Créer un site internet

Korisam-penin'ny Poeta - 2024

Poetawebs - 02/01/2024

Korisam-penin'ny poeta 2024
Poetawebs - 02/01/2024

Korisam-penin'ny Poeta - 2024

"Fiombonana" no lohahevitra atolotry ny tranonkala Poetawebs ho fiarahabana antsika nahatratra izao taom-baovao 2024 izao. Sarobidy loatra izany teny izany ka arentirenty noho izy tiana hanjaka eo amin'ny fiarahamonina. Matoa mantsy mikororosy fahana ny firenena iray dia zavatra hafa mihitsy no manjaka ao aminy. "Fiarahana manao, fiarahana manana" no namaritan-dRajemisa-Raolison (1985) azy. Misy singa iray tena mifamatotra aminy anefa hoy i Solotiana Nirhy-Lanto amin'ny hoe: "Ny Fiombonana dia mifamatotra amin'ny Fitiavana". Toky ho an'ny mpifankatia ny fiombonam-pitia. Toky ho an'ny mpiara-monina ny fiombonam-pifaliana na ny fiombonam-pahoriana arakaraka ny zava-miseho eo amin'ny fiainana. Koa fototry ny fiainana mirindra mitondra fivoarana sy filaminana ny FIOMBONANA raha hampiharina fa tsy imolotra fotsiny. Miombon-kevitra aminy Ny Malodohasaha amin'ny hoe "Ilaina ny fiombonam-po, fiombonan-tsaina, ny fiombonam-panahy ialana amin'ny otri-po isan-karazany". Anisan'ny otri-po tsy takona afenina ny fitiavan-tena, fiankohofana amin'ny vola sy voninahitra, fialonana... izay mampivahavaha ny fifandraisantsika olombelona samy olombelona ka mety handrotika ny fihavanana. Ny fampanantenana politika, ny fanabeazana ara-pinoana, ny fandalana ny soatoavina, ny firaisankinan'ny mpianakavy... ireo rehetra ireo, na mitambatra aza, dia tsy ampy hahavanona raha tsy ombam-piombonana araka ny andinin-tenin'i Tsikimilamina Rakotomavo hoe:

"Ombon-tsoa omban'ny tsara
 Mahavanona... any am-para!!!"

Vokatsoa ateraky ny fiombonana mantsy ny saina miara-mihevitra, ny fo miara-mitepo izay mitonda mankany amin'ny firaisan-tanjona fikatsahana ny SOA IOMBONANA izay fototry ny fahombiazan'ny fiarahamonina misy antsika ary  mahavanona ny taranaka handimby.

Mitaky fivelarana izao vanim-potoana mampihitsoka ny firenena ao anaty kizo lalina izao fa tsy fotoanan'ny fiforetana anaty intsony araka ny hevitr'i Toetra Ràja hoe: "Aza mikombona, 'ndao re hiombona mba tsy hanjombona!" Tsy tokony hokobonina ao am-po tsy miloaka intsony ny alahelo, hetaheta, risi-po fa tsara iaraha-mandinika mitondra mankany amin'ny vahaolana eken'ny rehetra. Tokony ho voalohany amin'izany ny poeta amin'ny alalan'ny fiombonany, izy samy poeta ary koa izy sy ny mpiara-belona, izay antoky ny fiatahana amin'ny fahajombonan'ny fiarahamonina. "Miara-mita ho tafita ao anaty fiombonana" hoy i Léa Fandresena. Mirobo-drano ho eny an-dafindrano ny mita. Ny mita be anefa tsy lanin'ny mamba. Na anaty olana sy sedra mahamay, na anaty fahoriana na aretina ihany koa, dia mora kokoa ny miatrika izany rehefa miaraka mamaha izany ny rehetra fa tsy irery an-tanin'olona akory. Ilaina araka izany ny fisainana vaovao araka ny fahitan'i Doda Razafindravelo azy hoe: “Aoka ianao ho ainga vao, hampiray ny taninao.” Na inona mantsy hery mikasa hanakorontana dia aoka hijoro foana haneho firaisankina sy hampifandray ny rehetra. Manamafy izany firaisankina izany i Faniry Ezeckiel: "Malagasy iray tsy mivaky isika, manam-panahy iatrehana ny zotram-piainana." Ny firaisam-pon'ny tsirairay no antoky ny fahombiazana, tsy misy mahazo tombony ao anaty fizarazarana. Misafotofoto ny andavanandrom-piainana fa ny fiombonana no lalana iray mankany amin'ny fandresena. Ny fanahy no olona, fahendrena ny miray hina, mifampiaro ho amin'ny tombotsoa iraisana, fitiavan-tanindrazana lehibe izany.

Fotoana ho an'ny poeta izao hanehoana izay fitiavan-tanindrazana izay mba tsy ho sendoatra amin'ny lohahevitra fanariana dia sy fampifalifaliana ihany. Ilain'ny fiarahamonina ny teny filamatra mipololotra avy amin'ny poeta izay tsy fahita firy intsony ankehitriny. Tsapan'i Ny Hasina Ratsimbazafy izay fahabangana izay ka niantefan'ny faniriany hoe: "Ho poeta miombona amin'ny tanindrazany sy ho an'ny tanindrazany". Ny fiombonan'ny poeta amin'ny tontolon'ny razany, amin'ny taranaky ny razany, amin'ny tany sy vakoka ary haren-tsaina navelan'ny razany no fototra mampitsiry ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ny samy poeta. Miampita sy manabe ny fiarahamonina izy ireny, ka mahatonga azy ireo ho tia sy ho saro-piaro ary hikolokolo mandrakariva ireny zava-tsoa eo amin'ny taniny ireny. Ho filamatra amin'izay fiombonan-tsaina amin'ny tanindrazana sy ho an'ny tanindrazana izay anie ny poeta malagasy. Ny poeta koa anefa manana an'izay zava-tsoa izay ao aminy dia ny talenta. Mila fiiraisankina ny fikolokoloana azy hoy i Felana Radoniaina: "Andao isika hiombona hanatsara ny talenta". Mariky ny firaisan-tsaina ny fiombonana. Rehefa miray hina, miray saina, miaraka manao zavatra ny olona roa na maromaro dia miharihary kokoa ny hatsaran'ny vokatra azo. Andao hokoloina ny talentantsika ka hiombona isika hanatsara izany.

Anisan'izay fiombonana izay ny fahita any amin'ireo fikambanana poeta sy mpanoratra toy ny Poetawebs. Na dia lavitra aza ny lalana dia misy ny dingana vita ka tokony hotandrovina sy hakana lesona araka ny tsapa ato amin'ity andinin-tenin'i Heriarilala Andriamamonjy ity:

"Ny fiombonantsika no nahatontosa izany dia,
 Amin'ny taona rehetra sisa mbola hitohy ny tahaka ity!"

Misy "dia" iarahantsika manatontosa eo amin'ny tontolon'ny literatiora malagasy. Tsy vitako irery, tsy vitanao irery ny fampandrosoana ny kanto malagasy ka antenaina hatrany fa mbola hitohy ny fiarahantsika mamakivaky ny lalana tsy maintsy hodiavina ao anatin'izany.

Araka izany, irariana ny maha "poeta miombona" sady "poeta mampiombona" ny fiarahamonina antsika, amin'ny alalan'ny soratra voarindra sy mafonja ary mendrika ny ho filamatra sy ho voaraikitra imolotry ny rehetra.

Poetawebs

Date de dernière mise à jour : 16/03/2024