Faribolana Sandratra eo
anivon'ny tantaran'ny literatiora
Nitohy tao amin'ny
tranombokim-pirenena Anosy ny alarobia 10 Avrily teo ny fankalazana ny
faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra tamin'ny alalan'ny velakevitra
nentin'i Dr Ny Hasina Ratsimbazafy (mpampianatra mpikaroka momba ny
literatiora sy mpikambana eto anivon'ny Poetawebs). Raha nanana ny
tantarany ny literatiora malagasy dia tsy afa-niala tamin'izany ihany
koa ny toeran'ny Faribolana Sandratra. Raha fintinina dia azo
zaraina telo ny velakevitra : ny fintin'ny tantaran'ny literatiora
tany ivelany sy teto an-toerana izay nisy fifandraisany tamin'ny fomba
fanoratry ny Faribolana Sandratra ary ireo fomba fanoratry ny
Faribolana Sandratra nifanaraka tamin'izay tantaran'ny literatiora
izay. Nomarihina teny am-piandohana fa ny tantaran'ny Poezia manokana
izay nivoatra nanaraka vanimpotoana isan-karazany no nanorenana ny
famakafakana.
Mizara fito izay fomba fanoratry ny Faribolana Sandratra izay.
1) Misy ireo mpanoratra izay mihevitra fa "finoana ny
Poezia" ka misy ny andriamanibavy izay manome hosotra ny olona
iray ho lasa Poeta. Nantsaina tao ny asasoratry ny Sandratra izay
niantso ny "Muses", heverina fa loharanon'ny Poezia tamin'ny
andro fahagola tany ivelany.
2) Misy ireo mpanoratra teo anivon'ny Faribolana Sandratra no misy
hitovizana tamin'ny fomba fanoratra tamin'ny fotoanan'ny "Pléiade" (nanodidina ny taonjato faha-XVI) ny
fomba fanorany. Na eo aza ny rima sy ngadona napetraka harahina sy
hahatsara ny Poezia tamin'izany fotoana izany dia tsy natao hamotehana
ny vontoatin'ny hevitra na fihetseham-po tian-kampitaina izany. Tao
ireo namerina nampiasa ireo teny fahiny efa tsy dia fampiasa intsony
(konka, mitambolona, ...). Tao ireo namorona voambolana vaovao
hanabeazam-boho ny teny (anjoria, tononkalo-endrika ...). Tao ireo
nikaroka fomba filaza mihodinkodina mialoha ny hahatongavana amin'ny
tena resaka sns.
3) Tsy afaka tamin'ny asasoratry ny Sandratra ihany koa ny fanarahana
izay voalazan'i Randja
Zanamihoatra amin'ny maha olona fototra tsy azo sarahina amin'ny
tantaran'ny Faribolana Sandratra azy.
- Ao ireo Poezia teraky ny fo izay nampalaza
ireo mpanoratry ny fotoanan'ny Romantisme tany ivelany sy ny
vanimpotoanan'ny fiforetana anaty teto an-toerana. Ankoatra ireo
asasoratra malahelohelo dia nampiavaka ny Faribolana ihany koa ny
resaka Poezia mahatsikaiky.
- Ao ireo Poezia teraky ny saina sy
saro-takarina.
4) Ao ihany koa ireo mpanoratra tsy misaraka amin'ny tantaran'ny
fireneny. Hita amin'ireo tononkalom-pitolomana sy milaza ny
zava-misy rehetra izay novokarin'ny mpanoratra sasany ao amin'ny
Sandratra izany.
5) Ao ireo asasoratra maneho ny "hita ny very"
ary mbola manohy ireo hetsika "mitady ny very" tamin'izany:
- miverina amin'ny loharano nipoirana ka
mikalo ireo poezian'ny Ntaolo. Niroborobo araka izany, ny famohazana
ireo Poezia fahiny: sôva sy tôkatôka atao an-tononkalo nahatonga ny
karazana asasoratra vaovao tôkalo sy sôvaramita.
- Famoronana karazana Poezia vaovao avy
amin'ny fanambarana karazana literatiora samihafa: ny riankalo (tsy
miendrika tononkalo ny ankamaroany saingy manan-karena sarinteny,
indrindra ny allégorie, manaraka ny onjan'ny hevitra sy ny
fihetseham-po). Eo koa ny tsangan-tononkalo sy ny teatra poetika
(matetika dia saika lalaovina toy ny tantara tsangana avokoa ny
poezian'ny Sandratra ary arahina dihy sy feon-kira ary mpilalao
an-tsehatra isan-karazany izany)...
6) Ao ireo asasoratra mitovitovy amin'irony novokarin'ny Parnasse sy Symbolisme irony. Tao koa ireo nanahaka ny
surréalisme ka miresaka tontolo hafa, tontolon'ny nofy, tontolon'ny
Avelo, ny saro-takarina isan-karazany kanefa tsy voafehin'ny saina
mahatsiaron'ny olombelona.
7) Farany dia nomarihina fa misy ihany koa ireo mpanoratra izay manana
ny fomba
fanorany manokana ary miavaka. Misy izy ireo mamorona
zava-baovao ary manana ny filozofiany manokana mihitsy.
Raha fintinina dia ahatarafana ny tantaran'ny literatiora nisy tany
ivelany sy teto an-toerana ny fomba fanoratry ny Faribolana Sandratra.
Ny mampiavaka azy dia ny fomba famoronany misy fikarohana, tsy
mitsaha-mivoatra ary tsy ho voakosoka amin'ny tantaran'ny Poezia,
amin'ny tantaran'ny literatiora ankehitriny.
Nisy ny fanontaniana isan-karazany napetraky ny mpanatrika izay samy
nahazo ny valiny mahafa-po azy ireo tsirairay avy ary nanao fangatahana
manokana ny mpanoratra, filoham-boninahitra, isan'ny tamin'ireo
nanangana ny Faribolana Sandratra sady filoha lefitry ny
Akademiam-pirenena malagasy, Dr Jean
Nalisoa Ravalitera mba hitondrana ity velakevitra ity eny
anivon'ny Akademia malagasy.
Poetawebs
Date de dernière mise à jour : 12/04/2024