Créer un site internet

Hetsika faha-35 taona ny Faribolana Sandratra

Tapatapakahitr'i Faniry Ezeckiel sy Nirihaja

Faniry Ezeckiel - Nirihaja
Faniry Ezeckiel - 09/01/2024

Hetsika faha-35 taona ny Faribolana Sandratra

Manam-baovao goavana sy manan-danja lehibe eo amin'ny tantaran'ny literatiora ny Faribolana Sandratra.Tonga nitapatapakahitra, niresaka momba an'izany indrindra i Nirihaja, anisan'ireo efa nilomano ela tao amin'ny Faribolana Sandratra. Manasa antsika àry  hanjohy ny tafatafa nifanaovana taminy.

Faniry Ezeckiel
Miarahaba anao namana Nirihaja tonga mivahiny eto amin'ny efitranon'ny Tranonkala Poetawebs.

Nirihaja
 Sarasara tsy ambaka Faniry Ezeckiel. Sitraka indrindra ny fampiantranoana

Faniry Ezeckiel
Mankalaza ny faha-35 taona ny Faribolana Sandratra, anisan'ireo tompon'andraikitry ny fanomanana momba izany ianao. Azonao atsidika kely ve ny fifamatoranao sy ny Faribolana Sandratra?

Nirihaja
Tany amin’ny taona 1993 no niantombohan’ny fifamatorana teo amin’i Nirihaja sy ny Faribolana Sandratra. Volana Oktobra tamin’izay, mpikambana tsotra tao amin’ny Sokajy Teatra no nisy ahy tamin’izany na dia efa niaraka tamiko teny aza ny fankafizana manoratra. Dia nilona sy nihanahazo fahalalana teny vokatry ny fifandranitana tamin’ireo mpiraifaribolana sy ireo traikefa marobe azo tato ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany. Ny fanandratana ny Literatiora Malagasy amin’ny alalan’ny haivolana sy haisoratra no anisany mampifamatotra anay.

Fankalazana amin'ny fomba ofisialy

Faniry Ezeckiel
Efa maintimolalin'ny Faribolana Sandratra tokoa ianao raha izany tantara izany ary nitety fotoana maro. Rahoviana moa no daty hanokafana ity fankalazana ity amin'ny fomba ofisialy? Iza avy no handray anjara amin'izany ary inona avy no ho hita amin'io fotoana io?

Nirihaja
Amin’ny alakamisy faha-11 Janoary izao ny fanokafana ny fankalazana, izay daty niorenana ara-panjakana ny  FARIBOLANA SANDRATRA rahateo, atao ao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hanamarihana ny fankalazana dia hisy ny velakevitra mahakasika ny tantaran’ny FARIBOLANA SANDRATRA izay atolotr’ireo mpanorina sisa nanamboran’ny Faribolana Sandratra, ahitana an’i J. Nalisoa Ravalitera, Ilay, Niry Solosoa ary Ranöe, haingoin’ireo sary,  tononkalo sy hira nanamarika ireo 35 taona nisian’ny faribolana sandratra izay. Ho fantatra amin’io fotoana io koa ny tetiandro entina hankalaza ny jobily mandritra ny taona.

Faniry Ezeckiel
Hisy fahalalana maro azo rantovina amin'ny alakamisy araka izany. Ankoatra io hetsika io, mbola hisy seho hanamarihana izany ve amin'ity taona ity?  

Nirihaja
Eny, hisy fanamarihana foana mandritra ny taona toy ny fankalazana ny teny ibeazana, ny iray volan’ny poezia, ny iray volan’ny teny malagasy, ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teatra, ny fitetezana sekoly anaovana velakevitra literera sns. Misy ny fanamarihana izay iraisana amin’ireo sampana any amin’ny faritra (nasionaly) ary misy ny fanamarihana ataon’ny isan-tsampana ihany koa. 

Tsangambato

Faniry Ezeckiel
Ho ampoky ny hetsika fanamarihana io tsingerin-taona manan-tantara io tokoa ity taona ity. Hisy tsangambato hanamarihana ity taona sarobidy ity ve?

Nirihaja
Tena hisy tokoa. Hisy boky iraisan’ireo mpiraifaribolana izay kasaina hamaranana ny fankalazana ny faha-35 taona amin’ny volana Oktobra. Raha sitrapon’Andriamanitra dia hisy koa ireo mpikambana izay hotolorana mari-boninahitra amin’ny ivon’ny fankalazana amin’ny volana Jona.

Faniry Ezeckiel
Hafana ity fankalazana ity. Nanahoana ny lalana nodiavin'ny Faribolana Sandratra nandritra izay 35 taona izay? Misy sampana firy eo ho eo manerana ny Nosy ary firy eo ho eo ireo mpiraifaribolana ankehitriny?

Nirihaja
Raha teo amin’ny 8 teo ny isan’ireo mpikambana tany am-piandohana, ahitana an’i A.R.Ni, Elie Rajaonarison, Lydiary, Solofo José, CoCo (Gérard Rakotonirina), miampy iretsy voalaza etsy ambony izay saika mpampianatra avokoa, ka tsy sarotra tamin’izy ireo ny nampita ny fanilo tamin’ireo zoky taty aorianany. Ankehitriny, tsy latsaky ny 400 ny isan’ireo mpikambana  izay misandrahaka amin’ireo sampana miisa 24 manerana ny Nosy. Tsy tambo isaina ny boky sy ny hetsika novokarina nandritra izay 35 taona izay. Toy izany koa ny fanaovana velakevitra tamin’ny alalan’ny fitetezana sekoly. Ny Faribolana Sandratra koa dia mamokatra gazety literera mitondra ny lohateny hoe “Ambioka” hatramin’ny taona 2007. Tsy mitsahatra ny mikaroka ireo mpikambana entina maneho ireo asasorany amin’ny alalan’ny hai-famoronana, anisan’ireny ny sôvaramita, ny tôkalo, riankalo sns.

Faniry Ezeckiel
 Namela lova lehibe ho an'ny literatiora ny Faribolana Sandratra. Inona no tanjona tratrarina amin'izao ivon'ny fankalazana izao ary inona avy ireo vinavina hiatrehana ny 35 taona ho avy?

Nirihaja
Ny tanjona tratrarina dia ny hiroboroboan’ny literatiora malagasy bebe kokoa mba tsy ho faty manoloana ny fanatontoloana sy ny hampahafantatra misimisy kokoa ny Faribolana Sandratra. Anisan’ny tanjona ihany koa dia ny fampitiavana ireo tanorantsika tsy ankanavaka ny literatiora malagasy

Faniry Ezeckiel
Mampandroso ny firenena ny fitiavan'ny tanora ny literatiora. Misy fanampin-kafatra farany ve ho an'ireo mpanjohy antsika momba ilay hetsika amin'ny alakamisy izao?

Nirihaja
Andro iray toa zato io fotoana io, hahafahana mitafa mivantana amin’ireo mpanorina sy ireo mpiraifaribolana avy any amin’ny faritra. Hianohana ny tantaran’ny Faribolana Sandratra izay heverinay fa mety hahaliana ireo mpandalina sy mpikaroka ary ny mpianatra ankoatra ny mpankafy manokana.

Faniry Ezeckiel
Mankasitraka anao namana Nirihaja nitafatatafa teto ary mirary ny tsara indrindra ho an'ny Faribolana Sandratra.

Nirihaja
Manantitra ny fisaorana ny Poetawebs nampiantrano sy mirary soa.


Date de dernière mise à jour : 10/01/2024