Radialph poeta mikoragnina
Tsikimilamina Rakotomavo - 27/03/2024

RADIALF, Poeta mikoragnina

Nanakoako tao amin'ny Efitrano DOX tranombokim-pirenena ny 27 Martsa 2024 ny Folera, Very lakile, Fo tia mafy dôzy... Nihaona mivantana tamin'ireo mpankafy haisoratra mantsy i Radialf na RATSIATONDRIKA Dieudonné Alfred.

Havanana amin'ny famoronana tononkalo amin'ny fiteny betsimisaraka ity poeta avy any Vatomandry ity. Tafatafa mikasika ny fiainany sy ny famoronana tononkalo no nivohitra nandritra izany fotoana izany. Nasongadin'i Radialf fa "Ny mpanoratra dia mpitan-tsoratry ny aingam-panahy". Naharihariny koa fa "Ny mpanoratra no manamafy ny feon'ny aingam-panahy". Nofaritany fa "Ny mpanoratra no tsipi-panohizana eo amin'ny tontolo hita maso sy tsy hita maso".

Ankoatra ny tafa dia nampandray anjara famakiana tononkalo ireo mpianatra nanatrika ny fotoana i Radialf. Ny tranonkala Poetawebs dia mirary fahavitriham-pamoronana ho an'i Radialf indrindra amin'izao fotoana hanomanany ny famoahana amboaran-tononkalo izao.


















RADIALF eo anelanelan'ny Tale DPLM sy ny Tale DIC















notronin'ireo poeta namana

Date de dernière mise à jour : 07/04/2024