Créer un site internet
poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
20 ôktôbra 2018

Tapatapakahitra mialoha ny LAZON'ADY

Pôeta efatra mianadahy (Riso Lalason, Gazela Meva, ARO ary i Tsitohery) avy ao amin’ny Faribolana Sandratra, efa nisongadina hatrany amin’ny roapolo taona lasa tany, no hisehatra ho an’ny rehetra afaka andro vitsivitsy. Mbola ao anatin'ny heriny tokoa anefa izy ireo ary manana hafatra atolotra ho an'ireo zandry mpamelomaso sy ireo zokiny mpanembonembona, amin'ny alalan'ny tapatapakahitra nifanaovan’ny telo tamin'izy ireo sy i Tsikimilamina Rakotomavo avy ao amin'ny Pôetawebs.


Miankavanana : Gazela Meva, Riso Lalason, ARO, Tsitohery

Tsikimilamina Rakotomavo (TR)
Miarahaba anareo telo mianadahy manaiky hitafa miaraka eto amin'ny Pôetawebs.

Tsitohery
Miarahaba tompoko! Faly koa izahay tonga eto amin’ny Pôetawebs.

ARO
Salama ô!Faly mifampiarahaba aminareo eto amin'ny Pôetawebs izahay.

Gazela Meva
Miarahaba antsika rehetra eto amin’ny tranonkala Pôetawebs. Miala tsiny raha tsy poeta efatra mijoro izahay no tonga eto satria ny fotoam-bita hono tsy mahaleo ny sampona e.

T.R.
Ampahafantaro sy fintino amin'ny mpikira ny zavakanto vita amin'ny teny àry ny momba anareo tsirairay avy.

Tsitohery
Tsitohery eo amin'ny soratra. RAOLONA Tsitohery Mamison no tena anarana. Nanomboka nanoratra ny taona 1985. Niditra ho mpikambana tao amin'ny faribolana Sandratra ny taona 1988. Mpanoratra tononkalo, sombitantara, tantara fandefa amin'ny radio, tantara tsangana (pièces théâtrales), tantara fanao sarimihetsika, sombintsoratra (prose poétique). Efa nanao famakafakana tamin'ny gazety ihany koa.

ARO
Aro no anarana entiko eo amin'ny soratra fa fantatry ny maro kosa
amin'ny anarana hoe: Andriamalala veRo. Avy amin'ny fiandohana sy
fiafaran'ny anarako ihany izy io. Nanomboka ny taona 1992 tany ho any aho no efa nanoratra fa ny taona 1995 kosa no niditra ho mpikambana tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA. Mpanoratra tononkalo, tononkira, sombintsoratra. LAZON'ADY, azo lazaina fa tena ara-bakiteny ihany io lohahevitra io satria efa taloha no nanoratana, ankehitriny anefa dia mbola hita ny fitohizan'izany na dia saika hangina aza tao anatin'ny taona nifandimby, saingy tsy avelan'ny aingan'ny fanahy tsy haneho izany.

Gazela Meva
Gazela Meva dia mpanoratra tantara sy sombintantara. Manoratra sy milalao tantara tsangana ihany koa, indrindra eo amin’ny sehatry ny fiangonana, ary milalao tantara an’onjampeo. Mpikambana ao amin’ny FARIBOLANA SANDRATRA nanomboka ny taona 1993, ary nandray anjara tamin’ny antsantononkalo niarahana tamin’ireo namana mpiray faribolana (arana, fitiagaboraraka, izay mitraka no mpandresy, voahangy tsangy, sns). Niara-niasa tamin’ireo namana hafa mpisehatra eo amin’ny sahan’ny soratra koa tamin’ilay “comédie musicale” nitondra ny lohateny hoe “rehefa injay mitepo ny foko”.

T.R.
Faly mifankahita aminareo indray. Inona no vaovao izay elaela tsy nihaonana izay?

