Fanandratana Pôeta - Akademia

Fanandratana an'i Lala-Rakotoson Agnès

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
10 mey 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

LANONAM-PANANDRATANA POETA - AKADEMIA MALAGASY

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraTanteraka soa aman-tsara ny alarobia 8 mey 2019 teo ny fotoam-panandratana an'i Lala-Rakotoson Raolisoa Agnès nokarakarain'ny Havàtsa-Upem tao amin'ny Akademia Malagasy. Ankoatra ny maha pôeta ny nasandratra dia fantatra koa ny maha mpanoratra, mpampianatra, mpandrafitra ny boky LOVAKO T1 - T5, T10, T12 azy.

Nisolo tena ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ny Tale misahana ny maha izy ara-kolontsaina Rtoa Tsikimilamina Rakotomavo. Izy araka izany no nanokatra ny fotoana tamin'ny fomba ofisialy ary nanatontosa ny lahateny famaranana.

Nanatrika ny fotoana koa Rtoa Esther Randriamamonjy Filohan’ny Sokajy I Akademia sy Rtoa Hajaina Andrianasolo Filohan’ny Havàtsa-Upem izay samy nanana anjara fitenenana, ny mpikambana eo anivon’ny Akademia, ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo ary ny mpianatra.

Nanafanana ny fotoana ny antsa tononkalo novelomin'ny Havàtsa-Upem sy ny hira ba gasy noredonin'ny Tafasiry Kolokanto. I Dol'Aj no tonian-danonana. Nampiavaka ny fotoana ny velakevitra notontosain'i Radomanantoanina Tahirisoa Eric mitondra ny lohateny hoe :

"Agnès: mpampianatra, mpanoratra boky fianarana”.

Notolorana fanomezana manokana Rtoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina izay noraisin’ny Tale misahana ny maha izy ara-kolontsaina. Nisy ny fampirantiana ireo boky nosoratan’i Lala-Rakotoson Raolisoa Agnès, ny boky volamena niraketana ny vetson’ny mpanatrika.

Tatitra sy sary : Toetra Ràja
Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra
Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra
Lala-Rakotoson Raolisoa Agnès
Fanomezana ho an'ny Ministra
Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 12/05/2019