Créer un site internet

Poetawebs mitafa amin'i Riantsoa

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

10 Mey 2012

 

TAPATAPAK'AHITRA NIARAHANA AMIN'I RIANTSOA

 

Riantsoa, na Randriantsoa Hezekia araka ny voasoratra ao amin'ny karapanondrony, dia poeta tanora dia tanora tokoa kanefa afaka miandrandra sahady ho avy mamirapiratra eo amin'ny asasoratra. Hainy ny mandray ny hafatr'ireo zokiny ary tsy ataony ambanin-javatra koa ny famoronana ny angaliny maha-izy azy. Mifampitakisina amin'ireo poeta maro izy, ka izany indrindra angamba no nampivoatra malaky ny traikefany. Izay fandalàny ny fitohizan'aina izay sy ny fivelaran'ny seraserany no anton'ny nahasarika ny Poetawebs hanasa azy eo amorom-patana. Tapatapak'ahitry ny mpirahalahy ny azy sy Toetra Raja ka satry ho voaboasana avokoa izay rehetra nanitikitika ny saina.

Miarahaba anao Riantsoa ary misaotra anao namaly ny antso. Raha tsy mahadiso, sombin'ny anaranao no nanombinana ka nahaterahan'ny "Riantsoa" - anarana diam-penina. Misy antony manokana ve?

Miarahaba anao Toetra Raja ary miarahaba ihany koa ny mpiseran'ny Poetawebs. Manana anarana maromaro ahafantarana ahy aho, izay iantsoan’ny olona ahy koa: hafa ny anarako amin’ny sehatra izatsy dia hafa indray amin’izarý, izaho anefa izaho ihany. Fa i Riantsoa no anarana entiko eo amin’ny sehatry ny fanoratana. Tsy izaho no nifidy azy fa izy no nifidy ahy, satria sombin’anarako tokoa io, sady rahateo ireo kanto kely ananako, mikoriana ato anatiko toy ny rian-drano tsy mety ritra, nahitako soa, io ilay rian-tsoa.

Tsy araka ny maha-tanora dia tanora anao ny hakanton'ny sanganasanao. Moa ve, efa hatrin'ny fony kely no namolavolanao ny rari-teny?

Raha ny fanombako azy, nitombo niaraka tamin’ny taonako ny fivoatry ny sanganasako. Fony kely aho dia tsy nisy sangany mihitsy ny asako. Maromaro vitsivitsy amin’izy ireny no mbola tsy nahita masoandro fa mbola miaina ao anatin’ny tara-bolana hatramin’izao, mbola tsy nasehoko ny besinimaro. Nozaraiko roa aza ny vanimpotoam-panoratako izay nozarain’ny vanimpotoana roa miavaka tsara ihany koa: ireo tao anatin’ny fahazazana sy ireo tao anatin’ny fotoan’ny adolantsento, izay iainako amin’izao fotoana izao.

Azonao hazavaina àry ve ny anton'ny nanoratanao?

Raha ny antony avy amiko manokana dia tsy haiko ny mamaritra hoe inona ilay antony, fa toy ny ankamaroan’ny mpanoratra rehetra, atosiky ny talenta ananana, ilay fitiavana te-hizara fifaliana, tsikitsiky, soa sy kanto. Ao koa anefa ireo hafatra, zarafanahy, anatra, torolalana, sy fampaherezana, tiana hampitaina amin’ny alalan’izy ireny; "tsara kokoa ny manome noho ny mandray, fa tsara kokoa ny mandray ka mampiasa izay noraisiny". Io ilay rian-tsoa, io ilay nosotroiny. Gohy fa efa foiny ho anao koa!

Araka izany dia "nandray" ianao, toy ireo poeta maro nandray ny zokiny ho fanilony sy hampifoha ny aingam-panahiny. Azonao itarazohana kely ve ny momba an'io?

