Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

22 Desambra 2015

HANITRA OLIVE, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Pôeta iray manana ny maha izy azy amin'izao fotoana izao no vahinintsika. Vehivavy izy ary mpiray faribolana ao amin'ny Sandratra. Fantatry ny maro koa anefa izy amin'ny maha mpamorona sy mpilalao tantara fandefa an'onjampeo azy ao amin'ny RNM. Ny anarany? Hanitra Olive. Mitapatapak'ahitra aminy i Toetra Ràja.


Toetra Ràja
Miarahaba anao Hanitra Olive ary misaotra indrindra nanaiky mitapatapakahitra amin'ny mpiseran'ny Pôetawebs. Miala tsiny fa fohy dia fohy ny teny fanolorana. Misy azonao anampiana ve?

Hanitra Olive
Miarahaba ny tompon'andraikitra ato amin'ny Pôetawebs. Misaotra anao aho Toetra nandray ahy. Fohy dia fohy hoy ianao ny teny fanolorana, marina izany, nefa izay mihitsy ilay momba ahy, fohy dia fohy tsy misy lazaina firy. Ny azoko hanampiana azy angamba dia renim-pianakaviana aho, manambady aman-janaka. Ankoatra ny maha mpanoratra dia manana ny anton'asako manokana aho.

Toetra Ràja
Zava-dehibe izany voalazanao izany. Misy azonao ambara ve ny anarana diampeninao?

Hanitra Olive
Tsy hafa akory fa fanampin'anarako ihany, hitako mahalaza ny maha izaho ahy ka tiako ny misalotra azy.

Toetra Ràja
Misy antony manokana ve ny nahatonga anao nanoratra?

 

 

"Inoako mihitsy fa nateraka ho Pôeta sy mpanoratra aho"


Hanitra Olive
Inoako mihitsy fa nateraka ho Pôeta sy mpanoratra aho, na dia maningana ao anatin'ny fianakaviana aza. Tsy mba misy fianakaviako mpanoratra mihitsy mantsy. Mbola zaza aho dia efa nirona ho azy nanoratra, ary tena tiako izany. Toa fisiana tsy azo sarahina amiko toy ny ra mikoriana ato anatiko ary miantoka ny fahavelomako ny soratra sy ny tontolony.


Toetra Ràja
Mpiray faribolan'ny Sandratra ianao ankehitriny. Inona no nahasarika anao tao?

Hanitra Olive
Ny taona 2012 aho no niditra tao amin'ny Faribolana Sandratra. Efa nofinofiko hatramin'ny ela ny hiditra ho mpikambana ao. Nahasarika ahy koa io fikambanana io satria maro ny tanora mpikambana ao.

Toetra Ràja
Fa talohan'ny naha Sandratra azy dia efa nanana tantara iraisana i Hanitra Olive sy ny pôezia.

Hanitra Olive
Efa voalazako fa tia manoratra hatramin'ny fahazazako aho. Teo amin'ny faha 14 taonako no tsapako fa nihamatotra ny soratro. Tsy mba nisy sehatra azoko nivelarana anefa. Raha ny marina aza dia norarana tsy hanoratra aho.


Toetra Ràja
Izany ve?


Hanitra Olive
Notazoniko ho tsiambaratelo avokoa ny asa soratro rehetra. Soa anefa fa nisy ny "fesiboky", fitaovan-tserasera azoko nampiasaina nanehoana ny asa soratro, ary teo no nanombohako niseho tamin'ny maha mpanoratra ahy.


Toetra Ràja
Maha mpanoratra tantara koa? Toa inona ny tantara tianao milalao?

Hanitra Olive
Ny taona 2014 no nanombohako nanoratra sy nilalao tantara an'onjampeo, tao amin'ny RNM. Ny tantara mifanohitra amin'ny foto-pisainako dia tsy tiako ny milalao azy.

Toetra Ràja
Izany hoe?

Hanitra Olive
Matetika dia olona tsotra no anjara toerana raisiko.


Toetra Ràja
Tsotra ho'aho ny Pôeta! Hita taratra amin'ny tantara foroninao ve ny maha Pôeta ny mpanoratra?

