Omby miraoka ahitra eny an-danitra
Bibilava marobe miara-manoka-maso eny amin’ny vahin’ny lanitra
Taranaka ambodia vavy toka-maso miara-manoka-maso (eny an-danitra)
Bibilava marobe miara-manoka-maso eny amin’ny vahin’ny lanitra

Tontolo hafa

Vorona jamba lehibe mamaky ony ao ambanin’ny tany
Lahiantitra miresaka amin’ny Razana
Firenen’ny kintana, fokon’ny apokalypsa
Ilay tsy àry vatana mandrendrika ny mpiandry ny karandoha

TANTARA MAHAZENDANA: Ankamantatra niofo ho angano mahazendana


Azo atao ihany koa hoe ankamantatra miendrika angano ireto tononkalo ireto. Misary ankamantatra izay kilalao fanao amin’ny ankizy fahiny tokoa mantsy izy ireto kanefa rehefa halalinina dia miendrika tantara kely izy ary ao ireo mitantara fiandohana na fiforonan-javatra na tontolo iray, ao indray ireo mitantara tontolo hafakely tsy mahazatra. Nanao ahoana tokoa àry izany famaritan-dRabearivelo ny tononkalo miendrika angano izany? Ary tahaka ny ahoana ny fisehony? Hoy indrindra izy:

“ (…) mbola mifatotra amin’ny vahin’ny alina
Ilay lakana tranain’ny angano
Izay mampita ny fahazazako isan’andro
Teo amoron’ny hariva ho eo amoron’ny maraina,
Teo amin’ny tanjon’ny volana ho eo amin’ny tanjon’ny masoandro.“
    J.-J.R

        (…) Angano, angano, arira, arira…
Tsy tambo ny angano izay mahazohy
Ny toera-nitsirian’ny vahy mandeha
Ka tonga mandadina ny hazo rehetra:
Tsy tambo ny arira izay manodidina
Ny tena nahafoizan’ity voron-tsy àry
Izay mirefarefa dia miainga indray.”
J.-J.R

    Tahaka ny mitantara angano tokoa Rabearivelo rehefa manoratra ny ankamaroan’ireo asasorany tao amin’ny boky “Saika Nofy” sy “Nadika tamin’ny alina”. Saika milazalaza ny fiandohan’ny zavatra iray avokoa ireto notsongainay ireto. Izao.

VOALAVO : Ny mahatonga ny tsinambolana sy ny diavolana:

“Voalavo tsy hita inona,
avy any ankoatry ny rindrin’ny alina,
no nikiky ny mofo rononon’ny volana?
Rahampitso maraina,
Rehefa nandositra izy,
Dia hisy dia-nify misy rà eo,
(…)
Dia hikakakaka daholo izy
Ary hiraingiraingy hianjera.
Ny volana kosa, tsy ho eo intsony:
Nentin’ny voalavo any an-davany izy.”


VORONA MANDRATRA NY MASON’NY LANITRA : Ny mahatonga ny volana ho somampy rà

“Ilay vorona tsy misy loko na manana anarana
Dia manakombon’elatra
Ka mandratra ny hany mason’ny lanitra.
   
Hazo tsy misy tahony no itoerany,
Raviny fotsiny (…)”   

NY ORITA : sy ny fiandohan’ny vahy eny an-danitra 

““Nisy orita, tamin’ny fandosirany,
Nanamainty ny fasika,
Tamin’ny iviny matevina;
Misy trondro madinika marobe kosa,
Miendri-pelana volafotsy,
Tsy afa-mitsoaka
Ka mitsimbadibadika eo :
Voarain’ny fandrika
Velarin’ny volonkotona maizina izy,
Izay tonga vahy
Ka mandrakotra ny fivezan’ny lanitra.”


LAHIMAINTY MANANA VOAMASO TSY HITA ISA: ny fiandohan’ny maraina 

“Ilay lahimainty mpameta-pitaratra
Izay tsy hitan’iza na iza ny voamasony tsy hita isany
Ary tsy mbola takatr’olona soroka,
Ilay andevolahy totobakana
Izay tomady hoatr’i Atlas
Ary miloloha ny lanitra fito
(…)
Vakim-pitaratra arivoarivo
No mianjera avy eny an-tànany
Nefa mievotra mankeny amin’ny handriny
Mangan’ny tendrombohitra
Ahaterahan’ny rivotra.
Ary miantrika ny fijaliany isan’andro ianao
Sy ny raharahany tsy misy farany,
Manatrika ny fialàny aina latsahampotaka ianao
Raha maneno eny amin’ny tamboho atsinanana
Ny antsivan-dranomasina ----
Nefa tsy manam-pangorahana azy intsony ianao
Ary tsy mahatsiaro akory fa mijaly indray izy
Isaky ny fefika ny masoandro.  