Tena anisan’ireny i Riantsoa, araky ny maha-talenta ny talenta izay tsy noforonina fa efa ao anaty, miandry ireo singa hanaitra azy amin’ny torimasony. Raha ny tantarako manokana, dia natao hialoha lalana ahy i Hobiana, hamoha ilay talentako. Maro ireo mpanoratra fantatro, ireo tononkalo niserana teo anoloako, nohenoin’ny sofiko, fa i "Madama" no ilay singa nandrasany, valo, sivy taona lasa izay. Toa takatro avy hatrany ilay ainga nianohany fony izy nanoratra an’io tononkalo io. Hatramin’izao aza, matetika rehefa mamaky ireo tononkalony aho dia misy ainga tonga ho azy tovoziko ao anatiny. Hafa e, hafa kokoa ny fiainako ny kanto ao anatin’ny sanganasany.

Azonao atao ve ny mampitaha ireo poeta zokiny amin'ireo zandriny toa anao?

Samy nohosoran-dreniny menaka, hoy ny fitenanana, fa hafa kokoa ny zokiny. Sambatra aho manana ireo Zokibe mpanoratra  namako, mpizara ireo tononkalony, ary dia faly ery aho rehefa lazainy hoe Razandry. Faka tahaka izy ireny amiko, natao hitari-dalana.

Ao koa ilay hoe "Mamorona fa tsy mamerina" hoy elie rajaonarison!

Eto amin’ny sehatry ny fanoratana dia marina io voalaza io. Tsy voatery haka tahaka foana izay teo aloha akory fa ilaina dia ilaina koa ny mikaroka zava-baovao, miezaka ny mivelatra sy mampivelatra ny kanto ananana amin’ny lafiny rehetra, sady rahateo amiko tsy misy ambony sy ambany ny mpanoratra, fa mpizoky sy mpizandry.

Ao amin'ny blaoginao rainstorm dia ahitana ny tononkalo "Ranadahy malala". Tononkalo niainana ve izy io?

“…Dia nitsiky tokana aho, tsiky tsy ravo nisoritra, nandalo maimaika, te-hijanona, te-hitsoaka, teo amin’ny hodi-tavako, nanavatsava sy nandravarava ny ati-fanahiko. Eny hoy aho Ranabavy!...”

Dray! Dray! Dray!

Aoka marina, taitra hatramin’ny redirediko! Nifangaro teo amin’ny tarehiko avokoa na ny tsiky avelako ho an’io blaogiko io, na ny tsiky ho an-dranadahy malala. Izaho ilay Ranadahy Malala, izay nindrana vetivety ny toerany. Tsy misy mahafantatra ny tantaran’io tononkalo io, na i Ranabavy malala aza, afa-tsy izaho ihany: ianao tsy hahafantatra an-dranabavy, ranabavy tsy hahafantatra fa ho azy io, fa izaho ho anao ary Ranabavy malala ho ahy. Aleo hifanjevo eto isika, fa aleo ny tononkalo ho tononkalo ihany! Avelako ianareo haminavina izay ho endriky ny tantara, inoako rahateo fa tsy izaho ihany no efa niaina ny fiainan’ny mpianadahy ao amin’ny Tompo.

Atsy anefitry ny Tononkalo-Poetawebs koa dia ahitana ny "Fanevam-pitolomana". Mpamokatra tononkalom-pitolomana ve ianao?

Roa, hatreto, ireo tononkaloko, na koa lazaiko hoe hafatra miendrika sy fanehoana fitiavan-tanindrazana, raha izay no azoko hilazana azy: "Ny tena fahaleovan-tena (MTIM)", "Fanevam-pitolomana", izay tsoriko fa teraka avy tamin’ny zava-misy sy ny toe-javatra iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ampiasaiko ny talenta ananako mba ho fitaovana ho an’ny tanindrazako, ho an’ireo iray rà amiko sy ho an’ny taranako. "…arangarangako avo fa basy atifi-kavana. Tsy ady hovakian-tava fa fanehoam-pitiavana ho an’ny tanindrazako!"

Ankoatra ny fitiavana sy ny tolona, misy lohahevitra manavanana kokoa an'i Riantsoa ve amin'ny poezia?

