Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

19 marsa 2018

FIFI RAZAKARISON (MPIZAKA STERALIM)  - ROHIZO FITIA

Tsy zoviana amin'ny mpiseran'ny Pôetawebs ny MPIZAKA STELARIM satria efa nisy vitsivitsy tamin'ireo mpiombona ao aminy no efa nivahiny teto toa an'i Narilala Ravakinoro (15/10/2015), Rakotondranaivo Honore Dinah na Ny Antso (25/07/2015)... Hisy hetsika miavaka amin'ny mahazatra ataony amin'ity volana ity, anton'ny ivahinianan'i Fifi Razakarison, tomponandraikitra ao aminy, eto amintsika anio.

 

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao Fifi Razakarison tongasoa eto amin'ity efitry ny tapatapakahitra ity. Iza moa i Fifi Razakarison?

Fifi Razakarison
Faly miarahaba antsika mpankafy ny haisoratra. Misy tokoa ny hetsika ary efa tena antomotra. Izaho no tomponandraikitra voalohany ao anatin'ny MPIZAKA STELARIM na MPIangaly ZAvaKAnto Sampana TEny sy LAhabolana ary RIba Malagasy, Fidy Razakarison na fantatra amin'ny hoe Fifi Razakarison eo amin'ny kanto.

Léa Fandresena
Azo ampahatsiahivina anay ve ny mombamomba ny MPIZAKA STELARIM?

Fifi Razakarison
Ny MPIZAKA STELARIM dia niorina ara-panjakana nanomboka ny taona 2010 teo anivon'ny sampana Malagasy ety Ambohitsaina no misy ny toerany. Ireo mpianatra ety amin'ny Oniverisite no tena mivondrona ary tsy mifidy sampana. Afaka miditra ao ihany koa anefa ireo vonona hanandratra ny haisoratra malagasy. Teny filamatry ny MPIZAKA STELARIM ny hoe: kitro hifaharan'ny fandrosoan'ny firenena ny haisoratra. Efa namokatra mpahay kanto maro ny mpizaka, anisan'ireny i Narilala, Avelo Nidor, Nofy, Aina Miolampandry, Liantsoa... Ankehitriny kosa dia manodidina ny 20 eo ho eo izahay. Marihina fa tsy tononkalo ihany no voizinay fa rehefa zavakanto eto Madagasikara toy ny hira malagasy na anivon-tany na anindran-tany, ny tantara tsangana...


Léa Fandresena
Mahaliana tokoa izany fa tena manandratra ny maha malagasy amin'ny fomba rehetra ianareo. Raha te hiditra ao izany dia miresaka aminao? Inona avy ny fepetra?

Fifi Razakarison
Ny fidirana tsy dia hoe misy fepetra be fa takiana amin'ireo izay te hiditra kosa ny fitiavana ny zavakanto ankoatra izany, manana ny mari-pahaizana bakalôrea na tsy maintsy mandalo ny kilasy famaranana.

Léa Fandresena
Mazava tsara izany. Natsidika teny am-piandohana ny hetsika hataonareo amin'ity herinandro ity. Ahoana ny momba an'io?

Fifi Razakarison
Misy tokoa ny hetsika izay karakarainay. Mitondra ny lohateny hoe ROHIZO FITIA. Etsy amin'ny Cemdlac ny 21 martsa 2018 ho avy izao manomboka amin'ny 2 ora sy sasany. Hetsika tafiditra indrindra amin'ny fankalazana ny iray volan'ny poezia. Antsan-tononkalo sy tantara fohy no hoentina ao amin'io ary andraisan-dry Fanojo, Riana Fitiavana, Loufhika RJ, Tahina, Mamiratra, Fifi Razakarison... anjara, ary eo koa ireo vahiny nasaina, anisan'ireny i Fotopisaina, Aja, Elysah Mbolatiana. Haharitra adin'ny roa latsaka eo ny hetsika ary tsy hisy ny sandam-pidirana.

