Créer un site internet

Om Gui sy ny fitiavana...

Fandalinan'i Faniry Ezeckiel 10/01/2024

Akademia - Fanandratana an-dRanoe
Faniry Ezeckiel - 10/01/2024

Om Gui sy ny fitiavana...

"Fa ny olona tia dia ny mahay miaraka
 Miaraka anaty fahasamihafana
 (...)
 Mahay tsy misaraka."

Poeta tena nahay niaina izany fitiavana izany i Om-Gui. Taratra amin'ireo korisam-peniny mandona fo, mamaky ny am-po tsy miloaka, hany ka mahatety ny vanimpotoanan'ny tsirairay ireo hafatra navelany.

Raha io sombin-tononkalony io no andrangitana kely ny fanahy dia mifono zava-dalina. Iaraha-manaiky fa samy hafa tokoa ny olombelona ary raha tomorina akaiky, io tsy fitoviana io mihitsy no ifamenoany... Mitory ny tena fitiavana ara-boajanahary i Om-Gui. Manasongadina izy fa tsy natao ho efitra hanasaraka ny fo mifangia ny elanelana tsy mampitovy ny olombelona. Raha itarina kely ny maha izy azy ara-batana, ara- tsaina, ara-panahy, mandrafitra ny toetran'ny tsirairay ireo fahasamihafana toa tiany hasongadina. Natao hampifameno sy hifanabeazana ny tsara sy ny fahalemen'ny hafa fa tsy natao hifankahalana. Ny olona tena tia, araka izany, dia mahay mandrindra sy mifampizara ary mikatsaka izay hahakanto ilay silany manoloana izany rehetra izany.

Farany, "Mahay tsy misaraka", ny olona tena tia hoy ity poeta ity.

Na inona na inona antony, tsy misy mahita fahasambarana anaty fisarahana; voajanahary ny fiombonana. Porofom-pitiavana lehibe ny tsy fandaozana sy ny tsy famelana ho irery ny hafa, indrindra ao anatin'ny lalan-tsarotra sy sedram-piaianana. Araka ny efa nambarany rahateo fa tsy  mamporisika olona hisaraka mihitsy ireo tononkirany.

Raha atao bango tokana, ny olona tena tia dia eo foana na amin'ny mora na amin'ny sarotra; tsy mandao na oviana na oviana. Misarika ny mpiara-belona aminy hiaina ny tena fitiavana marina i Om-Gui, tsy hamono ny hasin'ny fitiavana noho ny tombotsoa na tanjona manokana.

Mbola tanteraka sy iainana ankehitriny ary maro mpankafy ireo soratra navelan'i Om-Gui. Izy no lasa fa ny fitiavana izay nampihira azy mbola tavela foana mitety ny vanimpotoana.

_____________________
Sorapiainan'i Om-Gui

Date de dernière mise à jour : 11/01/2024

×