Gazela Meva
Elaela tokoa tsy nihaona. Sondriana nianoka ny talentan’ireo zandry e!

Tsitohery
Elaela tokoa no tsy nihaona. Boky sy antsantononkalo mitondra ny lohateny hoe LAZON'ADY no vaovao, izay atao ao amin'ny CGM Analakely ny Sabotsy 27 oktobra 2018 amin'ny 3 ora tolakandro, izay iarahanao amin'ny Pôeta Riso Lalason, Gazela Meva, ARO ary i Tsitohery.

ARO
Izahay ireo no anisany niaraka tao anatin'ny vanim-potoana ka izany no
niarahanay nientana haneho ity antsa ity.

T.R.
Inona tena dikan'ny  lohateny LAZON’ADY?

Tsitohery
Ny dikan'ny lohateny dia izao: mila fitozoana ny fanoratana sy ny fanaovana hetsika ho an'ny literatiora, ka vitsy ny olona mbola manohy izany asa izany raha vao mitombotombo taona. Izahay 4 mianadahy ireto izao dia samy nanomboka nanoratra tany amin'ny manodidina ny faha 18 taonany tany avokoa ary ankehitriny dia efa samy ray sy renim-pianakaviana avokoa. Izay fitozoana izay ilay lazon'ady. Mbola hanampy i Gazela Meva

Gazela Meva
LAZON’ADY tokoa  no lohateny nosafidianay, hanehoana ny lalana ela efa nodiavina sy izay rehetra nolazoina sy nandazoana nandritra izay taona maro izay : ny ady narahin’ny fianjerana sy fiarenana, ny faharerahana sy ny fikirizana, ny tsy fahombiazana sy ny fandresena, sy ny sisa e!

T.R.
Misy antony manokana ve ny hoe ianareo efatra no hanandratra ny Lazon'ady?

Tsitohery
Izahay 4 no nisafidy ny hiaraka noho izahay samy niarakaraka indray nihira tamin'izany fotoana izany, dia mba manimanina sy mba te hampiseho amin'ny ankizy ankehitriny ny kantonay taloha.

T.R.
Inona no tena hampiavaka ny seho?

Tsitohery
Ny mampiavaka azy angamba dia izay hoe aingan'ny tovolahy sy tovovavy be taona izay, hihi!

Gazela Meva
Tsy hita ho faritana fa atao hoe samy tanora toa efa “lazondazon’ny ady” ihany, hihi! Ary izay fiarahanay izay no antenaina hampiavaka ity seho ity.

T.R.
Azo ambara fohy ve ny mety ho fizotry ny seho sy ny mpihira handravaka ny fotoana?

Tsitohery
Ao amin'ny tapany voalohany dia hizara 3 ny antsa, elanelanin'ny hira. Ao amin'ny tapany faharoa no hidinidinika miaraka amin'ireo mpanoratra ireo izay hanatrika.
Ny mpihira dia Anna Ntsoa mpihira Jazz izay zanak'i Tsitohery ihany sy ny tarika Mihirà izay misy an'i ARO ihany. Hisy ihany koa zazalahy kely hitendry valiha izay zanak'i Riso Lalason.

ARO
Ho fanampin’ny tenin’i Tsitohery, ny fizarana telon'ny antsa dia hoelanelanin'ny hira. Tarika Mihirà izay misy ny tenako no ao, azontsika jerena amin'ny youtube na pejy Facebook moa izy io.

T.R.
Misy vahiny hasaina manokana ve?

Tsitohery
Tsy misy vahiny nasaina fa ny taranakay dia efa vahiny heverinay fa goavana, hihi!

T.R.
Azonareo aseho amin'ny mpanaraka ny tapatapakahitra ve ny santionan'ny boky hojifain'ny mpankafy amin'io fotoana io hiomananany sahady?

Tsitohery
Mahafaly anay àry ny mampiseho anareo ny endriky ny boky e!

