LohatenyMiara-mirona r'Ikala Saramba
Toetra Ràja - 16/03/2024

Miara-mirona r'Ikala Saramba

Niavaka ny velakevitra teny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ny alarobia 13 Martsa teo satria niendrika tohan-kevitra fanao amin'ireny tezy ireny no sady nolaroina antsa tononkalo koa. Teny an-databatry ny mpanao velakevitra i Tsirinala sy Nirihaja ary Soambinintsoa, vehivavy telo tamin'ireo efa nandray anjara tamin'ny antsa Saramba Mikalo izay nanaovana andiany efatra : 1994, 2014, 2019, 2022. Tao anatin'ireo Saramba ihany koa ireo nanampy tamin'ny fanazavana, fanolorana ary antsa tononkalo : Elinivo, Ratsifa, Haingohaja ary Lova Santatra. Ireo tononkalo nantsaina sy nampiasaina tamin'ny tohan-kevitra koa dia mbola notsongaina tao anatin'ireo boky navoakan'ny Saramba Mikalo tao anatin'ireo andiany efatra ireo.

Fanolorana


Nanolotra ny fotoana Ratsifa ary niantsa tononkalo momba ny vehivavy niaraka tamin'i Elinivo. Tao anatin'izay fampidirana izay ihany no nanazavan'i Soambinintsoa ny hevitry ny "Miara-mirona r'Ikala Saramba" ka nanasongadinany ny hevitry ny "saramba", "mirona" ary ny namoronan'i Lydiary an'izany antsa izany izay zary lasa tsangambato ankehitriny.


Velakevitra


Niroso tamin'ny velakevitra ny rehetra avy eo izay nahitana fizarana telo:

- Vehivavy soritr'avana
- Hambo sy oitra
- Lalina sy malina


Ao amin'ny "Vehivavy soritr'avana" no namelabelarana ny maha be fitiavana ny vehivavy eo anivon'ny ankohonana (ny maha reny sy vady mahafoy tena, miharitra, tokam-po, mizara tsy miandry tambiny), eo amin'ny finamanana (ny maha olon'ny fitiava-namana, fifandraisana, fihavanana, be fofon'aina), ary eo amin'ny tontolo manodidina izay nanehoana azy toy ny avana amin'ny tandrifin-drahona sy erikerika ka mampifandray havana rehefa miposaka indray ny masoandro. Mpampihavana ny vehivavy ary mandefitra sy manana halemem-panahy. Tia mamela izy na dia sarotra aza ny lalana nolalovany ka hainy araka izany ny mandanjalanja ny fatra asetra ny fahasarotana. Na izany aza anefa dia mety hitroatra ihany izy manoloana ny sangy mihoatra ny loha.

Ao amin'ny "Hambo sy oitra" indray no nanazavan'i Tsirinala fa miandrandra ho avy tsara kokoa noho ny androany ny vehivavy ary vonona ny hioitra manoloana ny sarotra. Niompana tamin'ny fanantenana hahafahana miala ao anatin'izay mety ho fijaliana na jioga manjo i Nirihaja. Namelabelatra ny safidy sy asa mifandraika amin'ilay safidy i Soambinintsoa.

Tsiambaratelo no andeha handikana ny "Lalina sy malina" izay iainan'ny vehivavy. Tia mitahiry sy manakobona izany ho azy irery izy. Asehony amin'ny asa kanto izany.

Anisan'ny nampiasaina tamin'ny tohan-kevitra ny tononkalon'ireto poeta ireto : Lydiary, Malalatiana Hasina, Tolotra Arinandriana, Nirindra Rafalimanana, Laingotsiky, Hanitra Olive, Martelle Nath, Gazela Meva, Tiavina, Kalo Fanomezana, Niravo, Hanjahariliva, Elinivo, Ratsifa, Aro, Arielatra, Faniry Hantarinivo Andriakoto, Haingohaja, Nirihaja, Soambinintsoa, Tsirinala ary i Lova Santatra. Nanotrona ny fotoana i Ranoe, filoha nasionalin'ny Faribolana Sandratra.

Na dia lava kanefa nahaliana ny rehetra ny velakevitra dia mbola nomena anjara fitenenana ny mpanatrika ho an'ny fifanakalozana. Isaoran'ny Poetawebs i Nirihaja sy Tsirinala ary Lova Santatra tamin'ny tahirin-kevitra sy fanazavana feno natolotra ho an'ny mpisera. Isaorana koa i Santatra Ramarozaka namatsy sary ho an'ity tatitra ity.

Tatitra : Toetra Ràja


Ratsifa

Haingohaja

Soambinintsoa

Tsirinala

Lova Santatra

Elinivo

Boky Saramba Mikalo 2014

Boky Saramba Mikalo 2019

Boky Saramba Mikalo 2022

Date de dernière mise à jour : 17/03/2024

×