Tsy voafetran’ny tontolon’ny fitiavana sy ny tolona ny lohahevitro fa mivelatra amin’ny tontolo rehetra, tsy misy sisin-tany fa malalaka toy ny habaka iriariavan’ilay ainga ihany. Maro ireo sanganasako miparitaka any amin’ny Facebook, any anatin’ireo vondrona izay hifaneraserako amin’ireo mpanoratra namako, maneho izany fivelarany izany. Fa araky ny maha-zatovo sy tanora vao herontrerony ny tena dia mbola akaiky kokoa ny aingako ny habaky ny fitiavana.

Facebook hoy ianao teo, misy antony manokana ve ny nisafidiananao azy hivelaran'ny sanganasanao?


Facebook, fitaovan-tserasera iray matanjaka ifaneraseran’izao tontolo izao. Tsy ny sanganasako irery no hita ao fa ny an’ireo namako koa. Ny Facebook no mampifanakaiky ahy bebe kokoa amin’izy ireo. Satria ny serasera amin’ny alalan’ny soratra no tena miasa be ao amin’ny Facebook dia nanana eritreritra aho fa azo atao tsara koa izany ny mampiasa azy ho fitaovana hizarana ny talenta, hifampianarana ny teny Malagasy.

Misy fomba hafa ve ivelaran'ny sanganasanao toy ny antsan-tononkalo, gazety sns?

Hatramin’izao aloha dia mbola ny aterineto ihany no tena ivelarany, ny Facebook, eto amin’ny poeta.webs.com izay vao hanomboka. Azo jerena ao amin’ny vetso.serasera.org koa izany, dia io blaogy eo ambony io no farany. Te-hivelatra sy te-handeha lavitra kokoa fa miandry fotoana kely angamba, mbola eto am-pakàna bahana.

Ary ny boky?

Sarobidy, tena sarobidy ireny tononkalo ireny; ao anaty boky no toerana tsara sy azo antoka ho azy ireny, fa sady vakoka ho an’ny firenena ny boky no lova ho an’ny taranaka, ahafahana mikolo sy mitaiza azy ireo hitia sy hitahiry ao am-pony ny tenindrazany. Izaho dia anisan’ny mamporisika ireo mpanoratra namana hanao boky. Izaho koa ao anatin’ilay amporisihina. Mila manao boky aho na ho ela na ho haingana.

Vinavina sa?

Ny vinavina efa misy tokoa, iarahako amin’ny NY HARIAINA, namako be, fa ny fotoana no tsy hay, izay hindramako ilay teniny koa, "andao hiara-manantena amiko!".

Tsy afa-bela amin'ny teknolojian'ny aterineto i Riantsoa izay havanana rahateo amin'ny infôrmatika. Ahoana ny fomba fampivadianao ny informatika sy ny soratra?

"Ny infôrmatika no efitranoko, ary ny haisoratra no tokontaniko. Izaho tsy dia be lalao loatra, fa rehefa milalao aho dia tena milalao"… Maro no hoatra ahy, fa mba te-hizara traikefa kely aho, izay noraisiko avy amin’ny Zokibe namako ihany: "Asa ny infôrmatika fa ny tononkalo fialam-boly!". Io teny kelin’i Irène Randrianarisoa Rasendra tamiko io no nampihariko ka nahaizako nandrindra ireo sehatra roa ireo. Azo atao tsara ny mampifanindran-dalana ny literatiora sy ny siansa na dia navahana ho taranja roa miavaka tsara aza izy ireo any am-pianarana.

Efa niresaka namana poeta ao amin'ny Facebook ianao ary vao teo indray no namerina ny tenin'i Irène. Azonao tanisaina aminay ve ireo namanao poeta mpiara-mitakisina aminao?

Tiako ilay teny "mpiara-mitakisina" no sady tiako koa ny mitakisina amin’izy ireo. Maro tena maro tokoa isika mpanoratra Malagasy , mandala, manabe voho ny teny Malagasy, mpizara fanahy, toa an’i Hobiana, Andry Elrà, DadaRabe, Ny Hariaina, Tahirintsoa, Avelo Nidor, Niry-Solosoa, Rado Ramaherison, Andrianary Soambinintsoa, Meva Rakotonjanahary sy ireo mpanoratra zandriny be dia be dia be… maro, tsy àry ho voatanisako eto avokoa. Faly aho manana azy ireny ho namana. Fanajana be ho azy ireo ny nanomezany ahy fahafahana ny mifanerasera amin’izy ireo.

