Ny fiteny malagasy - G.R.G.

Fanadihadiana tononkalo - 20/12/2023

NY FITENY MALAGASY - G.R.G.
Felana Radoniaina - 20/12/2023

NY FITENY MALAGASY - G.R.G.


Vao any an-kibon'ny reniny ny zaza iray dia efa manomboka mifankazatra amin'ilay fiteny, dia ilay tenin-dreny izany. Fanomezan'Andriamanitra ny fahafahana miteny. Samy manana ny fiteniny avokoa ny foko eto Madagasikara ary izy ireny mitambatra no manome ny teny malagasy izay tokana. Andao handalina ny tenindrazantsika isika ato amin'ity tononkalon'i G.R.G. hoe "NY FITENY MALAGASY" nosoratany tamin'ny 04 Mey 1995 ity. Hojerentsika aloha ny tokony ho fiheverana ny teny malagasy. Avy eo isika hahita ny fomba fiarovana azy.

*
*  *

Hevero ho sarobidy ny fiteny malagasy


Hevero ho sarobidy ny fiteny malagasy. Isika Malagasy no tompon'io teny io. "Lova manan-kasina" hoy GRG ilay fiteny. Ny lova dia fananana na zavatra ifandiambiasan'ireo taranaka mifandimby. Raha mahay miaro ny lovany ny olona iray dia hisitraka azy io avokoa ny taranany rehetra any aoriana any. Eto anefa tsy vitan'ny hoe lova fotsiny izy io fa manan-kasina ihany koa. Mamaritra ny hasina toy izao ny Rakibolana malagasy: "hery anaty ananan’ny zavatra na olona, ahavitany zavatra tsy vitan'ny hafa ka mahatonga ny fanajana azy". Ahoana ary izany no tokony hiheverantsika ny fiteny malagasy? Sarobidy tokana aman-tany, tsy hitambarana amin‘ny hafa. Iza tokoa moa ny firenana mampiasa ny tenintsika ankoatra ny antsika? Tsy misy na iray aza, eny fa na dia ao aza ireo mponin'i Mayotte miisa 47900 mampiasa ary miantso ny teny malagasy hoe kibushi (shibushi na kibosy). Ireo vahiny tonga eto amintsika aza mbola miezaka mafy vao mahay ilay fiteny. Koa isika tompony indray ve no hangataka atiny? 



Arovy ny fiteny malagasy


"Ho vakoka lalaina" no teny ilazan'i GRG ny teny malagasy. Ny vakoka izany dia "zavatra heverina ho sarobidy ka tehirizina" araka ny rakibolana malagasy, tsy avela ho simba na ho lasan'olona. Rehefa mba mitsidika ireny tranom-bakoka ireny isika dia mahita tsara fa arovana ny vakoka, koloina, hajaina mba ho toy ny fahitana azy tany am-boalohany mbola mamiratra iny ihany no hahitana azy hatramin'ny taranaka fara mandimby. Dia toy izany koa ny fiteny malagasy: koloina izy, hajaina, lalaina sy arovana satria vakoka lalaina.

Raha tiana harovana ny fiteny malagasy, andao ampiasaina tsy avela ho lefy. Aza variana amin‘ny tenim-pirenena hafa fa andriano ny an'ny tena. Ekena fa ilaina ny fampiasana teny vahiny amin‘ny sehatry ny asa ankehitriny fa saingy rehefa mba ivelan'ny asa kosa, tsy aleo ny an'ny tena no lalaina? Na ny ankizy aza, zaro ho tia ny tenin-dreny.

*
*  *


Hita avy amin'ity tononkalo ity fa sarobidy sy mendrika ny harovana ny teny malagasy. Koa reharehanao ve ny maha Gasy anao? Ampiasao ny teninao!

______________________

Sorapiainan'ny poeta G.R.G. : G.R.G.

Date de dernière mise à jour : 17/12/2023