Léa Fandresena
Araka ny lohatenin'ny hetsika dia liana avy hatrany hoe resaka fitiavana ranoiray ve noho hita ao? Hisy ve ny boky amidy amin'io fotoana io?

Fifi Razakarison

Mianjaika ny fitiavana avokoa izay atao rehetra ao amin'ny "Rohizo fitia" na ny hira na ny antsan-tononkalo na ny tantara fohy. Dia mbola tsy tratra ny fandraketana anaty boky aloha hatreto fa misy kosa ireo fampirantiana ireo sangan'asan'ireo mpanoratra sy poeta ato amin'ny Mpizaka izay efa nivoaka. Ary afaka mividy ihany koa fa mirary ny vidiny.

Léa Fandresena
Asio fanentanana kely ary ho an'ny mpamaky mba ho tonga amin'io fotoana io e!

Fifi Razakarison
Manasa antsika rehetra izay mankafy haisoratra na hira na tononkalo na tantara tsangana ho avy ao amin'ny Cemdlac Analakely manomboka amin'ny 2 ora sy sasany amin'ny 21 marsa izao. Fa hitondra ny "Rohizo fitia" ho anao ny Mpizaka. Tsy misy ny sandam-pidirana fa tongava maro e!

Léa Fandresena
Azonao omena andran-tsira ary ve ny mpankafy antsika mba hazoto tokoa amin'io seho io?

Fifi Razakarison
Indro ary tononkalo iray ho an'ny andran-tsira:

  RESAKA ALIKA
Aza miompy alika
Raha alika hanaiki-potsiny
Andosiro mihitsy
F'izy misy tompony

Aza miompy alika
Raha hiambina tanàna
Fa revy angola an-ditra
Ka zary ianao tamana
Miheno izany feony
Miasaasa vangy
Mikalokalo anao
Anaty vazivazy
...
Alaviro ny alika
Raha hanaiki-potsiny
F'io dia tsisy fika
Efa lany ianao
Vao harary fo tokotriny
Izy tsy eo intsony
Nody any amin'ny tompony
...
Ny alika anie ka gaigy e
Tsy mifidy rehefa manina
Efa rombotra izy saingy
Tsy ianao anio no laniny e.

Fifi Razakarison 09/07/1
Léa Fandresena
Mankasitraka anao. Hamaranana ny dinika, ahoana ny fahitanao ny asa soratra ankehitriny? Voafehin'ny tanora ve ny tsipelina? Inona ny olana sy vahaolana atolotrao?

Fifi Razakarison
Ny fahitako azy manokana dia mitombo ny mpamokatra asa soratra na tononkalo io na "sombin'eritreritra" na ny hafa. Misy fivoarany araka izany ny haisoratra malagasy. Ny hita ihany koa dia lasa miventy hevitra loatra ny tononkalo ankehitriny kanefa tsy izay no tena tanjona fa ny fomba nentinao hamoahana ilay hevitrao no takiana amin'ny atao hoe literatiora. Misy ihany koa ny tsy dia mahafehy ny fitsipiky ny teny. Ny vahaolana azo haroso? Tokony hamaky boky ankoatra ny tononkalo ny mpanoratra sy poeta fa saingy miventy ny literatiora. Faharoa, ilaina ny fifampikasohana eo amin'ny samy mpamorona. Mitondra ho an'ny fanatsarana ny asa soratra izany. Tsy tokony hisy araka izany ny miseho ho tompony fa samy mpanompon'ny poezia ny mpomorona literatiora.

Léa Fandresena
Misaotra anao amin'ny sosokevitra arosonao. Misaotra indrindra nivahiny tato amin'ny Pôetawebs. Entanina ny mpamaky rehetra ho avy amin'ny alarobia 21 martsa 2018 ho avy izao eny analakely hanaraka ny antsa mitondra ny lohateny hoe "Rohizo fitia". Mirary soa ho an'ny MPIZAKA STELARIM.

Fifi Razakarison
Mankasitraka anao Léa Fandresena nanaiky nampiantrano anay, dia amin'ny alarobia izany mahita azy.

 

pôetawebs©2018 - pôetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 19/03/2018