FANTARO Mpanoratra : Ranoe Loharano : Tovozin-tsy ritra boky 3 tak 30 Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo |
||
Ranoe |
Tsikimilamina Rakotomavo |
Anisan'ny fototra iaingana eo amin'ny lafiny literatiora ny soratra
noho izy manoro fahalalana sy fahitsiana eo amin'ny fiainana. Miresaka
izany indrindra i RANOE ao amin'ny tononkalony izay nampitondrainy ny
lohateny hoe: "Fantaro" ary notsoahina tao amin'ny "Tovozin-tsy ritra"
boky 3 tak 30. Asehony amin'izany fa manana ny anjara toerany eo
amin'ny sehatry ny literatiora ny soratra. Koa hamahavahana izany dia
hodinihina mialoha ny famaritana ny soratra. Hobanjinina manaraka izany
ny anjara asany. Hezahina velabelarina mifanesy ireo fizarana roa
voalaza teo ireo. Ny zava-drehetra eo amin'ny fiainana dia misy azo amaritana azy avokoa. Tahaka izany ny soratra izay manana ny mampiavaka azy. Koa andeha hofaritana sahady ny mikasika izany. Voalohany indrindra dia azo asongadina fa tsy hadalana ny soratra. Heverin'ny tontolo manodidina fa vokatry ny tsy fahampian-tsaina ireny soratra miseho amin'ny boky aman-gazety ireny. Kanefa dia teraky ny aingam-panahy sy ny talentan'ny mpanoratra madiodio. Hoy ny andalana (1, 2):
"fa ny soratro sakaiza
Tsy hoe rediredin-tsaina". Manaraka izany dia hita fa tsy eritreritra misidina araka ny fihevitry ny maro azy akory ny soratra fa vokatry ny famoronan'ny mpanoratra izay teren'ny zava-misy ka maneho ireny amin'ny fomba kanto sy miavaka. Ambaran'ny tononkalo ny hoe: |
FANTARO Fa ny soratro sakaiza Tsy hoe rediredin-tsaina Te hanonofy volana Ka tsy fantatra hoe ho aiza Tsy hay izay tanisaina Fa manodikodim-bolana Fa ny soratro sakaiza No mamohafoha ny saina Manentana fanahy Hanolokolo sy hitaiza Hitsinjo anao maraina Tsy ho velona ahiahy Fa ny soratro sakaiza No hirakitra tadidy Ny lasa sy ny ankehitriny Hiantso anao mahaiza Miantsoroka ny adidy Mba tsy hananan-tsiny RANOE Tovozin-tsy ritra boky 3 tak 30 |
"te hanonofy volana
Ka tsy fantatra hoe ho aiza". Ankoatra izany dia azo ambara fa tsy miteniteny akory ny soratra satria milaza ny toe-javatra marim-pototra hita taratra eo amin'ny tontolo manodidina izy. Hamarinin'ny tononkalo izany manao hoe:
"tsy hay izay tanisaina
Fa manodikodim-bolana". Raha navohitra teo ny famaritana ny soratra dia andeha hasongadina kosa ny anjara asany. Zava-dehibe ho an'ny tontolon'ny fiainan'ny olona andavan'andro ny andraikitry ny soratra. Manabe mantsy izy ireny ary anisan'izany ny fanoroana fahendrena izay ataony mba tsy hivoahan'ny olona eo amin'ny valan'ny fiainana. Hoy indrindra RANOE:
"Manentana fanahy
hanolokolo sy hitaiza" Fanampin'izany dia tsikaritra fa mitari-dalana ny soratra. Anjara asa goavana izany satria izy no manilo ny dian'ny mpiara-belona mba tsy hanaotao foana ary indrindra mba handray andraikitra amin'izay rehetra atao. Manamafy izany ny tononkalo:
"hitsinjo anao maraina
tsy ho velona ahiahy" Ankoatra izany dia hita fa mitahiry ny zava-misy ny soratra. Ny soratra ihany tokoa no fitaovana ahafahana miaro ny tantara tsy ho very an-javona ary ahazoana mampahafantatra amin'ireo taranaka ny zava-misy. Hamarinin'ny andalana (13-14-15):
"Fa ny soratro sakaiza
no hirakitra tadidy ny lasa sy ankehitriny" Raha fintinina izay rehetra voambara teo dia tsapa fa manana ny anjara toerany eo amin'ny sehatry ny literatiora ny soratra. Nisongadina teo ny famaritana ny soratra izay nentina nanehoana fa tsy eritreritra misidina akory izy. Eo anatrehan'izany dia fantatra fa manana andraikitra lehibe ny soratra. Anisan'ireny ny fanabeazana izay ataony. Raha ny tononkalon-dRanoe kosa no asian-teny dia hita fa kanto noho ny fampiasany tamberinteny andohan'andalana "soratra". Manasongadina hatrany ny soratra izany ary azo itarafana ny lanjany eo anivon'ny haisoratra malagasy. |
Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
©
poetawebs
|
Date de dernière mise à jour : 28/05/2020