T.R.
Hono ho'aho, mety misy ifandraisany amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena ve ny hetsika sa hafa mihitsy? Eo amin'ny lohahevitra no tian-kambara?

Tsitohery
Misy ifandraisany ihany satria ilay lazon'adim-piainana dia sakana amin'ny fitozoana amin'ilay asa masina ho an'ny literatiora. Indraindray koa anefa dia loharanon'aingampanahy.

T.R.
Ary iza no mpanohana sy mpiara-miasa ao anatin'io hetsika io?

Tsitohery
Ny Faribolana Sandratra sy ny fianakaviana ary ireo mpanakanto namana no miara-misalahy manatontosa ny hetsika.

T.R.
Fanentanana ho an'ny rehetra izay liana amin'ny haisoratra àry e! Tsy aleo aza ve ampiana tononkalo kely, hihi!

Tsitohery
Tongava mba mijery izany tononkalon'ny taona 80 izany e! Ity ny tononkalo kely.

"Ny tsikitsikinao
mamaka aty am-poko.
Ny filafilanao...: tanambokovoko
mangidy...fa tsy foiko"
Tsitohery

ARO
Fanentanana kely ho antsika:
Tongava maro amin'ny sabotsy 27 oktobra 2018 ao amin'ny CGM Analakely amin'ny 3 ora, aza hadinoina fa maimaimpoana ny fidirana. Mba hahafantaranay fa tena miara-mombom-po aminay ianareo dia amin'ny fividianana io boky kelinay io, 8000 Ar, no fandraisanareo anjara.

Indro santionany amin'ny tononkaloko:

MBOLA HO AVY
Gasikara,Nosy kanto,maro olo-misalovana
Malagasy,kasikasy,hita fa fadiranovana
Anjakan'ireo vahiny tena tsy mifaditrovana
Moa tsy mila ahy sy ianao,hanamafy ny fiarovana

Hono,lasa nofinofy ireo soa sesehena
Ny fandalàna ny fihavanana sy ny tena fahendrena
Miposaka ao anatin'ny haizina,misoko ny fitiavan-tena
Mahantra sy mijaly lava eo ambonin'ny harena

Dia niantsoantso mafy tao an'eritro mangina
Ilay feo mivatravatra tao anaty fitoniana
Milaza hoe mbola ho avy ny maraina handrandraina
Ho an'i Gasikara kely,Nosy mamy antenaina
      ARO

Gazela Meva
Ny andinindininy mahakasika ny hetsika moa dia efa voambaran’ny namana avokoa, fa dia manentana anareo ho avy ao amin’ny CGM amin’ny sabotsy 27 oktobra 2018 izao amin’ny 3 ora tolakandro. Sady hisy boky hamidy amin’io an!
Indro ary misy sombin-tononkalo kely e!

Ny FITIAVANAY ANAO...
Ho hirahiranay rehefa andro mirana,
Fikirinay ho harena rehefa ‘zahay sahirana,
Ho resaka tsy tana rehefa ‘zahay tafaraka,
Ho vatsin’ny mpandeha rehefa tafasaraka

Ny FITIAVANAY ANAO …
Ho lohahevitray rehefa hikoràna
Ho jiro manazava ny lalanay malama

Dia ny FITIAVANAY ANAO …
No teny hotononinay rehefa rahatrizay
Ka tonga ny fotoana hihaonantsika indray!!!

T.R.
Mahafinaritra ny dinika teto ry Pôeta namana isany! Mankasitraka anareo nanaiky hitapatapakahitra teto amin'ny Pôetawebs, ary maniry indrindra ny fahombiazan'ny hetsika amin'ny Sabotsy.

Tsitohery
Mankasitraka ny mpamaky sy ny tomponandraikitra eto amin’ny Pôetawebs.

Gazela Meva
Mankasitraka ny Pôetawebs sy ny mpianoka rehetra.

ARO
Mandra-pihaona ô!
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 21/10/2018