

Nisy mpanoratra avy eto Madagasikara nandray anjara tamin'izany, toy ny avy tao amin'ny Nosy Maorisy, Kaomoro, Seisela ary La Réunion. Samy manana mpitsara iray avy ireo firenena ireo ka ny Dr Tsikimilamina Rakotomavo no niantsoroka an'izany adidy izany ho antsika.
Vita soa aman-tsara ankehitriny ny fitsarana ka amin'ny alakamisy 29 novambra izao no hambara amin'ny fomba ofisialy any amin'ny Nosy Maorisy ny vokatra.
Manaraka akaiky ny vaovao any an-toerana ny tranonkalanao Pôetawebs ary mampanantena tatitra sy sary ho an'ireo mpiserany.
Lahatsoratra : Toetra Ràja
Pôetawebs©2018 -
poetawebs@gmail.com
|