ANGAMENAVAVA LASA ANDIAN-KINTANA 

(…)
Io reniala iray mivoaky ny tany,
Ka mandady eny amin’ny rindrina,
Ary mihantona sahirana eny ambonin’ny hazo.

(…)    
Manao trano mipaka amin’ny lanitra
Ary mamelatra harato manerana ny hany

(…)
--- Ny taratra mipololotra avy amin’ny masony matin-tory,
--- ao anatin’ny antsavilin’ny vahy,
Dia mamelona azy indray ny nofiny sy ny akony
Amin’ity fanalampierin’ny angamenavava
Izay miova ho andian-kintana,
Mba handositra ilay fandrik’ala,
(…)    

NY FIANDOHAN’NY RAIKETRA 

“ (…) raha tianao ho fantatra ny tantaran’ny aretina namely azy [Raiketra]
--- tantara manjavozavo noho ny hariva
Ary avy lavitra toy ny andro foy---
Nefa tsy hahalala mihoatra noho izaho ianao:
Ny ran’ny tany, ny tsemboky ny vato
Ary ny tembon’ny rivotra
Izay indray mikoriana ao anatin’ireo felatanana ireo
No nandevona ny rantsany
Ary nanolo azy voninkazo volamena.”

(…)“Ary ory ireo boka ireo ny Vintana,
Ka naniraka azy hamboly voninkazo,
Sy hiandry loharano
Lavitry ny olo-masiaka””

AMBODIA VAVY TOKA-MASO 

“Aza mahery misotro ny ronono mitobaka
avy amin’ny tohatr’ity ambodia vavy toka-maso,
mivovÒ eny amin’ny tanihaolon’ny lanitra,
toa te-hanoka-maso ao anaty hain’ny alina
ny taranany tsy hita isa
manoka-maso (…)

VORONA JAMBA SY NY TANIMBOLIN’NY ALINA 

“Misy tànana harafesina tsy hita isa,
     --- Alona, aloka, setroka---
Miava sy manindry ladina
Ao anaty sarin’alam-boarointsaka;
Saron’ahitra mandifo-dRapeto
Ivoaham-borona jamba.

Inona no hotoazany nony disaka?
Inona no ho ao anaty rantsany-rivotra?
Ny voa bodaka mainty noho izy mena loatra
Dia efa niova ho olatra alinalina sahady
Eto amoron’ity ony tsy misy mpiandakana
Hanondrana ireto sobikam-boankazon’alina rehetra ireto.”

VORONA TSY ÀRY VATANA SY NY MPIANDRY NY KARANDOHA 

“Ilay [vorona] tsy àry vatana kosa,
Mandrendrika ny mpiandry ny karandoha
Amin’ny hirany mibadabada,
Dia mamelatra elatra miraona
Ka lasa mampandry ny habakabaka
Ary tsy miverina raha tsy efa tonga mandrakizay.”

Sombiny ihany ireo noraisinay ireo ho fahatsiarovana ny asa vitan-dRabearivelo raha namerina ireo literatiora very izy tamin’ny hetsika “Mitady ny very” niarahany tamin’i Charles Rajoelisolo sy Ny Avana Ramanantoanina. Ny zava-dehibe dia ny hitiavanao ny asasorany sy hahitanao fomba fijery hafakely ihany koa rehefa mamaky izany, mba hitondra fahafinaretana tokoa ny mamaky azy ireny. Indraindray dia mahavariana tokoa ny famoronany, ary misy tsy voavaly ny sasany amin’izy ireny. Tahaka ity iray ity ohatra: “Ny rantsanao raotin’ny fokon’ny Apokalypsa iray manontolo”. Manasa antsika àry Rabearivelo hahay hankafy na hanome aina vaovao ireny literatioran’ny razana ireny. Hoy izy manao hoe:

“Ho anao efa nanova sofina ka tsy mandre feo manga intsony raha vao tononkalo Ntaolo no miredona, manainga anao izahay: (…) raha averinao amin’ny toetrany marina ny sofinao, dia ampoizinay fa hohitanao indray ilay efa very"
J.-J. Rabearivelo, Hitady ny very,
Fandrosoam-baovao, n° 28, 24 février 1932.

Rehefa manomboka mankafy sy mianoka ny asasorany anefa ianao dia manan-kolazaina tokoa izy. Ary izay teniny izay no hamaranantsika izao fahatsiarovana azy izao:

“Vao avy namerina namaky an’i Virgile ianao,
Vao avy nihaino ny ankizy koa
Izay miarahaba ny volan-tsinana
Sy ny angano ary ny ariran’ireo tsy ety intsony”
            J.-J.R

Date de dernière mise à jour : 03/03/2024