Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

10 martsa 2017

FAMAKAFAKANA NY TONONKALON'I GPR MOMBA NY VEHIVAVY


Ry Ambany lanitra rehetra mandre,
henoy ity filazako azy ange!
fa violeta an-jaridaina
ny vehivavy ka aza avela ho maina.

Tiavo izy fa nahitana masoandro
sy nanome fitia tontolon'ny andro.
Tsy iza tsy akory fa i Neny nifonosana,
nilanja anao, sivy volana namonosana.

Tsarovy ry lehilahy ny voady natao
teo amin'ny Alitara fa aza mandao
satria adidy sy haja ilay vady,
mpanohana ny tena raha latsaka an-kady.

Tiavo ry tovolahy iny olona iny
karakarao sy kolokoloy toa mpivahiny
fa na ho tamana izy na koa ho lasa
hajao ry tovolahy! Mahareta, miandrasa!

Io anabavy io ange rahalahy
ka misy fo sy saina toa an'ialahy.
Tsy maintsy tody amin-dranabavy
raha toa ka misaina tsy hanaja vehivavy!

Ny vehivavy ange ka feno hamamiana
mpanome safosafo tiana dia tiana.
Raha tojo an'ilay tsy nety natao!
Mandraisa adidy fa aza mandao!

GPR (Gilbert Penseur Rasolofomanana)



 
 
 
 

Ny vehivavy hono? Fanaka malemy, fanararaotana, fampiharana herisetra... Indraindray dia izany tokoa no iheveran'ny lehilahy sasany ny vehivavy hany ka tsy mba tanteraka amin'izy ireo ny fanajana sy fitiavana. Eto amin'ity tononkalo nosoratan'i GPR (Gilbert Penseur Rasolofomanana) ity anefa dia mifanohitra amin'izay indrindra ny fahatsapany ny toetra tokony hasetry ny vehivavy. Inona loatra no mety ho antony?

Ho famaliana ny fanontaniana dia hojerentsika mialoha ny anjara toerana tanan'ny vehivavy hita ato anatin'ny tononkalo, avy eo ny toetra mampiavaka ny vehivavy ary hamaranana azy ny fomba enti-maneho izany fanajana sy fitiavana izany.

 
***

 

Voalohany, raha ity tononkalo ity no jerena dia hita ao ny anjara toeran'ny Reny. Hoy indrindra i GPR eo amin'ny andalana 7 hoe: "tsy iza tsy akory fa i Neny nifonosana". Izany hoe mby ao an-tsaina i Neny rehefa miresaka vehivavy, ary eo ihany koa ny mafy rehetra niaretany.

Manaraka izany indray dia ny vehivavy eo amin'ny toeran'ny vady no resahiny: "satria adidy sy haja ilay vady" (adl 11). Raha ny lalàna voajanahary tokoa mantsy dia ny vehivavy no ravaky ny tokantrano. Mampiavaka ny toerany iny, tsy tokony hazerany amin'olon-kafa, ary tsy tokony hahamenatra azy ihany koa satria "haja", izany hoe voninahitra, tokony ho rehareha.

Tsy ny vady ihany anefa no lazaina eto ho mendri-panajana fa na ny olon-tiana ihany koa aza raha mamaky tsara ny andininy fahefatra isika: "tiavo ry tovolahy iny olona iny!". Tovolahy no iantefan'ny baiko, izany hoe tsy mbola andefimandriny iny olona iny amin'ny maha mpitovo azy fa mbola olon-tiany ihany. Ny fampahoriana azy iny anefa dia mety hahitan-tody amin'ny anabavin'ny tena. Hoy ny andininy fahadimy hoe: " tsy maintsy ho tody amin-dRanabavy raha toa misaina tsy hanaja vehivavy."

Inona indray ary ireo mampiavaka ny vehivavy?

"fa violeta an-jaridaina" hoy ny andalana fahatelo. Izany hoe toy ny voninkazo ny vehivavy, tompon'ny hatsarana. Noho izany tsy tokony havela ho maina fa mendrika fikarakarana hatrany mba tsy ho simba ka ho fahafinaretan'ny maso fotsiny. Ny voninkazo rahateo moa dia sady manana endrika no manana hanitra, hany ka mahatehotia.

Ankoatra ny endrika ivelany anefa dia loharano nipoirana ny vehivavy: "nahitana masoandro" (adl 2), "nifonosana" (adl 3), ary niaritra nandritra ny sivy volana. Rariny raha tokony hankatoavina satria raha tsy nisy vehivavy dia tsy nisy nahalala izao niainany izao akory.

Ny vehivavy ihany koa no "mpanohana ny tena raha latsaka an-kady" (adl 12). Izany hoe raha tojo zava-tsarotra ny andefimandriny, tsy izy vehivavy no handatsa azy na sanatria mainka koa hanakivy fa hampahery sy hampitraka hatrany. Noho izany toetrany manokana izany dia mendrika hotiavina izy.

Ahoana ary ny fomba enti-maneho izany?

Raha vady ny vehivavy dia ezahina tsy hadinoina, sainina ombieny ilay fifanekena natao tany am-piangonana dia ny hitia sy hanaja hatrany. Hoy indrindra i GPR eo amin'ny andininy fahatelo manao hoe: "tsarovy ry lehilahy ny voady natao teo amin'ny Alitara fa aza mandao". Voady natao teo ihany koa ny hiara-hiaina mandra-pahafaty. Tsy tokony hitsoaka an-daharana izany ny lehilahy rehefa misy tsy ifanarahana fa mariky ny fanajana ny fanatanterahana ny teny nomena izany.

Ho an'ny mpifankatia indray kosa, tsy tokony ho maimaika hanimbasimba ny olon-tiany ny tovolahy fa tokony hiandry hatrany ny fotoana mahamety izany. Hoy ny mpanoratra hentitra dia hentitra eo amin'ny andalana faha 16: "hajao ry tovolahy, mahareta, miandrasa!"

Ary raha tena sendra ny tsy nampoizina anefa tsy tokony hamela irery ny mafy ho eo amin'ny vehivavy. Izay no namaranan'ny mpanoratra azy hoe: "raha tojo an'ilay tsy nety natao, mandraisa adidy, fa aza manao."


 
***

 

Raha fintinina dia toa ny maha izy azy ny vehivavy manontolo no voareasaka ato. Ny anjara toerany dia voatanisan'ny mpanoratra avokoa. Ny toetra iavahany dia nasongadina fa tsy mba mamela irery izy raha tojo ny sarotra, mpanohana hatrany. Misy anefa ireo lehilahy izay sahy mandao azy rehefa sendra ny kihon-dalana tsy ampoizina. Izany anefa dia mety hisy valiny araka ilay fitenenana hoe "ny tody tsy misy fa ny atao no miverina".
Raha manaraka tsara ny hafatry ny mpanoratra isika dia hanana fiainana "tanteraka" ny lehilahy sy vehivavy mahay mifanaja. Ny tena marina aza dia ho tafita ny firenena rehefa foana ny fifandirana lava. Misy hotsakotsakoina mandritra ny taona ity tononkalo ity ho fanampin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny 8 marsa 2017 teo.

Famakafakana: Heriarilala Andriamamonjy

     

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com