Hanitra Olive
Ny mpihaino dia manamarika avy hatrany hoe hita mihitsy fa Pôeta ny mpanoratra. Tsy nataoko fanahiniana anefa izany fa inoako fa baikon'ny aingam-panahy fotsiny ihany.

Toetra Ràja
Mpiantsehatra koa i Hanitra Olive. Azonao tanisaina ve ireo nandraisanao anjara?

Hanitra Olive
Tanisaina hoe? Tsy misy ho tanisaina loatra angamba fa zazavao eo amin'ny sehatra. Ny "Dox mifoha" tamin'ny taona 2012 no nanombohako izany. Isaorako manokana ny namana Pôeta iray isan'ny nanolo-tanana ahy tamin'izany. Taorian'izany dia nisy antsantononkalo vitsivitsy fiaraha-miombona tamin'ireo Pôeta namana. Tao ny "Saramba Mikalo" niarahana tamin'ny Sandratra, ary vao haingana iny ny "Rehefa injay mitepo ny foko", niarahana tamin'ny mpikanto Vasia.

Toetra Ràja
Hiverenantsika iny Vasia iny rehefa avy eo fa hazavao kely hoe aloha ny momba ny Saramba Mikalo.

Hanitra Olive
Ny Saramba Mikalo dia antsa nifandrimbonan'ireo vehivavin'ny Faribolana Sandratra. Arak'izany dia vehivavy avokoa ny mpandray anjara. Nivelatra tamin'ny lafiny maro ny lohahevitra, kanefa hita taratra teny foana ny maha-olon'ny fo ny vehivavy. Nisy boky nivoaka niaraka tamin'io antsa io, boky voalohany nisy ny asa soratro.

Toetra Ràja
Pôeta vehivavy miara-miasa! Misy mampiavaka an'izany ve?

Hanitra Olive
Ny nampiavaka azy angamba dia ny haingon-tsehatra, vehivavy no mpiantsa ka manitra voninkazo e!

Toetra Ràja
Maro koa ianareo vehivavy tao amin'ny Vasia. Izy iny angamba no sehatra lehibe indrindra nandraisanao anjara?

Hanitra Olive
Eny hoy aho tsy misalasala! Fanamby lehibe iray nahitana fahombiazana iny. Isaorana ny Tompo!

Toetra Ràja
Antenaina fa mbola hisy goavana kokoa amin'ny ho avy ô?

Hanitra Olive
Seho goavana amin'ny ho avy? Hihihi! Aleo ny ho avy no asaintsika milaza azy.

Toetra Ràja
Ny ho avy? Homanina anio, ho an'ny taranaka. Teninao koa ny hoe: "Tiako noho ny aiko ny ahy ny sombiniaina". Mihira matetika ho azy ireo ve ianao?

 

 

 

 

"tsy soratra fe soratra fa tiako noho ny aiko ny ahy ny sombiniaina"


Hanitra Olive
Eny, tsy soratra fe soratra fa tiako noho ny aiko ny ahy ny sombiniaina. Tena antom-pisiako sy antom-pahavelomako e! Izy ireo no hery hiatrehako ny adiko rehetra. Tsy mahagaga raha manana tononkalo maro mikalo ny zanaka aho.

Toetra Ràja
Raha tsy niezaka koa ireo Pôeta zokintsika namela ny kanto sy ny mamy dia tsy ho voavolavola toy izao ny fitiavantsika pôezia.

Hanitra Olive
Eny, tena nisy tokoa ireo mpanoratra tena nankafiziko, ary azo lazaina ho nikolo ny fitomboana teo amin'ny soratra, dia i Rado sy i E. D. Andriamalala. Voavakiko avokoa ny bokin'izy ireo ary tena ananako daholo raha mbola hita teny amin'ny fivarotam-boky. Rado aza moa dia nataoko anaran-janako mihitsy, hihihi, ilay matoan'ny aiko e!

Toetra Ràja
Fitiavan-janaka, fitiavana pôezia, fitiavana, fitiavana... Marina ve fa fitiavana no ankabeazan'ny lohahevitra voizinao?

Hanitra Olive
Iza moa no Pôeta tsy mihira fitiavana ry Toetra an? Ny Tenin'Andriamanitra koa aza milaza fa ny fitiavana no lehibe indrindra. Dia ho gaga ve ianao raha maro an'isa izy ireny? Tsy voatery hoe fitiavana foana kosa anefa fa misokatra amin'ny fisiana rehetra, dia ny hita sy ny tsy hita.

