Créer un site internet
Kalon'ny Ntaolo, tononkalon'i Fredy Rajaofera
Felana Radoniaina - 22/03/2024

KALON'NY NTAOLO

Teraka tamin'ny 22 Martsa 1902 i Fredy Rajaofera, 122 taona anio. Mpanoratra izy, mpanao gazety ary akademisiana koa. Asa raha fantatrao fa misy lalana iray mitondra ny anarany eto Antananarivo an-tampon-tanàna, Lalana Fredy Rajaofera, ao Faravohitra Ambondrona.

Mampanembona ny fiainana anilan'ireo havana aman-tsakaiza ny fahalaviran-toerana. Miresadresaka momba izany ny tononkalo nosoratan'i Fredy Rajaofera hoe KALON'NY NTAOLO, nalaina tao amin'ny Lahatsoratra voafantina takelaka 93-94.  Ny andininy fahadimy no andeha hohalalinintsika ao anatin'ny  fizarana 3. Iza ilay manembona? Inona ny vokatry ny fahalavirana? Inona ilay fahatapahan-kevitra hiverina hody?

***

 Iza ilay manembona?

Soritin'i Fredy Rajaofera eo amin'ny andalana voalohany sy faharoa fa "vahiny tsy zatra tany" izy ka "manembona tsy tamana". Eny tokoa, maro ireo antony mahatonga antsika ho mpivahiny any amin'ny toerana samihafa. Noho ny asa, andraikitra, sy ny maro tsy ho voatanisa. Rehefa any amin'ireny tanàna lavitra havana aman-tsakaiza ireny isika dia mahatsiaro fahabangana, banga an'ireo tapaka sy namana, banga an'ireo havana fa zary lasa manirery hany ka tsy tamana. 

Inona ny vokatry ny fahalavirana?

Lasa misy vokany ara-pihetseham-po eo amintsika izany fahalavirana izany. Mijery ny manodidina isika ka manjary mitamberina ao an-tsaina hoe irery isika, ka mety hampirotsaka tomany izany. Indrindra moa fa raha ilay takariva mena-masoandro iny, arahin-tso-drivotra malefaka izay! Tsy mahagaga raha milaza i Fredy Rajaofera hoe "Izay rehetra taza-maso mampirotsaka tomany"

Inona ilay fahatapahan-kevitra hiverina hody?

Hody! Hody! Hody! Tsy andry intsony ny ora hodiana satria "aretin'ny olo-manina" ilay manjo ka "tsy sitrana raha tsy mody". Asa re! Vita ihany ve anefa izay natao? Tontosa ihany ve ny anton-dia? Fa raha izao hanina izao, tsy tamana ela fa roso ny dia. Mangata-dalana hody izy fa tsy tamana. "Avelao hanainga roy, fa izany no fanafody". Izany no mitranga rehefa manin-te hody. Vantany vao vita izay asa na andraikitra natao dia ny fodiana no masaka an-tsaina.  

***

Azontsika rehetra sary an-tsaina ilay tantara e? Efa saika niaina izany irery an-tanin'olona izany isika ka azontsika tsara ny tao an-tsain'ilay mpanoratra rehefa namboraka io aingam-panahiny io.
Fa aleo aloha vitaina kosa izay anton-dia vao mamonjy ny akany e, na mamy aza ny mody. 

KALON'NY NTAOLO
(eo amin'ny takariva mahamanina)
Andininy fahadimy

Manembona tsy tamana aho, fa vahiny tsy zatra tany,
Izay rehetra taza-maso mampirotsaka tomany,
Aretin'ny olo-manina ny ahy, tsy sitrana raha tsy mody,
Avelao aho hanainga roy, fa izany no fanafody.

Fredy Rajaofera
Lahatsoratra voafantina takelaka 93-94

Date de dernière mise à jour : 17/03/2024