Créer un site internet

Ireo tsiky maro loko, Lydiary

Fandalinana tononkalo

Ireo tsiky maro loko
Ezeckiel - 02/02/2024

IREO TSIKY MARO LOKO — LYDIARY

Endrika miserana monja fa marika iray maneho ny toetra na fihetseham-po ao anaty ny tsiky. Toetra voajanahary misoratra eny an-tavan'ny olombelona, fihetsika volena ihany koa anefa indraindray izy io. Hain'i Lydiary tsara ny maneho amin'ny fomba kanto ireo endrika isehoan'ny tsiky eo amin'ny olombelona raha mamaky ity tononkalo iray nosoratany, notsongaina tao amin'ny boky Sandratra amboaran-tononkalo voalohany, takila faha-44 ity. Voasokajiny mazava tsara fa samy hafa ny lokon'ny tsiky eo amin'ny zaza sy ny tanora ary ny lehibe ary miavaka ihany koa izany eny imolotry ny mpankahala marina.

 *
*  *

Mitahiry fahatsorana ny tsikin'ny zaza


Misoritra eny an-tavany ny fahamarinana
Hoy i Lydiary ,manomboka ny tononkalony: "Tsiky imolo-jazakely, tsiky dio mahafatifaty". Tsy manafina ny ao anatiny ny zaza. Matoa mitsiky izy dia faly. Tsy misy fihatsarambelatsihy na fitaka, hany ka mahafinaritra sy kanto ny mibanjina azy. Madio sy marina ny tsikin-jazakely.

Vonto fitiavana ny tsikin'ny zaza. Hamafisin'ny poeta hoe: "Taratr’ilay fon’anjely, izay koboniny ao anaty". Miankim-po sy matoky ny zaza. Tazana eny amin'ny tsiky atorany, fifandraisana anaty maneho fitiavana madio. Tsy ankafetsena na misy ambadika fa tena oharin'ny mpanoratra amin'ny fanahy tsy ety an-tany mihitsy izany fitsiky izany: "fon'anjely". Ampoka fitiavana madio ny tsiky avy ao am-pon'ny zaza.

Natsinkafon'ny mpanoratra ny lanjan'ny tsikin-jazakely, ahoana kosa ny fahitany ny tsikin'ny tanora?

Manarona hevitra maro ny tsikin'ny tanora

Mampiasa ny tsiky mba isarihana fitiavana ny tanora. Asongadin'i Lydiary tsara izany ao anaty sanganasany:

"Tsiky imolotry ny mpitovo,tsiky dongy, fambaboana
 Mifono zava-maro loha: hantahanta, fiangotiana".

Anaty lalan'ny hatanorana ny fifohazan'ny fitiavana. Fihetseham-po maro no mifamahofaho anatin'izany ka ao amin'ny tsiky no taratra ny onjany. Misarika ny ftiavan'ny hafa hifameno aminy ny tsikin'ny zatovo. Tsy miandry ny molony hivolana intsony fa efa asehon'ny tsikiny. Akon'ny antson'ny fo ny tsiky.

Manambara fitaka ny tsikin'ny tanora.
Voalazan'ny tononkalo fa "Mety ho poizina ihany koa, famadihana olon-tiana".

Na efa misaintsaina ny handao aza ny olon-tiana, mbola manarona ny hevi-petsiny amin'ny tsiky hatrany. Misy tsiky fambara fisarahana, tsiky maneso, milaza ankolaka ny fisarahana. Sarin'ny afina ao anaty ny tsiky.

Manafina fihetseham-po isan-karazany ny tsikin'ny tanora.
Ny tsikin'ny antitra ihany koa, MBA mitahiry hafatra maro.

Mitory harerahana ny tsikin'ny antitra

Manambara hakiviana ny tsikin'ny antitra, arantin'ny poeta hoe:

"Tsiky imolotry ny antitra, tsiky vontom-paharesena
 Fahagorahan’olo-miaina."

Efa nandalo fiainana maro ireo antitra. Abaribarin'ny tsikiny ny tsy fahafaham-po. Tsipalotra eny imolony ny fahosana. Milaza fahaverezam-panantenana ny tsikiny. Ny fahalemeny rehetra, hita eny amin'ny tsikin'ny antitra.

Fahazarana sisa ny tsikin'ny antitra.
Manambara i Lydiary ao amin'ny andalana roa farany amin'ny aingany hoe:

"Nolazoin’ny ady ela ka tonga tsiky matro-mavo
 Tsy mamoaka aina intsony."

Tsy vokatry ny fony intsony ny tsiky misoratra eny an-tavan'ireo nahazo taona. Maro sesehena ireo dian-tsedra nolalovany ka tsy andairan'ny tsiky madio tahaka ireo zaza intsony ny salovany. Tsiky tsy avy ao anaty intsony fa sarin-tsiky sady mandeha ho azy sisa. Miofo tanteraka ao anatin'ireo antitra ny famirapiratry ny tsikiny fahiny.

Fantatra ary fa tsy maneho ilay tena endrika anaty intsony ny tsikin'ny antitra. Tsy mifidy taona kosa ny tsikin'ireo voafitaka.

Maneho tsy fahatokisan-tena ny tsikin'ireo nofitahina. Manambara ny poeta fa: "imolotry ny voadona, tsiky feno fanahiana". Noho ny vesatra nahazo azy ireo tamin'ny famandrihana azy, miranty eny amin'ny tsikiny ny fahadisoam-panantenana. Sasatry ny miahiahy sy mitaintain-dava. Tazana eny imolony ny tsy fahatokisana. Mipoitra eny an-tavan'izy ireo ny fikorontanan-tsainy.

Mitory fankahalana feno ny tsikin'ireo voafitaka.Tsipihin'ny mpanoratra mazava tsara ny hoe "Fandrabiana, lotom-po, eso, valifaty koa". Tazana eny amin'ny molony sy ny endriny manontolo ny haniriany mafy ny fahavoazan'izay nanisy ratsy azy. Abaribarin'ny tsikiny ny toe-po te hamotika, te handrava. Tsy manafina ny eritreritra maloto ny tsiky eny imolotra.

 *
* *

Eto am-pamaranana, nasongadin'ity tononkalo ity fa samy manana ny hevi-miafiny ny tsikin'ny tsirairay. Andriambavilanitry ny haisoratra mahafehy zava-kanto i Lydiary. Hainy nampita tamin'ny soratra tena mambabo ny fihetsika kely mifono zava-dalina eo amin'ny fiarahamonina. Mampita hafatra amin'ny mpamaky, tsy ho sodokan'ny endrika ivelany izy eto. Hery lehibe ho an'ny namana raha ampiasaina hamalifaliana ny tsiky eo imolotra.

Date de dernière mise à jour : 04/02/2024