Toetra Ràja
Eo indrindra isika. Mahavantana anao koa ny mihira ny nofin'ny lanitra sy kintana amam-bolana. Inona no mahasarika anao eny ambony eny?

 

 

 

 

"Tsy dia olona tia miondrika loatra aho fa zatra mitraka"


Hanitra Olive
Tiako ery ilay fanontanianao, hihihi! Tsy dia olona tia miondrika loatra aho fa zatra mitraka. Izay angamba no ahitako matetika ny volana aman-kintana, ny masoandro koa aza. Tiako koa ilay sary asehony dia ilay izy mitsinjo ny velona rehetra tsy misy ankanavaka.


Toetra Ràja
Tsy misy ankanavaka, hoy ianao, kanefa tsy niangarana ve ireo Pôeta vehivavy toa anao?

Hanitra Olive
Tarafin'ny volana sy ny masoandro avokoa ny velona rehetra, mitovy ny taratra omeny na Pôeta ianao na tsia, na lehilahy na vehivavy. Ny mampiavaka ny Pôeta angamba dia ny onjan'ny aingam-panahy eo am-pankafizana azy.


Toetra Ràja
Aingam-panahy? Amin'ny fotoana inona no isehoany?

Hanitra Olive
Rehefa malahelo aho matetika no tena manoratra. Ohatra iray hoe alahelo teraka eo am-pahitana olona tsy manan-kialofana.


Toetra Ràja
Matory hono izy indraindray, sa ahoana?

Hanitra Olive
Misy fotoana tena tsy ahavitako manoratra mihitsy, ohatra ny fotoana fialan-tsasatra.


Toetra Ràja
Misy tranga niainanao ve amin'ireo pôezia voasoratra?

Hanitra Olive
Mazava ho azy fa misy izany. Tranga ivelan'ny tena aza mampisidina aingam-panahy, mainka moa fa ny niainan'ny tena. Tsy adika be fahatany anefa izany fa niainako avokoa izy rehetra.

Toetra Ràja
Mety ho misy andinin-tononkalo iray na roa mitamberimberina matetika eo imolotry Hanitra Olive ve?

Hanitra Olive
Andalan-tononkalo fanonoko matetika tato ho ato dia ny hoe "Andao ianao raha sahy" e, tononkaloko  ihany izy io.

Toetra Ràja
Fantatro, "Antsahanofy"!


Hanitra Olive
Hihihi! Mahay ianao an!

 

 

 

 

"Antsahanofy"

 

 

 



Andao ianao raha sahy
Ho entiko hanonofy
Hanidina any an'habaky
Ny paradisan-drotsy

Fa any ny fitia
Mamelana maharitra
Felam-bony kanto
Mamerovero hanitra

(...)


Toetra Ràja
Ny fibitsikao azy izay no vao mainka... Misaotra Hanitra Olive. Tsy ho afaka eo imolotr'ireo mpanara-dia anao i Antsahanofy. Iza no mpanasa eto, i Hanitra Olive ve sa ilay Pôeta tsy miondrika fa tia mampitraka olona hanakatra nofinofy miaraka aminy?

Hanitra Olive
Hihihi! Izay rehetra te hanasa dia afaka mindrana azy avokoa, dia izay rehetra vonona hanidina eny an'habaky ny paradisan-drotsy, ka mahay mivimbina ilay nasainy. Hihihi!

Toetra Ràja
Notapahanao tampoka izy teo. Ny rindrinao ao amin'ny Facebook  no ahitana azy manontolo. Mila misahirana kely mikaroka fa efa lasa lavitra. Hono ho'aho Hanitra Olive, ho voarakitra ao anatin'ny bokinao ve Antsahanofy!

Hanitra Olive
Mazava ho azy, tsy maintsy ho any Antsahanofy ny mpamaky.

Toetra Ràja
Inona no lohahevitra voizinao ao amin'io boky io?

Hanitra Olive
Izay loko rehetra natakosin'ny fiainana eto an-tany no nindramiko nandokoana ny bokiko. Midika izany fa ho hitanao ao avokoa ny lohahevitra rehetra. Efa eo am-piketrehana azy mihitsy aho izao. Inoako fa tsy ho ela dia ho azo aroso ny nahandro.

