Créer un site internet

Fandalinana tononkalo

Lolo Rajohns : oty voninkazo
Toetra Ràja - 29/01/2024

OTY VONINKAZON'I LOLO RAJOHNS


Sarotiny amin'ny fandalana ny tenin-drazany i Lolo Rajohns, ilay poeta sady mpitsikera literera no mpamaky lay teo amin'ny fomba fanoratana tononkalo. Na mpakafy poeta vahiny samihafa fiaviana aza izy dia nifikitra sy nanasoa ny teniny. Taratra amin'ny asasorany izany ka anisany ity "Ny fiteny malagasy" ity, nosoratany tamin'ny 1972, nalaina tao amin'ny bokiny "Ny aingam-panahy vaovao, Ny rindran-kira ho anao", tak 53. Heveriny fa tokony ho vao mainka mampiroborobo ny fitiavana ny teniny ny fampiasana ny teny vahiny. Hofaritana aloha fa mampitombo hatsarana ny teniny ny fahaizana ny an’ny hafa, mialoha ny hanasongadinana fa mampitombo aina ny an’ny tena izany.

 *
*  *

Teny vahiny : mampitombo hatsarana ny an'ny tena


Oharin'i Lolo Rajohns amin'ny voninkazo ny teny. Anisan'ireo mpioty izany any amin'ny tanin'ny hafa firenena izy, araka ny voalazany hoe "Koa raha mioty ny voninkazon'ny tany hafa izahay". Izany fankafizana ny an'ny hafa izany, miseho amin'ny alalan'ny fiotazana, no vao mainka mampitombo ny fandalana ny an'ny tena: "Moa tsy vao mainka mampitombo hatsarana". Izay mety ho fanalavirana no vao mainka mampirongatra ny herin'ny fahasarotam-piaro hiverina sy hifikitra amin'ny an'ny tena: "Ry fiteny saro-piaro". Toa vao mainka mantsy mampitombo fatra ny hetahetan'ny hakantony, ny hamaminy ary ny hanitry ny voninkazon'ny tena mandritra ny fotoana somary mahalavi-maso azy. Ho tsapa tokoa, araka izany, fa ireny mamy sy mamerovero any an-kafa ireny dia miseho amin'ny endrika miavaka ao anatin'ny voninkazon'ny tena ka mampite-hamelona aina.

Teny vahiny : mampitombo aina ny an'ny tena

Miteraka fikarakarana sy fikolokoloana azy ny fankafizana teny iray, toy ny fanao amin'ny voninkazo ihany : "Sy mampitombo aina anao indray?". Ao ohatra ny fianarana azy toy ny fanaon'ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka. Eo ihany koa ny fampiasana azy, ny famelomana azy ao anatin'ny andalan-teny mirindra sy milanto toy ny tononkalo sy ny tononkira. Ireo mpiaro ny teny malagasy sy ny tanindrazana dia mahavatra mihataka amin'ny fanimbazimbana azy toy ny fandisoan-tsipelina, fanononana azy amin'ny tsindrim-peo vahiny, ny fanatsofohana voambolana vahiny eny antsefatsefany. Manana adidy lehibe ho fiarovana ny teniny mantsy isika mpandova amin'ny hoe "Ry fitenin-drazako". Rehefa milaza i lolo Rajohns hoe "Ry fiteny saro-piaro" dia heverina ho eo amin'ny roa tonta, ny teny sy ny mpandova, izany fahasarotam-piaro izany.

*

*  *
Tsy any an-kafa ihany no misy ny mamy fa ao amin'ny tena koa. Mpankafy ny poezia vahiny anefa i Lolo Rajohns toy ny an'ny poeta indiana Rabindranath Tagore, Babâ-Feghâni poeta persiana, Charles Baudelaire poeta frantsay. Heveriny fa ny fandalana ny tenin'ny hafa no vao mainka ankafizana ny an'ny tena izay lova sarobidy ka tokony hahasaro-piaro sy hokolokoloina. Tamin'ny 1972 no nanoratana ny tononkalo izay kihon-dalana lehibe nirosoana tamin'ny fanagasiana. Taloha lavitra izay anefa dia efa poeta namaky lay i Lolo Rajohns tamin'ny alalan'ny fanavaozana ny poezia malagasy izay ezaka niarahany tamin-dry J.-J. Rabearivelo, C. Rajoelisolo, Ny Avana ary i Dox..., mpiara-mioty voninkazo, an'ny taniny sy an'ny hafa.

__________________________
"NY FITENY MALAGASY
 
Koa raha mioty ny voninkazon'ny tany hafa izahay
 Moa tsy vao mainka mampitombo hatsarana
 Sy mampitombo aina anao indray?
 Ry fitenin-drazako
 Ry fiteny saro-piaro"

Lolo Rajohns,
In Ny aingam-panahy vaovao, Ny rindran-kira ho anao, 1972, tak 53

Date de dernière mise à jour : 02/03/2024