Haredona ny Ajima

Lahatsoratra - 30/03/2023

Haredona aty Vakinankaratra ny Ajima
Lahatsoratr'i Faniry Ezeckiel - 30/03/2023

Haredona aty Vakinankaratra ny Ajima

Tsy mikely soroka amin'ny fanapariahana ny kantony amin'ireo mpankafy ny mpanoratra. Hankalaza ny herintaona nijoroana sady hamarana ny volan'ny pôezia ny Faribolana Sandratra sampana Betafo.

Hotontosaina ny sabotsy 01 Aprily 2023 ho avy izao ao amin'ny efitrano malalaky ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Vakinankatra (Akon'ankaratra, Piste Vatofotsy) ny hetsika ho fanamarihana an'ireo voalaza ireo. Hanomboka amin'ny roa ora ny fotoana ary nampisalorana ny hoe AJIMA ity seho miavaka ity.

Tiana ny manamarika fa ny teny hoe Ajima dia entina ilazana zava-mahagaga tsy fahita firy. Ary ho araka izay anarany izay ihany koa ny kendren'ireo mpiantsehatra rehetra amin'izany hetsika izany. Ny teny manentana amin'izany dia ny hoe: "Tsy ny teny manandra-tena fa ny tena manandra-teny."

Hiantsa tononkalo miavaka mandritra io fotoana io ireo fito mianadahy nanodina voalohany ny Faribolana Sandratra sampana Betafo: Lamz, Faniry Ezeckiel, Ny Avo Elabakaka, Tsiky Sesehena, Ni Avatsa, Fo Mitahiry Fitia ary i Patrick Teddy (mpanao slam) ravahana fampahafantarana vitsivitsy mikasika azy ireo. Horesahina ihany koa ireo tantara nanamarika ny Faribolana Sandratra Betafo.

Ankoatra izay dia horaisina mpiraifaribolana Sandratra ireo sakaizan'ny Sandratra niara-nanodina tamin'ireo namany tanaty fotoana voafetra. Hahazo tombony manokana koa ireo mpankafy handray anjara amin'ny lalao miendrika fifaninanana hahazoana boky amin'io sabotsy io. Nijoro tamin'ny 30 Martsa 2022 ny Faribolana Sandratra Betafo fa hankalazaina amin'io 01 Aprily io ny hetsika hanamarihana izany. Tsara ho fantatra fa eo ambany fiahian'ny fitaleavam-paritry ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Vakinankaratra ity seho miavaka ity.

Porofo mivainga amin'ny firoboroboan'ny literatiora ny fisian'ny hetsika isan-karazany any amin'ny faritra tahaka izao.

Haredona aty Vakinankaratra ny Ajima / Lahatsoratra | Pôetawebs (webador.fr)


Date de dernière mise à jour : 13/12/2023