Créer un site internet

Oroka tsy nahy

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

01 Martsa 2014

Oroka tsy nahy,

Io no lohateny nampitondrain'i Rima sy Tsiahy Andrianina ny antsa tononkalo izay nohasinin-drizareo ny 22 febroary 2014 lasa teo, tao amin'ny Tranom-bokim-pirenena - efitrano Rado Ampefiloha.

Tsiahy Andrianina, tovovavy sahisahy, hita taratra avy hatrany amin'ny hety volo miavaka ananany, sy ny tombokavatsa lehibe eo amin'ny sandriny; nefa koa mpanoratra feno fanahy. Mahakasika ny fo avy hatrany ny asa sorany, tononkalom-pitiavana teraky ny fo ka mampangorintsina ny fanahy; tsy mahagaga raha misongadina avy hatrany izy na dia vao misandratra aza.

Rima kosa, tovolahy tsotra, somary manakambo nefa koa faran'izay mahalala fomba, matotra nefa be sangy araka ny filazan'i Soa Mpantsaka Rano, mpanoratra, poeta efa fantatry ny maro.

Tononkalom-pitiavana maromaro mifampiako, manankarena teny, manaparasaka ny hakanton'ny fanahy ao anaty soratra, vao mainka koa nomena aina ho feo sy seho, ka samy afa-po avokoa na ny maso na ny sofina, eny, na ny fo sy ny saina aza dia tsy niala maina mihitsy.
Satria tsy notsinontsinoaviny mihitsy na ny haingon-tsehatra, izay niangalian'i Soa Mpantsaka Rano, na ny mozika mandrotsirotsy novimbinin'ny gitaran-dRalanto.
 
Nolalaovina ho toy ny tantara mitohy izany, nanomboka tamin'ny fitsirian'ny fitiavana, niampita tamin'ny famborahana izany, nandalo ireo olana nosedraina, niafara tany amin'ny fitia ho doria.

Poa-tsatroka ho an' Rima sy Tsiahy Andrianina, satria afa-po avokoa ny mpanotrona rehetra. Nivoaka tamin'io fotoana io ihany koa ny boky "oroka tsy nahy" mirakitra izany antsa izany.

Mahafinaritra tokoa ny fifanomezan-tanana eo amin'ireo mpanoratra vao misandratra sy ireo zokiny, mampiseho fifanohanana endriky ny fihavanana sy ny firaisankina mampiavaka ny malagasy.


Lahatsoratra : Hanitra Olive
Sary : Tsiahy sy Hanitra Olive
poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021