Tatitra sy
sary : Vetson'ny Fanahy |
MIZARA AINGA |
![]() Hetsika tsy dia fahita firy no nasehon'izy ireo, satria raha literatiora no seho mahazatra entina ao amin'ny tranombokim-pirenena, dia haiady malagasy antsoina hoe "DIAMANGA" no natrehina tao. Voalaza fa mifanindran-dalana tsara amin'ny soatoavina malagasy izy io. Nisy ihany koa ny resadresaka nataon-dRatovo Valiha momba ny tantaran'izany valiha izany teto Madagasikara, ary narahany fampisehoana ny talentany. Naseho tao anatin'ny hetsika ny tantara an'onjam-peo mivantana, izay nolalaovin'i Lofika, Mbolaranto, Sahondra ary Dodhi", tantara mahatsikaiky nampitondrainy ny lohateny "Ho Hendry amin'izay". Ity hetsika ity moa dia teo Ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ny Federasiona Miahy ny Teny sy ny Soratra (FMTS). Na dia naharitra ora telo ny seho dia tsy nampamonamonaina ny mpijery satria talenta maro loko no nianohana. Nanaitaitra ny mpijery ny fanentanana nataon'i Voahangy sy Dodhi Rakotomalala ka nampifantoka ny rehetra. Mirary folo taona hitsingerina ho an'ny Dian-tanamasoandro ny Pôetawebs, mirosoa hasina hatrany! |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
©
Pôetawebs
|