Rô Andriamaneva, mpisolovavan'ny mpitrongy

Fandalinana tononkalo

Rô Andriamaneva mpisolovavan'ny mpitrongy
Fandalinan'i Toetra Ràja - 21/01/2024

RÔ ANDRIAMANEVA MPISOLOVAVAN'NY MPITRONGY

Iaraha-mahalala fa mihamahantra andro aman'alina ny Malagasy maro? Mihalalina hatrany ny hantsana manasaraka ny ory sy ny manana. Taratra ato amin'ity andinin-tononkalon'i Rô Andriamaneva ity izany, notsongaina tao amin'ny "Satria nasondrotry ny vintana?", nosoratany tamin'ny taona 1975. Hofaritana aloha ny fomba fanehoan'ity poeta mpisolovavan'ny mpitrongy ity ny halalin'ny fahoriana. Rehefa izany dia hasongadina ny fiavosan-karenan'ireo mpanana manoloana izany.

*
* *

HALALIN'NY FAHORIANA


Eny am-piandohana dia misarika ny mason'ny mpamaky i Rô Andriamaneva hijery ka hahatsapa ny olana amin'ny hoe "Jereo anie...". Toy ny manambara izany fa tsy mba misy mpijery izy ireo fa tranga efa mahazatra ihany ny tolona. Mitolona amin'ny fiainana tokoa izy ireo; ohatra vitsivitsy no noraisina eto. Ao aloha ny boto izay "zazalahy kely... Mpiasa an-trano fanirakiraka sy mpanao raharaha, mazàna voasisi-kevitra fanambaniana" hoy ny Rakibolana. Miharihary eny an-tsena ka itafiany henatra anefa izany maha boto azy izany: "Jereo anie 'reo boto an-tsena". Ny borizano indray dia "mpitondra posy sy filanjana ary mpitaona entana". Ambonin'izay, tsy ny kisoa koa ve moa no mitrongy tany amin'ny alalan'ny molony sy nifiny vao homana? "Borizano sy mpitrongy". Faran'izay mahantra fadiranovana araka izany izy ireo ary tsy manan-tsafidy fa manaiky ny onjam-piainana araka ny voalaza hoe "Nefa tsy afaka midongy". Mitokona noho ny tsy fahafaha-manatanteraka intsony no hevitry ny midongy. Manampy trotraka ny porofon'izay fara-fahantrana izay koa ity voalaza ity:

"Ny anio tadiavina, zahana
 Tsimponina eny an-jaoridira."

Tafahoatra izany amin'ny maha olombelona azy ireo. Handroso ve ny firenena raha toa ka "mameno firenena" izy ireo? Ilana mpisolovavan'ny fiainana izany mba hitaonana ny fiarahamonina hijery ifotony ary hiantsoantso hoe "Ny hafa anefa...".

FIAVOSAN-KARENAN'NY HAFA

"Ny hafa anefa mikorana" : fampitahana tranga roa mifanipaka izany. Tsy isalasalana fa itangoronan-java-tsoa ireo olona ery an-kilany ireo ka mitobatoba amin'ny korana. Hafaliana iarahana mizara ny korana. Mazava ho azy fa koranan'ny samy mpanana no resaka eto ary mety arahina fandaniana aza raha zohina ny hoe "Sy fantatra mikirakira". Manasarasaraka zava-mitambatra no hevitry ny "mikirakira". Mikirakira vola eto ny mpanana hahafahany mitsinjara ny saran'ny karazam-pilibana. Manamafy ny fitobahana ny fanehoana ny refin'ny fotoana sy ny habetsahan'ny fandaniam-bola hoe:
 
"Isan’andro, isan’alina
 Vola an’hetsiny, aman’alina"

Taona 1975 no nanoratana an'ity tononkalo ity. "Satria nasondrotry ny vintana" ihany ve ireo mpanana tamin'izany sa mety ho efa nasondrotry ny tsy fahamarinana?

 *
* *

Mikatsaka fatratra ny fahamarinana ny Malagasy hatry ny ela noho ny tsy fitovian-tsaranga amin'ny lafiny maro. Ny tsy fifandanjan'ny fari-piainana no resaka eto amin'ity tononkalo ity. Etsy andaniny ireo boto an-tsena, borizano, mpitrongy. Etsy ankilany ireo mpikorana sy mpikirakira. Lalina ny hantsana manasaraka. Raha hitsambikina amin'ny vanim-potoana ankehitriny indray dia mety hisy tranga efa nilaozan'ny toetr'andro no voambara tao. Tsy anio intsony no itadiavana ny hanina anio fa ny ampitso. Ny vola "an'hetsiny" nokirakirain'ny mpanana tamin'ny taona 1975 dia efa sarotra isaina ankehitriny satria mbola nisanda ariary folo ny farantsa frantsay iray tamin'izany. Tsy ampy intsony ankehitriny ny fanomezana rariny ny vintana, entina hanazavana ny tsy fitovian-tsaranga.

Poeta mitolona i Rô Andriamaneva ary tsapa ho mpisolovavan'ireo mpitrongy ka iharan'ny hetraketraka sy fanaporetana. Mety ho noho izy niantsoroka ny asana mpitandrina angamba no nahatonga izany na noho ny antony hafa mety ho taratrao ao amin'ny sorapiainany.

__________________________________________
SATRIA NASONDROTRY NY VINTANA ?

Jereo anie 'reo boto an-tsena
Borizano sy mpitrongy
Fa mameno firenena
Nefa tsy afaka midongy
Ny anio tadiavina, zahana
Tsimponina eny an-jaoridira.
Ny hafa anefa mikorana
Sy fantatra mikirakira
Isan’andro, isan’alina
Vola an’hetsiny, aman’alina
Satria nasondrotry ny vintana?

Rô Andriamaneva
30 Oktobra 1975
Satria nasondrotry ny vitana? Andininy voalohany

Date de dernière mise à jour : 02/03/2024

×