Créer un site internet

Fandalinana tononkalo

Jean-Pierre Haga, poetan'ny rariny
Toetra Ràja - 31/01/2024

NY RARIN'I JEAN-PIERRE HAGA

Poeta mpandinika fiarahamonina i Jean-Pierre Haga ary mpaneho ny tsy rariny amin'ny alalan'ny tononkalony sy ny tononkirany. Iray amin'izany ity andininy iray ity, notsongaina tao amin'ny tononkira "Misy" nivoaka tao amin'ny Youtube ny 03 Jolay 2012. Miavaka anefa ny fanehoany izany eto satria ny rariny mifanohitra amin'ny olan'ny fiarahamonina no arentirentiny. Aseho eo am-piandohana aloha ny endriky ny rariny azo avy amin'ny fitantanana. Miteraka vokatra miabo eo amin'ny fiarahamonina izany araka ny ho hita ao amin'ny fizarana faharoa.

 *
*  *

Ny rariny avy amin'ny fahaiza-mitantana

Ny fahafahana maneho hevitra an-kalalahana no ambaran'ny tononkira ato amin'ny "misy vava tsy azo hidiana". Anisan'ny singa mampivoatra ny fiarahamonina izany noho izy manamontsana ny ahiahy amin'ny alalan'ny fifampidinihana. Mampitony ny rehetra koa ny fifampiresahana ka mampihena na manafoana mihitsy ny herisetra araka ny voalazany hoe: "misy Emmo nat tsy milako". Tsy misy ohatra ny hevitra mazava sy imaso mba hialana amin'ny feon-gitara mikampentsona any an-damosin'izay olona ifandirana. Izany feo izany angamba no irin'i Jean-Pierre Haga amin'ny hoe: "misy gitara tsy manako" na tsy hankadilo sofina fa ampiasaina amin'ny fomba hafa mitera-bokatsoa.

Vokatra miabo ateraky ny fitantanana mirindra


Rehefa mitony ny fiarahamonina dia hiova ny fiainana. Ho tonga saina ny vahoaka ka hifanaja. Ireo zatra manao lalan-dririnina, hiova toetra ka ho tanteraka ny hoe: "Misy mpamily Taxi-be tsy mibahana arabe". Ohatra miharihary iainan'ny besinimaro amin'ny andavanandro izany. Mbola andavanandrony koa ny olana eny amin'ny fitsarana izay anisan'ny anton'ny kizo mandifotra ny firenena ary tsy mety ahitam-bahaolana: "misy mpitsara tsy azo vidina". Tsy ny mpitsara ihany anefa no sodoka amin'ny kolikoly fa ny sehatra maro dia maro eto amin'ny firenena.

 *
*  *


Poeta mpandinika sy mpanindrom-paingotra manoloana ny tsy rariny eo amin'ny fiarahamonina i Jean-Pierre Haga. Midadasika amin'ny sehatra maro ny fanehoan-keviny. Misokatra amin'ny rehetra izy araka ny voalazan'ny vadiny ao amin'ny sorapiainany hoe: "... Mora mifandray tamin'ny olona izy, ka na polisy na dahalo, resahiny avokoa...". Io ilay vava tsy azo hidiana mba hisian'ny tena ady amin'ny tsy rariny nimatimatesan'i Jean-Pierre Haga.

_______
"Misy mpamily Taxi-Be
 tsy mibahana arabe,
 misy vava tsy azo hidiana,
 misy mpitsara tsy azo vidina,
 misy gitara tsy manako
 misy Emmo Nat tsy milako"
                Jean-Pierre Haga

Date de dernière mise à jour : 01/02/2024

×