Créer un site internet

Ny Avana 133 taona

Fandalinana poeta

Ny Avana 133 taona
Toetra Ràja - 26/02/2024

Ny Avana 133 taona

26/02/1891 - 26/02/2024

Mitsingerina anio ny faha-133 taona nahaterahan'i Ny Avana Ramanantoanina, poeta, mpanoratra mpitolona nisotro ny aleoko maty tamin'ny raharaha V.V.S. ka nanaovana azy sesitany tany Mayotte tamin'ny 1915. Maro namana izy fa eo amin'ny literatiora dia singanina ireo niara-dia taminy nandritra ny fironan-tsaina "Mitady ny very" toa an-dry Charles Rajoelisolo, J.-J. Rabearivelo, Stella (Edouard Andrianjafitrimo). Voalaza fa teny an-tranony teny Ifaravohitra mihitsy aza no nanaovana ny fivoriana mahakasika izany. Nifanerasera taminy koa i Dox namany akaiky. Tsy mahasakana ireto mpandala poezia sy mpitovy firehana ireto ny elanelan-taona 22 nanasaraka azy roalahy. Ontsa indrindra mantsy i Dox tamin'ny andro nahafatesan'ity namany ity ka ary nahavarany namorona tononkalo saika niainga "tanteraka" tamin'ny tononkalo nampalaza an'i Ny Avana. Diniho tsara àry ireto tononkalo roa ireto: "Vazon'ny lavitra" sy "Miana-fingadona mahaontsa".

VAZON'NY LAVITRA

Iry tendrombohitra tomandavana,
Soa malomaloka mavamavana;
Topazo maso fa raha tazanina;
Manerinerina mahamanina!
Izay tsy ho manina, ho'aho,mandainga,
Fa olon-te hody, ka te hanainga!

(...)

Itony aviavy tomarotaroka
Maha te hipetra hialokaloka
Tsy mba arovana tsy ambenana,
Kinanjo hatonina itombenana,
Ny maso mijoy toa patrakala,
Ka vao tafatombina dia miala!

Ny Avana Ramanantoanina
__________

MIANA-FINGADONA MAHAONTSA

Ry tendrombohitra tomandavana,
Nankaiza indrisy, nankaiza ny Avana
Nahamavamavana ny endrikao...
Resin'ny Alina ka nandao?
Ny vodilanitra dia misaona.
Indreny ny rahona fa mimaona!

(...)

Ry aviavy tomarotaroka,
Lasa ny taratra k'indro aloka
Mahaoriory no aminao...
Nahoana ny Avana no nandao?
Ny maso mijohy toa patrak'ala.
Indro ny alina hamalala!

Dox


Manasa anao koa hanjohy ny sorapiainan'i Ny Avana



Date de dernière mise à jour : 25/02/2024