Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

15 Febroary 2016

DIA HARY, HETSIKA TONONKALON'I DODA RAZAFINDRAVELO

Maro hono ny voninkazo fa ny raozy no fanolotry ny mpifankatia; maro hono ny firavaka fa ny peratra no be mpanolotra indrindra; ary maro ny vehivavy fa i DODA RAZAFINDRAVELO kosa no niavaka indrindra tamin'ny asabotsy 13 febroary teo, nanolotra antsika ny DIA HARY.

Tamin'ny 9 ora maraina iny indrindra no nanatanterahan-dRamatoa SAHOLY RAKOTONANAHARY ny teny fanolorana. I NAMBININTSOA Thierry, antsoina hoe "poezih", kosa no nanentana.

Fiantsana ny DIA HARY

Ny fikambanana "RIANKANTO AJA SY RAKEMBA" no nisahana ny fiantsana ireo tononkalo tao anatin'ny boky DIA HARY. Nisantatra izany i Tiakalo tamin'ny tononkalo mitondra ny lohatenin'ny boky. Niantsa koa i DODA Razafindravelo, Ando Harinjaka, Ragasy.

DIA HARY dia ahitana tononkalo miisa 30, natsangana ho teatra io andro io. Fanehoam-pitiavana no votoatiny ary mivelatra amin'ny sehatra maro toy ny finoana, ny maha-olona, ny tanindrazana fa indrindra ny fanabeazana. Tao anatin'izany fivelarany izany indrindra no nahafahana nanatsoaka hafatra mivaingana nampitaina dia ny hoe :

"Tompon'andraikitra amin'ny fiainanao ianao fa ny hafa mpanampy fotsiny; na mandresy ianao na lavo, ny vahaolana dia ny mametraka ny fiainana amin'Andriamanitra".



Fampirantiana

Taorian'izay no nirosoana ny famelabelarana ny fampirantiana ny tononkalon'i Doda Razafindravelo rehetra, izay hita ao amin'ny bokiny roa: "ASAN'NY FO" sy "DIA HARY".

Ny fafana moa dia nahitana ny tantaram-piainany manontolo toy ny fianakaviany, tapaka sy namany... Nanokanana fafana ihany koa ny fikambanana misy an'i Doda Razafindravelo, izay ampatsiahivina fa ny "RIANKANTO AJA SY RAKEMBA" sy ny "KORIRA KANTO NY HAISORATRA".

Fiantsana ny ASAN'NY FO

Rehefa izay dia niantsa ny tononkalon'i Doda ny KORIRA KANTO NY HAISORATRA.
Taorian'ny fiantsan'ny KORIRA dia niverina teny an-tsehatra i Tiakalo, nampian'i Onja Kanto, niantsa ny tononkalo tao amin'ny ASAN'NY FO.

Fizarana kanto

Nanomboka tamin'ny 12 ora sy sasany ny fizarana ny kanto izay nanehoan'ny mpanatrika ny talentany. Tao ireo fantatra fa ao anaty fikambanana toa ny avy tao amin'ny HAVATSA UPEM, FARIBOLANA SANDRATRA, TSANTA, ankoatra ireo fikambanana roa misy an'i DODA. Tao ihany koa ny HABAKY NY FANAHY. Ny DIAN-TANA MASOANDRO moa dia nametraka fialantsiny tamin'ny tsy fahafahany noho ny fotoana nifanandrify tamin'ny hetsika nomaniny. Na izany aza dia nisy tamin'izy ireo ihany no tsikaritra tao ny maraina.

Teny antsefantsefan'ny antsan'ny fikambanana no nahafahan'ny tsirairay naneho talenta. Nalalaka tokoa ny fotoana hany ka nahatratra teo amin'ny 156 izy ireo. Nisy ny efa havanana amin'ny fiantsana na efa mahavoaka boky. Tao koa ireo nanararaotra an'ity andro ity mba niatrehana ny sedran'ny fiakaran-tsehatra.

Izany rehetra izany dia noelanelanina tamin'ny hira sy mozika ary zava-maneno, niangalian'ny tapaka sy namana ihany.

Tamin'ny 5 ora sy sasany hariva no nifarana ny fotoana.

Tatitra : Léa Fandresena

Sary : Ma-Art Laza Mialihirantsoa 

Mpanatrika sy haingon-tsehatra
   
Doda sy Ando, teo ampiantsana Ireo anisan'ny niantsa
   
Ireo anisan'ny niantsa
   



Santionan'ny boky namidy
Sary voalohany hita teo ampidirana  
   
Fafan'ny Vondron'ny Korira Kanto ny Haisoratra Fafan'ny Riankanto Aja sy Rakemba
   
Doda sy  ny momba azy Asa soratra Onja Kanto anaty sahafa
   

 

 

 KORIRA mifanotrona

NAMBININTSOA Thierry, antsoina hoe "poezih"  

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 18/02/2016