Créer un site internet

Mampiaraka in-35

Tatitra antsa tononkalo

Mampiaraka in-35
Toetra Ràja - 28/02/2024

MAMPIARAKA IN-35

Nidorehitra avy hatrany ny sehatra raha vantany vao natolotr'i Kanto Fitahiana ny mpijery ireo mpamelona ny antsa tononkalo sy ny mahakasika ny hetsika. Nanomboka teo dia narevaka avokoa izay hita sy jinery : fitafy jaky mena nomban-doko mainty mivady taminy, nentina nanehoana ny hay fampiarahana ny tena lokon'ny fitiavana. Izany no tamin'ny 3 oran'ny C.G.M. (Cercle Germano Malgache) Analakely tamin'io 24 Febroary io.

Tononkalom-pitiavana ranoiray

"Mampiaraka in-35" izy ireo, mampiaraka teny an-tsehatra... mampiaraka amin'ireo mpianoka miontanontam-po nateraky ny fampiainana ny antsa tononkalo miisa 32 niangalian-dry Meva, Kalo Fanomezana, Lova Santatra, Liantsoa, Kirieka Mikara, Ny Vatsy, Arielatra. Nanampy azy ireo teny an-tsehatra i Vahela Osiar sy Tolotra Mampionona. Noelanelanina hira ireo andian-tononkalo 10 mahery ary nifandimby intelo niatoana. Tsongaina manokana tao anatin'ny lisitry ny poeta ny efa nodimandry, Lydiary, tamin'ny "Vazo moana", niangalian'i Liantsoa. Mpanorina ny fikambanana toa azy koa i Nalisoa Ravalitera, nanoratra ny "Kobaka am-bavam-pitia" ary nantsain'i Meva. Novelomin'i Lova Santatra ny "Fitia tsisy hosoka" an'i Tana Miranty.

Fahaizana miaraka

Noporofoin'ireo Mpiraifaribolana Sandratra ny fahaizana miaraka, fahaizana mampiaraka ary fahaizana misehatra satria nifarimbonan'izy ireo avokoa ny fikarakarana manontolo hatramin'ny pitsopitsony madinika indrindra. Tao ohatra ny mpandrindra hazavana (Tolotra Mampionona Ravonandriana), ny nampiaina tamin'ny mozika lafika (tarika Ny Kanto Fy Iainana) izay mpiraifaribolana Sandratra rahateo no mpitarika azy (Tana Miranty) ary mbola ry zareo koa no nanolotra ny fotoana. Tao ihany koa ny mpaka sary voky traikefa (Mina Ilarion), ny mpikirakira vata marobokotra (Olivier sy Ramahateotia), ny mpandrindra teknika (Olivier sy Mampandriniaina Manitra)... Nanatontosa horonam-peo nampiasaina teny an-tsehatra i Mampandriniaina. Ramahateotia kosa no mpandrindra sehatra ary ireo mpiraifaribolana Sandratra no nandrindra ny hetsika tamin'ny ankapobeny. Izany rehetra izany, miampy an'izay tsy voatonona, no vokatry ny firaisan-kina azo tahafin'ireo fikambanana hafa maniry hanandratra avo ny literatiora malagasy.

Boky "Mampiaraka in-35"

Tafavoaka soa aman-tsara tamin'io fotoana io ny boky "Mampiaraka in-35" izay navadibadiky ny mpianoka sahady nandritra ny fotoana. Ny edisiona Faribolana Sandratra no namolavola an'izany amboara fahatsiarovana izany. Ao anatin'ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroan'ny Faribolana Sandratra ity hetsika ity izay hitohy mandritra ny taona. Nanome voninahitra ny fotoana ny Filoha lefitry ny Akademiam-pirenena sady mpanorina rahateo. Mankasitraka an'i Mina Ilarion nanolotra ny sary ho an'ny Poetawebs. Mankatelina an'i Lova Santatra nanampy tamin'ny lahatsoratra.



Tolotra Mampionona sy Lova Santatra

Meva sy Kalo Fanomezana


Kirieka Mikara



Arielatra sy Lova Santatra



Meva, Kalo Fanomezana, Arielatra, Lova Santatra




Date de dernière mise à jour : 28/02/2024