Créer un site internet
poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
10 jolay 2018

HIAKA-TSEHATRA I TSIFOINA

Poety tanora vehivavy no mivahiny eto amorom-patan'ny Poetawebs. TSIFOINA no anarany ary azo lazaina ho manana fijery lavitra izy satria hanambara vaovao, tsy ho amin'ity volana ity akory, fa ho an'ny aogositra. Zava-tsarobidy aminy tokoa mantsy io fotoana io satria hanamarika ny tsangambaton'ny asasorany amin'ny alalan'ny boky havoaka sady hasandratra eny an-tsehatra. I Léa Fandresena avy ao amin'ny Pôetawebs no mitafatafa aminy.

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao Tsifoina. Raha tsy mahadiso, ambarao ny momba anao fa manitikitika anay!

Tsifoina
Faly miarahaba ny mpanolotra sy ny mpanaraka ny Tranonkala Pôetawebs. Mialoha ny hilazako ny mahakasikasika ahy dia hamafisiko etoana ny antony hivahinianako eto: hisy vokatra ho avy atsy ho atsy.

Rakotoarisoa Jeanne Laricia no anarako, teraka ny 16 jolay 1996, monina ao Andranomena, nanaraka ny lalam-piofanana mpampivelona. Fa ny mampiavaka ahy dia nobeazina tamin'ny fomba skotisma aho ary voavolavola ho mpakamamy ny fanginan'ny natiora. Amin'ny lafiny kanto indray? Poezia no tena ilomanosako ary manao sombintantara koa.
Mametso fitiavana ny soratro, mankahala fitiavana ny soratro, mitantara fiainana ny soratro, mitondra any amin'ny tontolo hafa ny soratro, ary mety ho efa nampiteny irery ny mpankafy ihany koa.
Ny mampiavaka ny asa soratro dia noho izy mora azo sary an-tsaina; mivantana kokoa ny fomba filazan-javatra; mavesatra ny sarin-teny fampiasako.

Léa Fandresena
"Hisy vokatra ho avy atsy ho atsy" hoy ianao teo. Ambarao amin'izay àry!

Tsifoina
Azo lazaina fa efa an-taonany maro no nilomanosana teo amin'ity sehatra ity. Tonga ity ny fotoana izay efa nandrasana. Betsaka no miandry sy mangetaheta ny boky "Laika" izay antenaina fa tsy ho afaka am-bavanao ireny. Aza manadino ny anjaranao àry, dia ny boky "Laika" hivoaka ny 29 aogositra 2018 izao, arahina antsa tononkalo hovelomin'ny namana tsy zovina amintsika ihany koa, ao amin'ny Ivokolo Analakely amin'ny 2 ora.
Mampanantena seho miavaka ho anareo aho amin'io e! Tsy misy vidim-pidirana io fa boky no hamidy ka ento ny any an-tanana. Eny e! Tsy hatao betsaka ny doka fa tongava raha tsy te hanenina.

Léa Fandresena
Andeha àry hofantarintsika ilay boky havoakanao.

Tsifoina
"Laika": teny gasy ary hita ao anaty Rakibolana izay azo fintinina hoe "anoka". Fa heviny hafa koa izay andraisako azy ho an'ireo diso fanonona miteny hoe "laïka" dia isan'ny nisafidianako azy koa io, midika hoe "tsy mifidy antokom-pinoana".
Hevitra roa izany no nisafidianako ny "Laika" izay sady "hampianoka" no "tsy hanavaka antokom-pinoana".

Asasoratro irery no ho hita satria dia "hampilaika" ireo nangetaheta hatrizay aho. Ny seho ho atao no iarahana amin'ny namana!
Saika mivoy fitiavana ilay boky, tsy fitiavan'olon-droa ihany fa rehefa hoe fitiavana, na tanindrazana na namana na ny Reny na ny zanaka. Ahitana tonom-bavaka ihany koa ao anatiny.

Hisy pejy zato mahery izy io, mora entina, maivana, tsy dia manahirana, zaraina maimaimpoana ho an'izay mandoa ar 10000 ny boky amin'ny andron'ny hetsika fa efa azo atao koa ny mamandrika dieny izao raha manahy ny tsy "hilaika" an! Ny ankoatra izay kosa angamba dia ho hitanareo rehefa manjifa azy ianareo.

Aiza isika izao?

Ntaolo ve adala sa Ntaolo no kizitina
Raha nizipo lava sy nagnano sikina?
Aiza isik'zao? Ekena tsy fahagola,
Fa mba moramora e!
Mahery setra loatra, tena mitsoka mafy
Ny rivo-pandrosoana amin'ny resaka fitafy!
Ny resaka mozika eto nanjary vitsy mpankafy
Rehefa tsy dia misy "vody" aseho sy atao mandihy,
Dia tsy misy intsony henatra ho an'ny olom-pady!
Tsy misy intsony faritra natokana ho am-bady!
Fa dia valan-javaboary
Tsidihin'izay te dia alaalaina sary...
Avy eo dia zaraina alefa sy aparitaka!
Fa te hahazo doka sy te hahazo sitraka!
Tsotra ny ahy ny teniko e!
Nanjary zavatra aranty ve sa zavatra amidy
'Lay fananan-tsarobidy?
Masin'io dia izao... asakasakao !

Tsifoina Aogositra 2017

Léa Fandresena
Anatina fikambanana ve ianao?

Tsifoina
Hatreto aloha dia tsy anaty fikambanana aho, tsy sanatria hakamoana na fahalainana fa ny antony arak'asa sy ny andraikitra maro sahanina. Efa voazara sy voalamina ny fandaharam-potoanako ka tsy ankasitrahako loatra raha mpikambana aho kanefa tsy manatrika fivoriana sy fihaonam-be!
Tsy hoe sakana tsy hifandraisako amin'ny karazam-pikambanana anefa ireo fa fombako aza ny mifanakalo hevitra sy mifampizara fahaiza-manao amin'ireny.

Léa Fandresena
Azonao ampahatsiahivina aminay ve ny toerana efa niantsanao sy ny boky efa navoakanao niaraka tamin'ny namanao?

Tsifoina
Efa niantsa tamin'ny toerana maro tokoa aho ary efa nisy boky nivoaka niarahana tamin'ny namana ihany koa raha tadidintsika: ny "Tsingevana 001", ny "Tsoka", ny "Fanasina" (navoakan'Ny Eja tamin'ny "Volan'ny poezia" tamin'ny taona 2017 teo angamba izay ahitana ny asasoratro hoe "Ikala Poezia").

Léa Fandresena
Hamaranana ny dinika, ampahatsiahivo ny fandaharam-potoana anaovana ny hetsika!

Tsifoina
Ny 29 aogositra amin'ny 2 ora ao amin'ny Ivokolo Analakely dia sady "milaika" no mitondra "Laika" mody, mampanantena seho miavaka ho anareo aho, miandry anareo ary misaotra sahady. Kopa-tanana kely!

Léa Fandresena
Misaotra indrindra anao nivahiny teto amin'ny Pôetawebs ary mirary soa amin'izay atao.


Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 11/07/2018

×