Créer un site internet

Mampiaraka in-35

Vaovaon'ny Faribolana Sandratra

Mampiaraka iin-35
Toetra Ràja - 22/02/2024

MAMPIARAKA IN-35

Folo andro tao aorian'ny fetin'ny mpifankatia, mbola manakoako ao am-pon'ny maro ny ontam-pifaliana sy ny hetaheta naterany. Hifamotoana eny amin'ny CGM Analakely ireo fatra-pitady ny tanteraka rahampitso 24 Febroary 2024, amin'ny 3 ora tolakandro. Hiaina ireo tononkalon'ny poetan'ny Faribolana Sandratra tafiditra ao anatina amboara iray izy ireo,  toy ny an'ny mpanoratra efa nodimandry, mpamorona ny Faribolana Sandratra ary ny mpiraifaribolana ankehitriny... Fito mianadahy no hampiaina izany rehetra izany ka ao anatiny ireo sady hiantsa ny azy no hampianoka ny an'ny hafa.

Iniana tsy hisy anarana tanisaina mialoha eto satria tsy misy mampiontana toy ny fitiavana manampoka hono. Ny azo lazaina mialoha angamba dia harevaka ny endri-tsehatra satria resa-pitiavana iarahana mizara no harentirenty, fitiavana amin'ny endrika maro loko izay laroina hira ka hahafahan'ny mpiantsa sy ny mpianoka mampiaraka in-35 marina.

Date de dernière mise à jour : 22/02/2024

×