Misy amin'izy ireo no ao anaty fikambanana. Ary ianao mba ahoana?

Dia asa re izay mbola antony tsy mahatafiditra an’i Riantsoa ao anaty fikambanana hatramin’izao. Faniriana tokoa ny hiditra amin’izy ireny. Anisan’ny sehatra ahafahana mampivelatra sy mitaiza ny zavakanto sy ny talenta ny ao anatin’ireny vondrona ireny. Matetika aho no tafaraka amin’ny namana izay efa ao anatin’izy ireny amin’ny fotoana ifanaovana natao hizarana sy hiantsana tononkalo sy haisoratra, dia mahita sy mahatsapa izany tombotsoa izany. Matetika koa izaho sy i Hobiana no mitafa ary manasa ahy ny hanatevanako an’Arivonimamo, tanàna nifohazan’ny fotoam-panoratan’ny faha-adolantsentoko. Mbola ho avy ny andro hanoinako ny antson’ireo namana manasa ahy ny hiditra amin’ireny fikambanana ireny.

Mifandray amin'ny mpanakanto hafa ankoatra ny poeta ve i Riantsoa?

Anisan’ny talenta tiako hatevenina ato anatiko koa ny hira sy ny tontolony, no sady fialam-boliko rahateo koa. Vao tsy ela akory izay no nananako fahafahana hifampizara traikefa amin’ny LiL’C, artista Malagasy tsy zoviana amintsika, andraisako anjara eo amin’ny famoronana tononkira. Ary dia nahazoako traikefa be tokoa izany, izay isaorako azy ireo manokana. Manana namana, artista vahiny mpiangaly ny gadona rap koa aho mifanerasera amiko, mifampizara rima sy aingam-panahy amiko.

Ny tononkalonao ve no misy feony sa manokana fotoana hafa mihitsy ianao ho an'ny tononkira?

"Mampi-te hirap be ity tononkalo ity izany!" hoy ny namako iray izay namaky ilay Ranadahy Malala, dia nitsiky aho no sady namaly hoe "ataovy e!". Amiko, ny atao hoe mpamoron-kira, dia mpamorom-peo sy tonony, fa mbola ny tonony aloha hatreto no efa nisy. Asa, any aoriana any, raha sitrapon’Andriamanitra, izay efa sitrapon’ny talentako hatry ny ela, ny ho lasa mpamoron-kira matihanina, fa izao aloha dia mbola mivelatra tsikelikely miaraka amin’ireo tanora namana eny anaty "studio" eny, miara-mandrafitra vazo hialana voly eny. Misy amin’izy ireny tokoa mantsy efa mpamoron-kira, na tarika mihitsy aza. Raha tsorina dia miranirany manodidina ahy, mitady hirika ny handrotika ny fiainako ny lefompohin’ny zavakanto.

Mpianatra sady mpiasa ianao kanefa mbola manana fotoana anoratana sy ifaneraserana amin'ny Facebook. Inona ny tsiambaratelo ahatafavoahanao amin'izao fiainana feno hazakazaka arahan-tosika izao?

Ao anatin’ny fanontaniana ihany no isintonako ny valiny: ny fotoana; ny fotoana hiasana, hanoratana, ifaneraserana, ny fotoana, ny fotoana…. Raha misy angamba ny teny malaza indrindra aorian’ny "Tiako Ianao" dia ny teny hoe "ny fotoana", izay tokony ho eo alohany raha amiko. Tsy ilaina akory ny mihazakazaka arahin-tosika mamonjy ny olon-tiana raha toa ka voalamina ny fotoana. Alamino ny fotoana ndrao dia tsy hanana na dia fotoana hitenenana hoe "Tiako Ianao" akory aza. Tsaratsara kokoa ny mandany fahefatradiny handaminana izay ambiny amin’ny ora iray ananana toy izay mandany ora iray tsy voalamina. Fa tsy tsiambaratelo kosa angamba izany e, zavatra efa haintsika ihany no avadibadiko eo.

