Créer un site internet

Tsarovy — Ny Avana

Fandalinana tononkalo

Tsarovy — Ny Avana Ramanantoanina
Felana Radoniaina - 05/03/2024

Tsarovy — Ny Avana

05 Martsa 1940 - 05 Martsa 2024

Andro manan-danja ho an' i Ny Avana Ramanantoanina anio, tsingerin-taona faha-84 nahafatesany, eny fa na dia mahazatra kokoa aza ny fanamarihana tsingerim-pahaterahana. Raha manoratra ny tantarany ny olona iray mandritra ny fahavelomany dia ahatsiarovana azy izany amin'ny fotoana fahafatesany ary mbola mitohy ao aoriana toy izao atao etoana izao.

Anarana tsy zovina amin'ny maro intsony izany Ny Avana Ramanantoanina izany.
Diboka hafaliana ny fianakaviana tao Ambatofotsy Avaradrano tao ny  26 Febroary 1891 fa teraka i Ny Avana Ramanantoanina. Nahavita ny hazakazakany kosa izy ny 05 Martsa 1940. Efa nanoratra tantara teto amin'ny Nosy anefa izy nandritra ny fahavelomany, indrindra nanomboka teo amin'ny faha-16 taonany izay nisantarany korisam-penina famborahana ny aingam-panahiny. Mpanoratra nanana ny lazany izy teo amin'ny literatiora malagasy ary namokatra sangan'asa maro toy ny tononkalo, tantara, sombintantara... Gasy Kely sy Ny Avana no anarana nentiny amin'ny maha mpanoratra azy. Isan'ireo voasokajy ho pôeta zokiny izy.

(...)

Pôeta mandinika i Ny Avana raha ny asasoratra izay nataony no halalinina. Hohadihadiana ilay tononkalony hoe "TSAROVY" izay nosoratany fony izy natao sesitany tany Kaomoro, ka hanavahana ny andininy faharoa. Rehefa avy nanoritsoritra ny zava-misy eo amin'ny fiainana an-tany izy, eo amin'ny andininy voalohany, dia namaritra ny fihetsika roa mety hasetrin'ny olona an'izany, eo amin'ny andininy faharoa.

"Ny ketraka mora mivarina
 Miroraka, tonga kanosa
 Ny potraka nefa tafarina
 Ireny ka "olona" kosa."
***

Fihetsika voalohany

Manoloana ny olana atrehina isan'andro dia ao ireo karazana olona izay "ketraka" hoy i Ny Avana. Mora "mivarina" izy ireny. Fahita tokoa ankehitriny ireo tsy mahay miatrika olana ka milofika, kivy, milavo lefona, eny, "miroraka" tokoa ka tsy tafarina mihitsy. Zary isan'andro mantsy ary misesy ny sedra atrehina ka mila tsy ho zakan'ny olona ketraka.

Fihetsika faharoa

Misy indray ireo karazana olona na dia "potraka" aza eo anatrehan'ny olana mianjady aminy, dia tafarina ihany izy ireny: mitraka, miarina ary vonona hiatrika izay ho tohin'ny fiainana. Nantsoin'ilay poeta hoe "olona" izy ireny. Tena olona tokoa satria vonona ny hiatrika sy hisetra zava-tsarotra ary mibanjina foana ny hoavy fa tsy mijanona eo amin'iny toerana nahalavoana iny intsony.

***

Tsara sy mampisaina ity tononkalo ity. Zovy tokoa moa no tsy ho lavo? Zovy no tsy miaina anaty fiakarana sy fidinana?  Herezo àry ny dia! Mahaiza miatrika! Enga anie isika ka tena ho "olona". Ho tafarina na dia potraka aza indraindray.

Manasa anao koa hanjohy ny sorapiainan'i Ny Avana






Date de dernière mise à jour : 25/02/2024