Créer un site internet

logo

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta


02 Novambra 2014

NY EJA - Niara-nitapatapak'ahitra tamin'i Toetra RAJA

Tapatapak'ahitra niarahan'Ny Eja tamin'i Toetra RAJAMiarahaba anao Ny Eja ary misaotra anao mivahiny indray eto amin'ny Poetawebs. "Indray" hoy aho satria efa nandalo teto ianao, poeta tsy zoviana amin'ny maro, tamin'ny 2009. Tsy vahiny eto amin'ny Poetawebs rahateo ny momba anao sy ny asa soratrao. Tapa-bolana sisa dia higadona ny hetsika lehibe ho tanterahanao momba ny poezia vao mafana. Ahoana ny momba an'io?

Miarahaba anao sy ny mpanaraka ny fandaharana eto amin'ny Poetawebs. Ny poezia vao mafana dia ilay aingam-panahy teto anoloan'ny solosaina, izany hoe tsy tahaka ilay mahazatra hoe eny an-dalana, na soratana eo ambony latabatra fa teto amin'ny solosaina: tampoka teto, rehefa nahita toe-javatra iray mety hoe nanaitra, mety politika io, mety fitiavana, mety zava-misy nozarain'olona teo amin'ny Facebook.

Mbola tsy vita sivana izany?

Vao mafana satria vao vita dia zaraiko avy hatrany, tsy voadikako akory anaty solosainako fa avy eo indray aho vao mandika ny efa voasoratra ao anaty Facebook!!! Dia matetika moa eto amin'ny Facebook no ataoko ny fanitsiana azy.

Ahoana hoy ny mpamaky?

Dia finaritra ny mpanaraka ahy mahita azy hoe vao vita teo no eo.

Dia betsaka mpanao "j'aime" ve?

Dia mipoipoitra eo tokoa ireo "j'aime" ataon-dry zareo. Ny fanitsiana manaraka eny ihany, hi! hi! hi!

Be mpakafy tokoa izany?

Eny ny valiny. Asa re raha ilay izy hoe vao nivoaka dia mahafinaritra ny olona. Fa hitako hoe ilay zavatra vaovao, izany hoe tahaka ny mofo vao mafana, dia iny no ankafizin-dry zareo.

Vaovao, izany hoe manaraka toetr'andro koa ny lohahevitra voizina?

Eny, manaraka toetr'andro mihitsy ka!

Toy ny hoe...?

Fitiavana, politika, hi! hi! hi! Izaho izany tsy dia mivoy politika loatra fa hoe maneho ny hevitro fotsiny manamarika ny toe-javatra nisy.

Tsy mba angadin'ny Poetawebs koa io politika io. Fa hono ho'aho, azo lazaina ve fa Ny Eja no loharano nipoiran'ny poezia vao mafana?

Eny, teny noforoniko izy io, tamin'ny voalohany dia nataoko hoe tononkalo vao mafana. Dia tsapako tahaka ny tsy dia nanaitra ahy firy.

Dia novaina?

Dia novaiko hoe POEZIA VAO MAFANA ary
hitako hoe voarain'ny olona ilay izy satria nanjary nananihany ahy ry zareo hoe: "Aiza ny vao mafana?"

Izany an?

"Omeo poezia vao mafana any indray e!!!" sns... Ary nahatonga ireo mpanaraka ahy ho liana bebe kokoa momba io eto amin'ny Facebook hoe "aiza indray ny poezia vao mafana e", dia hitako hoe mety ilay izy.



Firy eo ho eo moa ny isan'ny naman'Ny Eja eto amin'ny Facebook?

Ireo namako eto amin'ny Facebook dia maromaro ihany hoy ny tsy mahay manisa. Raha ny marina dia efa feno izany (compte full) ka tsy afaka nampiditra namana intsony.

Dia ahoana no natao?

N
anokatra kaonty vaovao moa aho, dia "Ny Eja mpanoratra II" izay misy namana manodidina ny arivo eo ho eo. Maro ihany koa ireo tsy tafifitra ho namako ka lasa mpanaraka ahy amin'ny alalan'ny tondro abaribary (paramètre public), dia amin'izao moa izany dia nataoko tsimialonjafy avokoa ny zavatra zaraiko mba ho hitan'ireo mpanaraka ahy .

Hidirantsika amin'izay ny momba ilay seho ao amin'ny IVOKOLO amin'ny 15 novambra izao. Efa mpisehatra ao ianao raha tsy diso aho?

Eny, niara-niasa tamin'ny IVOKOLO aho ary efa imbetsaka no niantsehatra tao, efa tokontany mahafinaritra ahy io IVOKOLO io sady manambina ahy rahateo koa ny toerana no sady miara-miasa amin'ny IVOKOLO koa moa aho efa taon amaro lasa izay.


Izany hoe?

Mpitantara angano ao aho, dia mpiara miasa koa amin'ny fitsidiham-paritra izay manerana an'i Madagasikara, mitondra ny asa noforoniko (kilalao kalaza, angano, tononkalo).

Voalaza koa fa hisy fifaninanana mamaly ny poezia vao mafanan'Ny Eja eto amin'ny Facebook. Ahoana ny momba an'io?

