DadaRabe - 30 jona 2009 |
Hasina no anaran’ny zanako. Nolazaiko izy fahakely fa Hasina RABE no anarany. I dada izany hoy izy Dada RABE. Eny hoy aho : « DadaRabe ». Dia hary teo ilay DadaRabe.
Mpamaky tononkalo aho satria feno boky tononkalo malagasy tao an-trano. Mpampianatra malagasy ny reniko. Efa tany amin’ny 1983 tany aho no nanoratra. Feno ny kahie, ary indraindray ny…dabilio tany an-dakilasy (voatery fafana foana ndrao…)
Mino an’Andriamanitra. Izy no namorona. Zava-dehibe ny tanindrazana satria izy dia harentsika lehibe ety ambany masoandro. Ny fianakaviana no vato nipoirana sy mbola hiafarana.
Andraikitra eo anivon’ny aterineto ? Manoratra tononkalo, manao blaogy amin’ny teny malagasy, mandray anjara anaty fikambanana, « hanokatra gazety » aterineto atsy ho atsy.
Ny fianarana ? Rehefa avy nampianarina dia mampianatra. Ny asa fivelomana ? Mampivezivezy tokoa nefa ny adididy tsy an'olon-dratsy. Ny tsiambaratelo ve ? Mino ny tanjoko. Manantena ampitso sambatra. Tiako ny asako, tiako ny olona manodidina ahy.
Tsy maningana angamba. Ny anjara toeran’ny poety dia ny miventy an-tononkalo izay saintsainin’ny olona any an’eritreriny mangina ary koa ireo lazainy am-bava mitonona.
Hatramin’ny elabe JJ Rabearivelo. Eo koa i Dox. Rado. Ny ankehitriny dia maro nefa aleo tsy manonona ndrao misy tsy voatonona
“Hatramin’ny nahalalako anao… Nalaina tao amin’ny boky "Dia nisy ny mazava".
Misaotra ny poeta.webs. Rohy ahitana ny mombamomba an'i DadaRabe |
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety |