| Lahatsoratra : Pôetawebs |
| Voasava ny Ivon’ny Teny Malagasy |
Nifamotoana tetsy amin'ny IKM Antsahavola tamin'ny ny 9 Novambra 2022 ireo mpanoratra sy mpandinika haisoratra. Namotopototra ireo fomba hahafahana mampivoatra ny literatiora izy ireo nandritra izany. Velakevitra mifameno no notontosain'ireo mpandinika efatra tamin'izany dia Hobiana AndrianimerinA, Rahezarisoa Sannie, Ratsimbazafy Heriarilala ary Ratobihasina Viviane. Ny pôeta Ravorombato Ony Lantoarimamy no nofidin’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko handrindra ny Savaivon’ny Teny Malagasy. Nisantaran’i
Hobiana AndrianimerinA ity hetsika ity ny tari-dalana amin’ny
fanoratana tononkalo ho an’izay tsy te hanoratsora-poana. Nifameno
tamin’izay ny velakevitra nentin-Rahezarisoa Sannie izay nifototra
tamin’ny kanto ao amin’ny tononkalo. Noporofoin’ireo mpikaroka ireo fa
talenta voajanahary azo hatevenina amin’ny fampianaran-tena ny
mamokatra sora-kanto. Na eo aza anefa ny haifanakantoana sy
haifiangaliana dia mandringa ihany izany raha toa ka tsy voafehy ny
fanoratana ny tenin-drazantsika. Noho izany indrindra dia
novelabelarin-dRatsimbazafy Heriarilala tamin’ny folakandro ny
endriky ny tsy fahafehezana ny teny malagasy izay mety hanimba ny
literatiora. Notanisain-dRatobihasina Viviane ireo hadisoam-panoratana
hita any anaty tsangan’asan’ny mpanoratra ankehitriny. Tsy nianina
tamin’ny fitanisana ireny diso sy tsy fahafehezana ireny fotsiny anefa
ny mpikaroka fa nanolotra ny tena fanoratra marina sady nandroso
vahaolana hialana amin’ny tsy fahaizana manoratra ny
tenim-pirenentsika. Anisan’izany ny fikirakirana rakibolana, famakiana
boky. Torohevitra nomeny mba hanovozana voambolana tena malagasy koa ny
fihainoana kalon’ny fahiny sy ny fandehanana matetika eny
ambanivohitra. Ireo sehatra ireo mantsy no anisan'ny mirakitra ny
hakanton'ny teny malagasy.Nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ireo mpikaroka 4 nandray anjara ireo ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ary nilaza fa mbola hanohy ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny teny malagasy hatrany. Nahasarika ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny soratra ny Savaivon’ny Teny Malagasy. Anisan’ny tonga nanome voninahitra izany ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Teny Malagasy eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriamifidy Harivelo Bakolalaina (sary ankavia), ny mpanoratra sady tompona trano famoaham-boky Johary Ravaloson, ny mpikaroka eo anivon’ny Foibe Momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy Fanja Razafimamonjy. Zava-dehibe ho an'ny fameloma-maso ny teny sy ny soratra ny takalo toy izao satria nahafahana nifandranitra talenta sy nifampizara izay hampahomby ireo sehatra voalaza teo. ![]() Izy efatra mianadahy mpanao velakevitra.
Miankavanana : Hobiana AndrianimerinA,
Rahezarisoa Sannie, Ratobihasina Viviane, Ratsimbazafy Heriarilala |
![]() |
| Miankavanana :
Feno Malala Rondro, Ravorombato Ony Lantoarimamy, Sitraka Feno
Tanteraka, Ratsimbazafy Heriarilala, Rahezarisoa Sannie, Fanja
Razafimamonjy |
![]() |
| Johary
Ravaloson |
![]() |
| Sary fahatsiarovana niarahana tamin'izy
efatra mianadahy mpanao velakevitra |
|
©
Pôetawebs
|






