Kelly Randria, poeta mahafoy

Tapatapakahitra

Kelly Randria, poeta mahafoy
Faniry Ezeckiel - 28/02/2024

KELLY RANDRIA, POETA MAHAFOY

Vahinin'ny Poetawebs i Kelly Randria, poeta avy any atsinanan'ny Nosy ary mpiraifaribolan'ny Sandratra. Mahafantatra an'i Faniry Ezeckiel Poetawebs izy satria mpiray donak'afo rahateo. Nifamotoana hitapatapakahitra izy ireo fa manan-baovao hozaraina amin'ny mpisera ity vahiny mahafoy ny fiainany ho an'ny literatiora ity.

Faniry Ezeckiel
Miarahaba an'i Kelly Randria ary faly mitafatafa aminao eto amin'ny efitranon'ny tranonkala Poetawebs.

Kelly Randria
 Miarahaba anao namana Faniry Ezeckiel! Miarahaba ireo mpanaraka ny pejin'ny tranonkala Poetawebs.

Faniry Ezeckiel
Azonao ampahafantarina an'ireo mpiserantsika ve hoe iza marina i Kelly Randria sy ny fiainany ny kanto?

Kelly Randria
RANDRIANKIJANA Joseph no tena anarako, fony fahakely sahabo ho 14 taona no namoaka ny talenta tamin'ny fanoratana tononkalo tany an-tsekoly. Nantsoin'ny fiarahamonina hanao tononkalo amin-kafaliana sy amin-karatsiana. Nahazo ny laharana voalohany tamin'ny fifaninanana slam 2007 tao Ambatondrazaka. Niditra ho mpiraifaribolana Sandratra ny taona 2012. Nanomboka teo ny fitankosenana tamin'ny Zokibe sy Zandribe isany mpanoratra sy poeta ary nitombo ny sehatra nivelaran'ny soratra vokatr'ilay serasera tao. Notoloran'ny Ministeran'ny Serasera sy Kolontsaina mari-boninahitra "Chevalier de l'ordre des Arts, Littératures et de la Culture" aho ny taona 2019 tany Fianarantsoa. Amiko dia fiainana mihitsy ny literatiora ary mikely soratra amin'ny fanapariahana ireo voatsinampikeliko.

Faniry Ezeckiel
Ankoatra ny filomanosana anaty tononkalo, inona avy ireo karazan-kanto iangalianao?

Kelly Randria
Ankoatra ny tononkalo ilomanosako io dia manoratra riankalo aho, ary efa misy angano maromaro mimpirina any am-bata any.

Faniry Ezeckiel
Iza no mpanoratra tena ankafizinao ary inona avy ireo boky efa mitahiry ireo sanganasanao?

Kelly Randria
 Mpanoratra tena ankafiziko i Randja ZANAMIHOATRA. Tsy mbola namoaka boky samirery aho fa ahitana ny soratro kosa ireto boky miisa fito (07) ireto : ZARAFANAHY andiany fahenina (2016), TOROHISATRA (2015), TANGERINA (2018), KALO SY SARY (2014), FY HIBOHANA (202O), KOROROKA (2022), ÔSIKALO (2023)

Faniry Ezeckiel
Manana tantara ifatorana ianao sy ny Faribolana Sandratra, mba zarao ho an'ny mpamaky hoe ny fiainanao ny literatiora miaraka amin'ny Faribolana Sandratra?

Kelly Randria
Nanomboka ny taona 2012 no nidirako ho Faribolana Sandratra. Folo taona mahery no naha Mpandrindra ny Sampana Amparafaravola ahy. Tsy mora izany fa ny zavatra tiana ahafoizana. Nahafoy fotoana, zavatra, vola,... Tsy hoe nahafinaritra fotsiny ilay mifampitankosina tao anaty Faribolana fa tena nahazoana aina mihitsy ilay tsikitsiky lava anatiny mifampizara soa sy hafaliana.

Faniry Ezeckiel
Manahoana ny fiainam-paribolana any Amparafaravola any? Inona avy ireo bainga efa voavadikareo any ?

Kelly Randria
Raha ny anay aty Amparafaravola aloha dia milamina ny fiainam-paribolana nandritra izay folo taona izay. Sekoly tsy latsaky ny enina isan-taona no voatsidika, izay marihina fa nisitraka ny soa sy hafaliana avokoa ireo mpianatra an'arivony isan-taona mihaona aminay. Mandray ireo ankizy vao misandratra izahay ao, ho sakaiza aloha, ary miankina amin'ny faharetany no handraisana azy ho mpikambana raikitra.

Faniry Ezeckiel
Amin'izao fankalazana ny faha-35 taonan'ny FARIBOLANA SANDRATRA izao, manam-baovao hafa ifampizarana ve ianao?

Kelly Randria
Ankehitriny dia mankalaza ny faha-35 taonany tokoa ny Faribolana Sandratra. Fotoan-dehibe homarihina amin'ny alalan'ny hetsika izany ka samy miezaka ny isan-tsampana manamarika izany. Ao anaty fahatanorana ilay taom-paribolana eto, izany hoe mbola ao anatin'ny heriny tsara amin'ny fanapariahana sy zavakanto an-tsoratra na am-boky na an-gazety na mitety vazan-tany. Ny foto-pisainana no fototry ny fivelaran'ny fikambanana dia ilay hoe : "Ny zoky manandratra ny zandry, ny zandry manasina ny zoky".

Faniry Ezeckiel
Ivimbino hafatra farany ary ireo mpanjohy antsika

Kelly Randria
Teny kely avy aty amiko dia ny hoe "Ny zavatra tiana ahafoizana. Tsy mahatsiaro fatiantoka mihitsy ny olona iray te hamoaka ny aingany. Mamy ery izany firahalahiana anaty faribolana izany. Aza maty ny aina, elà velona ny literatiora malagasy".
Farany, dia "boredika manasitrana nofo aman-tsaina irony tononkalo irony".

Faniry Ezeckiel
Mankasitraka anao nitapatapakahitra teto amin'ny Tranonkala Poetawebs, mirary ny soa sy ny tsara ho anao, mandra-pitafa indray namana Kelly Randria.

Date de dernière mise à jour : 28/02/2024