Marina loatra izany. Ary ny fotoan'ny fialam-boly hafa ankoatra ireo voalaza teo?

Izaho tsy mahay rugby, no sady mbola tsy nijery, mahery setra loatra e. ankoatr’izay dia saika ahitana ahy daholo ny resaka fialam-boly madio, toy ny hoe mitendry gitara miaraka amin’ny akama, milalao basikety sy ny milomano, mihirahira, na ilay antsoina hoe "karaoke" amin’izao fotoana izao. Manao sary koa aho rehefa manana fotoana tena malalaka. Saika adinoko, hay koa izaho manana fialam-boly mananihany kely izay: mananihany!
Santionan'ny sary niangalian'i Riantsoa  
Toy ny fanao mahazatra eto amin'ny Poetawebs dia hahaliana ny mpisera ny mamaky andinin-teny iray na roa avy aminao.

[…]…Tsy niteny izy. Namonjy niondana teo an-tratrako ity anjely nanafina ireto masony nanganohano. Lasa gadon-kira ho anay ny fidoboky ny kotroka any an-danitra sy ny fisasasasan'ny orana toa nisarim-peonkira milaza fahasoavana tapitr'ohatra ho anay. Nalaina ery izahay ny hiala teo amin'ilay toera-mamy. Nisaorako tokoa Andriamanitra nanome saina matsilo ny olona izay nanao io toerana tsotra dia tsotra io, nefa kosa mitahiry tantara tsy azo fafaina teo am-… […] be resaka aho e?!!! Sombiny amin’ireo soratra tazana ao anatina tantara foronina izay tsy mety vitako mihitsy. Fa ho fisantarana ity fiarahana mamy be ity dia indro hametraka ny mandra-pihaona amin’ny alalan’ity tononkalo "Rediredy sasan-kalina" ity:

 

                                                           JODASY MAODERINA
Tsy afaka ato an-tsaiko
ilay famindranao midoladola ery,
fitsiky sy fijery midoroka fitia.
Nangina aho fa tsy haiko
izay hevitra fonosiny na inona na inona,
izaho rahateo moa efa jamba tsinona.
F’injay ianao nanoroka vao takatro an-tsaina
fa efa nody ventiny ny rano nantsakaina.

Nilaza ianao fa tia,
nivoady sy niozona ho hatreny an’alitara,
ho vonona sy ho sahy hanomboka tantara,
hiara-dalana amiko.
Nanaiky ianao satria
safidinao malalaka tsy nisy fanerena,
ny lalanao malalaka tsy nisy famefena.
Nekeko koa fa mamiko!
  Indrisy fa, indrisy
f’ireny rehetra ireny tsy hitako hoe nankaiza;
lavenona sa vovoka naelin-drivodoza?
Tsy nisy fa, tsy nisy
na dia tamingan-tsiky najanonao ho ahy,
nofaohinao hatramin’ny razana hitahy.
Anio vao tena takatro
ny hevitra fonosin’ny orokao fahiny.
Fa inona ny otako? izaho tsy nanan-tsiny!
Izao vao tena fantatro!

F’izaho efa namono
ireo tanjo-nokinasa;
ny foko efa nionona
hamoy ny lasa ho lasa.
Fa…..anefa,
…..fa anefa
ny saiko toa tsy mety
fa miodin-tsy milasy
miezaka mamerina
f’ianao ange jodasy e,

RIANTSOA
20 Avrily 2012

 

Tonga amin'ny fotoana fanaovam-beloma ho an'ny tsy ho ela isika. Misaotra an'i Riantsoa ny Poetawebs sy ny mpiserany amin'ireo mamy rehetra napetrakao ho tsakotsakoina. Mirary fivelarana sy fahombiazana feno ho anao eo amin'ny tontolon'ny haisoratra.

Ny Poetawebs no isaorana. Mirary soa.

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021