Ny fifaninanana manao poezia setriny dia nataoko hanamarihana ny seho izay atao ao amin'io IVOKOLO io, efa nisy mpianatra maro be nanao setriny tamin'ny poezia nataoko tamin'ny 2008, fiaraha miasa tao amin'ny AFT. Dia izao indray, satria tiako ny setriny ataon'olona amin’ireo tononkaloko izany e !!!!

Matetika koa rehefa mizara tononkalo eto internet aho, dia misy mamaly foana ireny poezia zaraiko ireny, dia izay no nahatonga ahy hoe aleo asiana fifaninanana dia omena boky izay poezia tsara indrindra.


Tononkalo firy no atolotrao ho setrena?

Ny tononkalo rehetra no azo setrena . Tsy voafaritra fa rehefa nosoratako fotsiny dia mety. Noho izany, tiako ho POEZIA VAO MAFANA koa ny setriny, izany hoe tao aorian'ny nahitana ilay nosoratako. Arak’izany dia tsy mety ny mametraka poezia efa nisy tany aloha tany, nefa dia atao mifaninana, izany hoe poezia niainga avy amin’ilay nosoratako no ekena.


Iza avy no afaka handray anjara?

Iza avy ny afaka mandray anjara? Tsotra ny valiny hoe izay tia poezia, afaka mamaly ireo poezia amin'ny endrika Poezia moa izany .
Ny safidin'ny olona amin'ny alalan'ny isan'ny "j'aime" ao amin'ny Facebook sy ny hevitr'ireo mpitsara moa izany no hamaritra hoe iza avy ireo voafidy handray anjara amin’ny famaranana izay miisa 5, ka ireo olona ireo dia hanatrika ny seho amin’ny 15 Novembre ao IVOKOLO ary hiantsa ny poezia nosoratany.


"Ireo mpitsara" hoy ianao teo?

Hisy koa ny mpitsara ny tononkalo ankoatra ny "j'aime" azon'ireo mpandray anjara ary ireo mpitsara dia mpandala ny literatiora Malagasy.

Efa neritreretin'Ny Eja ve ny haingon-tsehatra sy ny pitsopitsony hafa?

Misy mpampihaingo sehatra tokoa hanampy ahy, efa nieritreritra izay tokoa aho fa dia amin'ny andron'ny fampisehoana isika mahita azy.

I Ny Eja irery ve no hiantsa ny tononkalo ao amin’io fampisehoana io ?

 

Amin’ny antsa poezia dia tsy izaho irery ny handray anjara fa misy ireo mpanakanto namako izay antsoiko hoe “Faribolana Ny Eja” mpanaraka ahy hatraiza hatraiza izy ireo ary manampy ahy amin'ny lafiny rehetra.

 

Manan-kevitra hanatonta Boky ireo poezia vao mafana ve Ny Eja?

 

Ny boky POEZIA VAO MAFANA dia hivoaka amin'io andron'ny fampisehoana io. Efa mikarakara azy fatratra izahay izao.



Firy marina moa ireo boky efa navoakanao?

Boky fahefatra izany ity POEZIA VAO MAFANA ity, ary misy boky roa hafa efa andalam-piketrehana izay hivoaka koa, iarahako amin'ny mpanakanto hafa. Fiaraha-miasa avokoa moa izany, izay ny tanjona, dia ny hampiroborobona ny literatiora.

Misy toerana ho an'ny poezia vao mafana ve ao amin'ny fandaharana "Tsiaro anao" iandraketanao ao amin'ny Radio Antsiva?

Ny fandaharana TSIARO ANAO dia fandaharana iandraketako efa ho telo taona teo ho eo izay tao amin'ny RADIO ANTSIVA. Be mpanaraka be izy io, ary ny tanjona dia hizara ny kanto, ny hasin'ny poezia, ary hampahafantatra ireo mpanakanto malagasy manerana ny vazantany é. Dia hanana anjarany amin'ny fandaharana telo misesy anaty TSIARO ANAO ny poezia vao mafana, hiresaka tononkalo nosoratako sy setriny nataon'ireo mpankafy moa izany aho mandritra izany fandaharana telo misesy izany.

 


 
Araka ny fahitan'Ny Eja azy, inona no herin'ny poezia malagasy amin'izao fotoana izao?

Manana toerana izy amin'izao fotoana izao, efa ela ny malagasy nankafy poezia, ary tsapanay izany herin'ny firoboroboana izany amin'ny asa soratra zaraina eto amin'ny Facebook, amin'ny olona mangataka aminay mba hozaraina ao amin'ny fandaharanay ny poeziany. Ao ireo efa manana ny lazany, ao ireo vao misandratra, maro be e, tsy tambo isaina. Hita taratra izany amin'ny tranonkala izay maro be koa no miresaka poezia.

Ary ny lesoka tokony mbola hatsaraina?

Ny lesoka tsapako dia ity fanafohizan-teny mahazatra ny olona ity. Tsapako hoe simba ny teny tratran'io fahazaran-dratsy io. Mila manana kolontsaina manaja ny tenin-drazana.

Marina tokoa izany voka-dratsin'ny fahamaizana izany Ny Eja. Misaotra anao nizara tamin'ny mpisera ny toerana misy an'Ny Eja ankehitriny. Amin'ny sabotsy faha 15 novambra izao no fotoana. Mirary soa ho anao ny Poetawebs.

Mankasitraka tompoko!

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021