Créer un site internet
Livatra, boky vaovaon'ny Faribolana Sandratra, sampana Betafo
Faniry Ezeckiel - 23/04/2024

LIVATRA : BOKY VAOVAO HIVOAKA

Mirenty literatiora i Vakinankaratra. Miboiboika aoka izany ny hetsika ara-java-kanto. Ho tonga eny am-pelatanan'ireo mpankafy ny boky LIVATRA, ny Sabotsy 04 Mey 2024 ho avy izao. Havoaka amin'ny fomba ofisialy amin'io daty io tokoa manko ity boky fahatelo novolain'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ity. Ao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina Akon'Ankaratra no hotanterahina ny hetsika izay hanomboka amin'ny iray ora tolaka andro.

Niara-nisalahy tamin'ny fanoratana ity LIVATRA ity ireo mpanoratra folo mianadahy: Riana, Ny Fiainana, Ny Kintan'ny Natiora , By Hakay, Nofenoina Natiora Nitsimoka, Ny Tsiaro Fanaperana, Aloka Miserana, Hiaka Mikalo, Ny Avo Elabakaka ary i Faniry Ezeckiel.

Boky 112 takila, mirakitra tononkalo 70 ny LIVATRA. Nanao ny teny fanolorana i RANOE. Miresaka fiarahamonina, tontolo iainana, fitiavan'olon-droa, alahelo, fitiavan-tanindrazana ireo aingampanahy ao anatiny. Midika ho hatsarana fatratra moa ny teny hoe LIVATRA. Tafiditra ao anatin'ny hetsika fankalazana ny faha-35 taonan'ny FARIBOLANA SANDRATRA sady tsangambaton'ny faharoa taonan'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ny hetsika. Ity no boky fahatelo navoaka tao aorian'ny EMBOKA sy AMBONDROMBE ary ny MAROANDAVAKA.

Eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ity seho ity ary fiaraha-miasa amin'ny fitaleavam-paritry ny Kolontsaina eto Vakinankaratra.

Loharano azo anovozom-pahalalana ny boky, mitaiza ny saina ho tia karokaroka, koa antenaina hisy akony amin'ny tanora sy ny fiarahamonina izao firoborobon'ny literatiora izao.



Date de dernière mise à jour : 23/04/2024