Fredy Rajaofera
Sorapiainan'i FREDY RAJAOFERA
Miherikerika an-tanin-olona, tsy mba manana izay hantsoina"...
Fantatrao tsara izay
fiantombohan'ny tononkalon'i Fredy Rajaofera hoe "Kalon'ny Ntaolo"
izay. Tsy vitsy amintsika aza angamba no tsy hihambatrambatra sady ho
mailamailaka hanonona tsy an-kijery ireo andininy enina ao aminy. Eny,
ahalalana an'i Fredy Rajaofera ireo tononkalo mampanembonembona kanefa
tsy afaka eo imolotra. Ankavitsiana ireo mpanoratra havanana amin'ny
fandrafetana andinin-teny mafonja sady mora antsaina. Fa iza moa i
Fredy Rajaofera? Raha tombanana dia lehilahy mirijarija sy ranjanana
ary anisan'ireny Malagasy mitraka ireny izy... Fa alohan'izay aloha dia
andeha hatao indray mitopy maso ny fototra niaviany.
FREDY
RAJAOFERA TARANAKY RAINIZAFIMANGA
Azo lazaina ho kamboty tanora i Fredy Rajaofera raha teo amin'ny faha-29 taonany no namoy ny rainy. Nanambady an-dRtoa Jeannette Rasoanalimanana izy ary niteraka an'i Lucienne Raferaharisoa sy Mamy Antonin Ramarovelo. Tamin'ny vadiny faharoa, Rtoa Razafindrainibe, no niterahany an'i Berthe Rajaofera, Marthe Rajaofera, Elise Rajaofera ary Liliane Rajaofera.
Azo lazaina ho nampiana-janaka i Fredy Rajaofera satria i Elise Rajaofera, ohatra, no vehivavy malagasy voalohany nahavita fianarana ambony momba ny fanaovan-gazety tao amin'ny Ecole de Journalisme de Paris. Tamin'ny alalan'ny bakaloreà sampana lalàna azony no nahafahany niatrika ny fifaninanana hidirana tamin'io sekoly io. Ankoatra izay dia ny gazety "Le Courrier de Madagascar" no niantoka ny fianarany.
FREDY
RAJAOFERA SY NY ASA SORATRA
Teo am-pamaranana ny fianarany dia efa fantatr'olona ireo asa sorany tao amin'ny gazety maro toy ny Grande Ile, Telegrafy, Ranovelona.
Mpiasam-barotra izy kanefa nifantoka tamin'ny fiandraiketana ny gazety "Le Courrier de Madagascar" izay notantaniny teto Madagasikara. Marihina fa hatramin'izao fotoana izao dia mbola maro amin'ireo taranany no miantsoroka ny asa fanaovan-gazety.
Anisan'ireo mpanoratra 10 lahy namolavola ny amboaran-tononkalo Kalokalo Tatsinanana izy, boky natao ho fahatsiarovana an'i Samuel Ratany, Pôeta maty tanora. Nifarimbona tamin'io amboara io ry J.-J. Rabearivelo, Ny Avana, Ignace Ratsimbazafy, Meteora, Joseph Rajaonah, Rafanoharana, Jean Narivony, Lusio B ary Rodlish.
FREDY
RAJAOFERA, PÔETAN'NY ALAHELO
Tranga telo no tena nampaory azy indrindra teo amin'ny fiainany.
- ny fahafatesan'ny rahalahiny Charles Rajaofera tamin'ny 1919.
- ny fisarahany tamin'ny vadiny voalohany Jeannette Rasoanalimanana tamin'ny 1931.
- Ny nahafatesan'ny zanany vavy Elise Rajaofera tamin'ny 1965, andro krismasy.
Nahavita tononkalom-pitiavana maro koa izy saingy maro amin'ireo nosoratany tamin'ny fahatanorany no notsinontsinoavin'ny akaikiny ka tsy voatahiry.
I Fredy Rajaofera koa dia mahay mampifandray ny lasa sy ny zava-misy na ny zava-boahary amin'ny andavanandrony. Mahavantana azy koa ny fampiasana ny singan'ny zavaboahary andravahany ny tononkalony toy ny hita ao amin'ny "Kalon'ny Ntaolo".
I Fredy Rajaofera koa dia poeta
tsy manadino ireo mpiray tanindrazana taminy niaina tao anatin'ny
fiainana feno fahatsorana. Mbola ny singan'ny zavaboahary hatrany no
entiny hanaingoana ny eritreriny izay miainga amin'ireo fampiasa
amin'ny andavanandro. Ao amin'ny TRANOBONGO ohatra no itanisany ireo
singa mandrafitra ny trano sy namenoana ny atiny.
