Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

27 Mey 2015

 

Hain-teny noraketin'ny Lisin'Ambohimanga an-tsoratra, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala

 

Eny ho'aho ry fo mitoloko any ho any...
Fafao hisinda ny ranomasom-pamoizam-po,
Ka raiso ny mosaran'ny fanantenana,
Fa na lavitra aza aho,
Ny tiana kosa tsy mahalavi-tany...
Tsy vato manampin-tsofina aho akory
Ka hinia tsy hierika @ antson'ny olon-tiana.
Sendran'ny tsy nampoizina aho sombinaiko
Ka nisinda mbola mahatsiahy,
Ary tojo ny ankason'ny tsy tia.
Ka nandao ny farihy mahazatra.
Ka noho izany, ialako tsiny,
Fa tsy ny toetranao akory no tsy mendrika...
Anatra ho anao izany, sombinaiko,
Ary fahasambarana koa fa lavo nahay niarina.
Solafaka nitandrim-pamindra.
Ary potraka nahatsiaro nijoro...
Amena!No apetrako farany,
Ka mahareta, ndriamatoa,
Fa diamondra mitoha-bolamena isika
Ka raha sarahina tsy hanjary rojo.

 

Ny Lisin'Ambohimanga.

 

Ny hain-teny no razamben'ny pôezia malagasy. Lahabolana teto Imerina izy io, izany hoe literatiora am-bava fony mbola tsy nisy ny soratra. Amin'ny maha literatiora azy dia misy fanakantoana ao, azo atao tsara izany ny manadihady ny lafiny kanto amin'izy ireny. Ity hain-teny iray ity no hohadihadiantsika manaraka eto. Tsy misy lohateny izy fa ny lisin'Ambohimanga no nandrakitra azy an-tsoratra ho fantatry ny taranaka aty aoriana. Mirakitra fampaherezana izy, natao ho an'ny olona izay tena malahelo tanteraka noho ny fandaozana azy vokatry ny sotasota sy ny hetraketraka tsy ampoizina. Inona avy ireo singa azo jerena hamaritana fa kanto ity lahabolana ity? Voalohany, sarin-teny; faharoa, filalaovana fehezanteny; fahatelo sady farany, kantom-pisainana.

 

SARIN-TENY

 Raha ny eo amin'ny sarin-teny dia fanovana endri-javatra no tena hita ato: "Nandao ny farihy mahazatra", andalana  11. Angamba tsy farihy no nilaozana teto fa olona, entiny ilazana anefa fa na dia mbola tsy te hiala aza izy dia tsy maintsy nandeha, izany hoe mbola tamana izy, eo no efa "mahazatra" azy.

 Misy ihany koa ny tamberin-teny "sombinaiko", samy am-paran'andalana  izy, eo amin'ny andalana  faha 8 sy faha 14 no misy azy. Izany no naverina indroa mba hanehoana fa mbola tiana ilay olona nilaozana noho ny ankasomparan'ny tsy tia sy ny hetraketraka tsy nampoizina maro isan-karazany.


FILALAOVANA FEHEZANTENY
 
 Raha eo amin'ny filalaovana fehezanteny indray dia ao ireo fehezanteny maromaro mitovy rafitra sy mitovy vahana, ohatra ny andalana  faha 16 sy faha 17: "solafaka nitandrim-pamindra".
 "Potraka nahatsiaro nijoro". Ireo fehezanteny roa ireo dia mampahery ilay olona mamoy fo mba hitandrim-pamindra sy hahay hiarina rehefa lavo indray mandeha fa tsy hivary lavo.

Eo ihany koa ny fampiasana fehezanteny antanatohatra. Dia mbola ny ohatra tetsy aloha ihany no ahitana izany: "solafaka nitandrim-pamindra, potraka nahatsiaro nijoro". Izany hoe solafaka aloha, avy eo mitandrina tsy ho solafaka fanindroany intsony. Na koa hoe potraka aloha, avy eo mahalala miarina ka mijoro tsara amin'izay.


KANTOM-PISAINANA

 Raha ny kantom-pisainana indray dia filaza masaka no taratra voalohany eto: "fafao hisinda ny ranomasom-pamoizam-po", andalana 2. Entiny maneho fa alahelo tena lalina no niteraka ilay ranomaso dia nampiasainy ny teny hoe "famoizam-po" ilay izy, mba hanamafisana ihany koa fa mafy ilay toe-javatra iainan'ilay mpandray anjara eto.

Eo ihany koa ny "apologie", izany hoe misy lafiny môraly satria ahitana fampiasana ohabolana: "ny tiana kosa tsy mahalavi-tany" - andalana 5. Entina mampiditra ao amin'ny toe-tsain'ny olona fa tokony tsy hatao hahasatra ny ho any amin'ny tiana dia nampiasa ohabolana izy.

Ahitana fanalefahan-kevitra (euphémisme) ihany koa eto. Ny andalana 13, "fa tsy ny toetranao akory no tsy mendrika", dia entina milaza hoe: tsara toetra ianao, mendrika ny toetranao. Dia io no nilazany azy mba tsy ho fandokafana be fahatany, indrindra moa fa ny tena handao. Raha mahatsapa ihany mantsy hoe tsara toetra dia tokony tsy handao ka naleony niteny hoe tsy ny toetran'ilay olona no tsy mendrika fa izay no tsy maintsy natao.

Raha fintinina izany, ny hain-teny dia mitovy amin'ny tononkalo ihany, ny iavahany amin'ny tononkalo fotsiny dia izy tsisy rimany fa mba ahitana sarin-teny ihany koa toy ny fanovana endri-javatra sy tamberin-teny izay hita teto.
 Misy ihany koa ny filalaovana fehezanteny, ny kantom-pisainana, izy ireo dia tsy maneho ny vontoaty voarakitra ao anatin'ilay lahabolana avokoa. Raha izay ary no fandinihana azo natao tamin'izy ity dia mba ahoana kosa indray ny amin'ireo hain-teny hafa?

Ratsimbazafy Heriarilala
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021