Lohateny
Faniry Ezeckiel - 19/03/2024

Avelo Nidor manambara ny Zara Fanahy

Maresaka ny Zara Fanahy andiany manokana amin'izao fankalazana ny faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra izao. Nitafatafa amin'ny tranonkala Poetawebs i Avelo Nidor, mpisorona afo mafana fo ao amin'ny Faribolana Sandratra sady anisan'ireo mpikarakara ity Zara Fanahy ity.

Faniry Ezeckiel
Miarahaba anao namana Avelo Nidor tonga mitafatafa indray eto amin'ny rindrin'ny Tranonkala Poetawebs.

Avelo Nidor
Miarahaba anao namana Faniry Ezeckiel, miarahaba ihany koa ny mpikambana rehetra ato amin'ny Poetawebs ary tsy hadino ihany koa ny miarahaba anareo rehetra mpanaraka ity Poetawebs ity.

Faniry Ezeckiel
Hafana ny Zara Fanahy amin'izao fankalazana ny faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra izao. Anisan'ireo mpikarakara ity andiany manokana ity ianao. Rahoviana ny ora sy fotoana hanatanterahana azy ity ary aiza no toerana?

Avelo Nidor
Eny hafana tokoa e, hihi... Tafiditra tanteraka ao anatin'ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra isika ary dia hatao miavaka tokoa ny Zara fanahy amin'ity izay tanterahintsika ao amin'ny CGM Analakely hatrany ny faha-23 ny volana martsa ho avy izao amin'ny telo ora tolaka andro.

Faniry Ezeckiel
Azonao itondrana fanazavana ve ny nanokanana ny anarany ho andiany manokana? Inona avy no ho hitan'ny mpijery amin'io ary inona no mampiavaka azy tamin'ny Zara Fanahy teo aloha ?

Avelo Nidor
Amin'ny maha andiany manokana azy dia noho izy entina hankalazana ny faha-35 taonan'ny faribolana ka natao miavaka tokoa satria dia ny Sandratra manerana ny Nosy no handray anjara amin'ity Zara Fanahy ity...  Manaraka izany dia soratra mbola tsy nivoaka avokoa no hitantsika holalaovin-dry zareo ao amin'io fotoana io.

Faniry Ezeckiel
Azo mba ampahatsiahivina kely amin'ireo mpiserantsika ve ny tantaran'ny Zara Fanahy sy ny Kolontsaina voizina ao anatiny?

Avelo Nidor
Raha ny niantombohan'ny Zara Fanahy no asian-teny dia tany amin'ny volana jolay 2011 tany ka Takalo Kalo no anarana noentiny aloha tamin'izany... Izy io dia vokatry ny fifanakalozana nisy teo amin'ny Madagaslam izay mpiangaly ny slam poésie sy ny Faribolana Sandratra tamin'izany fotoana... Teo no nivelatra sy nalalaka ny fomba fijery mba hanomezana sehatra ny vondrona hafa mpilalao teny hiara-hanandratra ny zava-kanto vita amin'ny teny miaraka aminay ao anatin'io Zara Fanahy io. Maro ireo vahiny efa nasainay tao raha tsy hiteny fotsiny ny tao amin'ny Havàtsa-Upem, Korikanton'ny Haisoratra sy ny sisa ary ny mpanoratra na poeta tsy anaty fikambanana. Ny kolontsaina dia hoe andao hifampizarana ny zava-mahasambatra anatintsika mpilalao teny na avy aiza izy na avy aiza fa rehefa manana revy mahasambatra azo zaraina ny mpankafy soratra dia raisinay an-tanan-droa. Ny taona 2012 izy io no nomena ny anarana hoe Zara Fanahy.

Faniry Ezeckiel
Mahaliana izany tantara sy lalana nodiaviny izany. Iza avy izany ireo mpandray anjara amin'ity andiany manokana ity? Hisy boky havoaka ve mandritra ny seho?

Avelo Nidor
17 miadahy izy ireo no hizara fanahy amintsika amin'ity andiany manokana ity, dia Nalih, Elinivo, Natiora, Ny Rohy, Fy Tsiky, Mioranandriana, Ny Arohy, Leo Eden, Ras Varatra, Tamberina, Faniry Ezeckiel, Radada, Racanid IRA..., Tsanta Mirindra, Rianando. Hisy tokoa araka izany ohatra ny mahazatra ny boky izay mirakitra ity Zara Fanahy andiany manokana ity.

Faniry Ezeckiel
Misy takila firy ity boky vaovao ity? Inona avy no ho hita ao ary aiza no hahitana azy aorian'ny Zara Fanahy ?

Avelo Nidor
Misy takila 120 ny boky ary ny soratr'izy 17 mianadahy no hita, soratra teraka avy any amin'ny faritra misy azy ireo tsirairay avy. Ao amin'ny CGM amin'io fotoana io ihany hatreto no ahitana azy.

Faniry Ezeckiel
Hafatra farany tianao hamafisina àry mialoha ity Zara Fanahy ity.

Avelo Nidor
Hafatra tiako hohamasina : mankalaza ny faha-35 taona ny Faribolana Sandratra amin'ity dia izay no antony maha andiany manokana ity Zara fànahy ity. Amin'ny herintaona kosa dia mandray ny Zara Fanahy faha-XIII mandimby ilay farany tamin'ny 2023 teo ny Zara Fanahy izay hiarahantsika amin'ny Faribolana Sandratra hatrany ary iarahana amin'ny namako Tahirintsoa.

Faniry Ezeckiel
Mankasitraka anao nitapatapakahitra teto amin'ny Tranonkala Poetawebs, mandra-pitafa indray .

Avelo Nidor
Mankasitraka anao ihany koa namana Faniry Ezeckiel ary mankasitraka ny mpikambana rehetra ato amin'ny Poetawebs. Mankasitraka antsika mpanaraka tsy tapaka ny rohy ihany koa. Mandra-pitafa indray o! Mirary soa manokana ho anareo namana rehetra mpiraifaribolana  amiko ary mankahery azy ireo fa mbola betsaka ny asa miandry ireo mpanoratra ireo amin'ity fankalazana ny faha-35 taonan'ny Faribolana ity. Saotra indrindra tompoko!

Date de dernière mise à jour : 19/03/2024

×