________________
Tranobongo tafo herana
Varavarana zozoro,
Mora rava sy miserana
Vetivety toa hikoro.
Tranobongo, tokan'efitra,
Mihafihafy, teritery;
Toa voabaiko mba handefitra;
Sy hitoetra manirery.
Ny vovonana efa konka,
Nokikisan'ny fotoana
Tafon-trano feno loaka,
Ravarava, mihafoana,
Toko telo baingan-tany,
Manakaiky ny tokonana;
Eo ilay nongon-ny akany
Fahandroana, fanokonana.
Fanaka ao, miharihary,
Ratsiratsy, bangabanga :
Sotro tandroka, antsimbary
Tsangambava tanimanga.
Tsihivitrana mihorona
No gorodona ilasiana;
Ary saingona sy horona
No kidoro mba fandriana.
Akalana ao an-joron-trano,
Hany sisa hanampy izay,
Fitantaran'Idada angano,
Tantara ntaolo fahizay.
Ry tranonkelim-pihafiana,
Izay faneson'ny Tandapa;
Tranon-draza-niaviana,
Ilay voavely sy voakapa.
Raha tsinjoko e ny lasa,
Ka fongariko ny taona,
Dia tsaroako fa voarasa
Izany foko feno saona!
Ny olo-maron-ny tanàna
Manadino haja anao,
Tonga haolo tsy tamàna
Fa sodokam-baovao.
Fredy Rajaofera
(Lahatsoratra voafantina, tak. 98-99)
________________
Vehivavy maromaro
Mitsobo-drano an-tanimbary
Mifanila tafaharo...
Manadala mpaka sary.
Vehivavy avo akanjo
Misikin-damba miandahy
Manainga zipo ambony ranjo
Vory nofo sahisahy.
Vehivavy an-kitamby,
Rovidrovi-pitafiana;
Tsy miraika, tsy mitamby,
Efa votom-pifaliana.
Rano sisam-pararano
Irobohan'ny vahoaka;
Vorompotsy sy ny vano
Voakotaba ka mitsoaka.
Vovo kely na tandroho
Eny an-tanan'olon-droa,
Dia tarihina any ivoho;
Ka manaraka, manoa.
Haron-kely fanangonana,
Kinarinarina eny an-doha;
Ny mpandalo tia lanonana
Sondriana foana am-pefiloha.
Dia mandroso mianavaratra
Mianatsimo kely indray;
Dia miondrika milahatra,
Ka mandraoka raha efa izay.
Indray voasaron'an-tandroho
Izato babo manjoretra.
Mipelipelika ao ny toho,
Trondro kely sy tsinjetra.
Oriory anefa izaho,
Fa izavavy iretsy kosa,
Fakofako, tapa-taho,
No nangoniny miavosa!
Sangisangy kanjo izany,
Ry mpanihika eny ho eny;
Izao no izy, izao ihany,
Henoy ny foko fa miteny :
Ireto masoko mijery
Mankalaza sy midera,
Fa ireo fanaon-ny razana
He! mijoro tsy voazera.
Fredy Rajaofera
(Lahatsoratra voafantina, tak. 48-49)
Manara-drafitra ny tononkalony; mipetrapetraka tsara ireo mari-piatoana... fa izany moa no ahafantarantsika ny an'i Fredy Rajaofera. Ny fifehezany ny rima sy ngadona dia manentana ny mpamaky, hany ka satry hatao tsianjery avokoa izay vinaky toa ity tononkalo manaraka ity.
Fahavaratra ny andro, ka mihira indray ny tany;
Mitondra fo mitsikitsiky, falifaly manantena.
Indro izao tontolo izao fa mientana aoka izany,
Indray manofahofa hoby amin'ny endri-bolamena!
Tendrombohitra sy havoana ary lohasaha koa,
Mavomavo menamena, niongo-bolo teo ho eo;
Indreny fa niofo. Maty toy ny vary dia mamoa,
Mamoa vilaory maitso, manana aina, manam-peo.
Kianja be, vala maro, ampian'ny tanimbary
Nihafihafy lava omaly, nangetaheta rano ela :
Afa-po sy enin-tsoa ka miova haingo, miova sary,
Tonga Edena vaovao, Edena faharoa tavela.
Ny tarehy vilaory dia fihirana vaovao,
Ny bika soa falifaly dia fiderana tsy mitsahatra;
Izany hoe : Fihirana - Fiderana no atao;
Afa-ketaheta ny tany ka misaotra ny Mpandahatra.
