Dox, volamena latsaka am-bovoka...
Dox feno 111 taona anio
Fandalinan'i
Toetra Ràja - 13/01/2024
DOX, VOLAMENA LATSAKA
AM-BOVOKA...
Mariky ny fitiavan-tanindrazana ny
fandalana ny teniny sy ny mpanoratra ao aminy. Raha nantsoina ho
tenin'i Molière ny frantsay ary an'i Shakespears ny anglisy, dia fanomezam-boninahitra
mpanoratra nahavita be tamin'ny tenin'ny fireneny no antony. Manana
an'i Dox
koa isika, ilay poeta tsy mitampoka ay nanaja toy ny anakandriamaso ny
teniny. Mitsingerina anio ny faha-111 taona nahaterahan'ity poeta tsy
manam-paharoa eto amin'ny Nosy ity. Tsy tambo isaina no azo ambara
momba azy fa andeha hiompanana kely ny toe-panahiny mifototra amin'ny
fanetren-tena. I Dox tokoa mantsy no mifandraika amin'ilay hoe
"volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra".
Volamena
latsaka am-bovoka
Zanaka dokotera i Dox ka azo
heverina ho nanana fototra tsy mena-mitaha eo anivon'ny fiarahamonina.
Na izany aza dia tontolo ambanivohitra aloha no nisantarany ny
fiainana. Teraka tao Manakavaly tamin'ny 13 Janoary 1913 izy ary
nobeazin'ny raibeny sy renibeny tany Anjanapara Antsirabe nony avy eo.
Nahazo fahalalana maro tokoa izy tany, ary nandray lesona momba ny
fankafizana ny fiainana. Sekoly roa lehibe manana ny lanjany amin'ny
kolontsaina sy literatiora no norantoviny teto Antananarivo tamin'ny
fahatanorany: Ecole des Beaux Arts
sy Paul Minault.
Mialoha ny nirobohany tanteraka tao an-tsahan'ny literatiora dia
niandraikitra fiompiana sy fambolena tany Mandoto aloha izy ary efa
nampianatra tao Antsirabe. Fantatry ny maro ny tohiny fa nanjary poeta
manan-danja ao am-pon'ny maro i Dox ary nihasinkasina tamin'ny sehatra
maro: mpanoratra tantara tsangana, mpanosodoko, mpamoron-kira,
mpitendry zavamaneno, akademisianina.
Nanana fanetren-tena lehibe teo amin'ny fiainana i Dox izay heverina ho vokatry ny fomba nanabeazana azy ary zary modelim-piarahamonina noho ny fahatsoram-pony mankafy ny fiainana, tsapa amin'ny maha izy azy sy ny asasorany. Ahatarafana izany indrindra ity tononkalo "Bitika" ity, Folihala tak 79, and. 4:
"Indray mihelina ny fiainana, nefa moa tsy betsaka aminy
No tsy fantatsika ny antony, ary tena tsy hita laniny...
Ny saina andinihantsika dia mazana mampahory !..."
Mbola ao anatin'izay fankafizana ny fiainana izay ihany no namaritany ny hasambarana izay tsy mifototra amin'ny vola aman-karena:
"Nitady ny hasambarana aho. Tsy taiza anefa ny hasambarana
Fa tamin'itsy trano bongo izay nivoha varavarana,
Satria niandry ahy tao ny tovovavy iray tsotra
Vonona hifankatia sy hiarahako mizotra..."
Hasambarana, Folihala, tak 19, and 1.
Mahalasa ny eritreriny koa ny hevitry ny nofo izay toa diso ifikirana loatra eo amin'ny fiainan'olombelona:
"Inona eto an-tany aho? Nofo fotsiny miaina
Ka ny fifalian' ny nofo no hazaina dia hazaina?
Kanefa raha ho lo ny nofo, inona no sisa ho amiko?"
Izaho, Folihala, tak 194, and 3.
Tao anatin'ny fiainana feno fahatsorana tokoa mantsy no namaranany ny androny, lavitry ny fitobahana izay tsy nataony ho tanjom-pisiany ary tsy nahasakana ny fiarahamonina tsy hiorim-paka aminy.
Tsy
avelan'ny hasiny tsy hamiratra
Taona 1978, indray alahady
hariva tao amin'ny "Toko tapaka", fandaharan'ny radiom-pirenena, no
niseho ny tantara. Nifanena tamin'i Dox teny an-dalana ireto mpivady
efa nahazoazo taona ohatra azy. Noarahabain-drangahy i Dox. Izay ihany
fa samy nanohy ny lalany avy avy eo. Nimenomenona izaitsizy noho ny
fiheverany ho fahafaham-baraka ramatoa satria olona tsy mifanentana
fari-piainana aminy angaha no nohajaim-badiny. "Namako iny" hoy
rangahy. Herinandro tato aoriana, lasa i Dox, very olomanga ny firenena
araka ny vaovao lehibe naelin'ny radio. Nitaona am-badiny hanotrona ny
fara-veloman'i Dox ramatoa. "Ka izy ange ilay noarahabaiko ka
nampisafaoka anao tamin'ny heriny e!" hoy rangahy tsy naka sarotra.
Indrisy, mety ho anisan'ny levona tamin'ny Alatsinainy maintin'ny 26
Janoary 2009 iny horonam-peo mirakitra ny feon'i Vahandanitra nilalao
ny feon-drangahy iny.
Ianao koa, mety nahatahiry poti-taratasy mirakitra tononkalo nosoratan'i Dox manokana, teny an-jaridainan'Andohalo ohatra, zay voalaza ho toerana fipetrapetrahany. Fombany mantsy ny manolotra andinin-tononkalo ho an'ireo mpandalo maro tsy fantany akory. "Harem-pirenena" ireny ka tsara hozaraina mba tsy ho levona ka hamirapiratra toy ny sora-tanany iray napariaka tamin'ny 1978 tao amin'ny Jeune Afrique, gazety boky politika sy toe-karena heverina ho lehibe indrindra teto Afrika ary vakin'izao tontolo izao:
"Dia ahoana hoy izahay?
Banga lehibe ny toerana
fa i Claude fanaperana" (...)
Telo tamin'ireo andalana vitsivitsy teo anivon'ny takelaka iray natokana ho an'ny kolontsaina sisa tsaroana. Iza moa i Claude nanehoany io alahelony io? Tsy karazana tononkalo famoaka am-boky ny toy izao fa poti-tararasy natolotra manokana izay sarobidy tamin'io gazety boky io satria "volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra".
Manasa anao hanjohy ny sorapiainan'i Dox.