Fredy Rajaofera
(Lahatsoratra voafantina, tak. 53)
FREDY
RAJAOFERA SY NY TONONKIRA, VATO NAMELAN-KAFATRA
izao fiainantsika izao,
ka misento lalandava
izay rehetra monina ao"
Dr Rajaofera (FFPM 578)
Eny, taranaka mpamoron-kira i Fredy Rajaofera satria anisan'ny mbola hiraina ankehitriny any amin'ny fiangonana Protestanta ny hiran'ny rainy, "Loharanon-dranomaso" (FFPM 578) io. Ary io boky Fihirana FFPM io aza dia mirakitra ihany koa tononkira maromaro noforonin-dRainizafimanga -
raiben'i Fredy Rajaofera - toy ny ao amin'ny FFPM 577, 780, 782.
Tsy mpamorona tononkalo ihany i Fredy Rajaofera, araka izany, fa mpamorona tononkira ihany koa. Misy amin'izy ireny no voarakitra an-kapila navoakan'ny Discomad tamin'ny fotoanan'ny "78 tours" toy ireto:
"Ry alina", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i J.J. Tseheno feony, nohirain'i Célestine sy Henriette ary Raymond sy Bernard
"Fahavaratra", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i J.J. Tseheno feony, nohirain'i Célestine sy Henriette ary Raymond sy Bernard.
"Kintan'ny mamatonalina", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i J.J. Tseheno feony, nohirain'i Célestine, Raymond ary Ossy.
"Voronkely", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i J.J. Tseheno feony, nohirain'i Célestine, Raymond ary Bernard.
"Mifohaza ry fahazazana", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i Therack feony ary nohirain'i Jeannette.
NY BOKINY
- Sahondran'Avoko, 1931
- Iarivo menamasoandro
- Patralalan'ny foko
- Kopak'elatra
- Fara-hafatro
Misy ny tononkalon'i Fredy Rajaofera koa any amin'ny amboaran-tononkalon'ny mpanoratra maro toy ny Takelaka Notsongaina I (Rajaona S., 1962) : "Mandrenesa Razanaboromanga" (pejy 77) sy "Kalon'ny Ntaolo" (pejy 86). Ao koa ny Lahatsoratra Voafantina (Rajaobelina P., 1958) ary ny Kalokalo Tatsinanana voambara etsy ambony.
Nanoratra tantara tsangana mitondra ny lohateny hoe Razanaborobanga i Fredy Rajaofera ny taona 1940. Nolalaovin'ny Tropy Jeannette tao amin'ny CC ESCA Antanimena tamin'ny fankalazana an'i Fredy Rajaofera ny volana aogositra 1994 izany.
ASA FIKAROHANA
"Fredy Rajaofera sy ny maha-Malagasy" no Mémoire de CAPEN nataon-dRtoa Razafindrahaniraka Reine Aurore tao Ampefiloha tamin'ny 1996 ka nahazoany ny Mention Très Bien tamin'izany.
MARI-BONINAHITRA
- Officier de l'ordre des Palmes Académiques, 1938
- Chevalier de la Légion d'honneur
- Officier de l'instruction publique, 1943
Marihina fa nampitondrain'ny Fanjakana Malagasy ny anarany ny lalana iray eto Antananarivo mirefy 223m ao Faravohitra, anelanelan'ny Fiangonana EKAR Faravohitra sy ny Jovena Antaninandro.
FIKAMBANANA NISY AZY
- I Fredy Rajaofera sy i Pierre Rapiera no vy nahitana ny Fikambanan'ny mpanao gazety sy mpanoratra malagasy.
Loharano nanovozan-kevitra
* Boky
- Siméon Rajaona. 1962. "Takelaka Notsongaina I Tononkalo", Antananarivo : Imprimerie Nationale.
- Prosper Rajaobelina. 1958. "Lahatsoratra Voafantina", Antananarivo : Trano Printy Loterana.
- FFPM (Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara). 2001. "Fihirana", Antananarivo. Edisiona fahadimy.
* Tranonkala
http://rajaofera.free.fr/HistoriqueBranchemere/diary1861_1934p2.htm
http://thomasotto.e-monsite.com/pages/thomas-otto-gensen/theodere-othon/othon-louis/rakotomalala-eugene-louis/
http://rajaofera.free.fr/rue/ruerainizafimanga.htm
http://simplicerazafindrazaka.randev.ovh/page7.php
http://archive.is/VwejK (ahitana ny lisitry ny kapila 78 tours, collection Schmidhofer)
Date de dernière mise à jour : 24/03/2024