Toetra Ràja
Zava-dehibe loatra ny boky. Ankoatrany, misy  fikasan-dehibe hafa ve?

Hanitra Olive
Tsy mbola misy fikasana loatra.

Toetra Ràja
Satria be iherehana ô?


Hanitra Olive
Eny, be iherehana tokoa aho, satria sady vady aho no reny, ary tompon'andraikitra eo amin'ny asako ihany koa. Mbola ao koa ny fiangonana sy ny fianakaviana izay misy andraikitra sahaniko. Na izany aza, miezaka mandrindra ny fandaharam-potoanako aho mba tsy hisy hahatsiaro banga ireo. Ny antsipirihany kosa aloha, aleo mba ho ahy irery e, hihihi!

Toetra Ràja
Mifanerasera amin'ny Pôeta na mpanakanto hafa ivelan'ny fikambanana ve ianao?

Hanitra Olive
Eny, tena maro ireo no mifanerasera amiko. Ny fiainana anie tsy vitan'olon-drery ry Toetra e! Ifanampiana foana!


Toetra Ràja
Ahoana ny fahitanao ny pôezia malagasy ankehitriny sy ny ho aviny?

Hanitra Olive
Miroborobo be ny fanoratana ankehitriny, indrindra ny tononkalo. Tsapako ihany koa fa mitombo ny fankafizan'ny olona izany. Ny fanjakana ihany koa dia efa miezaka manohana ny resaka kolon-tsaina. Na dia tsy mahafa-po aza dia efa fanombohana tsara. Angamba mety hisy ho avy azo banjinina ihany.


Toetra Ràja
Inona no lesoka tokony harenina amin'ny tontolon'ny poezia ankehitriny araka ny fahatsapanao azy?

Hanitra Olive
Ny lesoka ve? Ny fomba fanoratra ohatra, tsy voafehin ny ankizy ankehitriny mihitsy ny tsipelina.

Maro be koa ny mamoaka boky fa ny mpanjifa no vitsy, tsy fantatro loatra ny antony, ny fahefa-mividy ve sa ny fahatsapany fa misy tsy masaka mihitsy ny atin'ireo boky sasany?

Raha ny hetsika indray dia mihabetsaka saingy misy tsy tomombana tsara raha eo amin'ny kalitao no resahina.


Toetra Ràja
Inona no zavatra tena tianao eo amin'ny fiainana?

Hanitra Olive
Tena tiako ny manampy ny hafa. Ahitako hasambarana ny mahita ny taratr'hafaliana eny amin'ny endrik'olona izay tolorako tanana.

Toetra Ràja
Ary ny tsy tianao indrindra?

Halako ny lainga na dia fantatro aza fa misy fotoana mahatery ny olona tsy ahafahany milaza ny marina, toy izany koa ny hambo sy ny fihatsaram-belatsihy.

Toetra Ràja
Ianao sy ny ankohonanao dia mpitety faritany.  Anisan'ny mampivelatra ny aingam-panahinao ve izany?

Hanitra Olive
Eny, matetika tokoa izahay no mivoaka miala sasatra. Amin'ireny fotoana ireny dia tsy manoratra mihitsy aho. Miezaka miala sasatra sy manome fahafaham-po ny ankohonana keliko aho ka azy ireo tsy zaraina mihitsy.

Toetra Ràja
Raha ho azo niverenana ny taloha, mety ho nisy zavatra nirinao mafy tsy tanteraka ve?

Hanitra Olive
Hihihi!  Fohazinao mihitsy Toetra ny fahatsiarovana matory an! Tena nisy tokoa izany, saingy efa navelako nanaraka ny lasa rehetra, tsy iriko hifoha intsony.

Toetra Ràja
Eto ampamaranana Hanitra Olive, misy hafatra tianao apetraka ve?

Hanitra Olive
Manantitra ny fisaorana anao aho Toetra nanasa ahy sy nanatontosa an'ity tapatapakahitra ity. Mirary soa ho an'ny Pôetawebs amin'ny adidy masina atrehany isanandro ary manao veloma finaritra ihany koa ho an'ny mpisera rehetra.

Toetra Ràja
Voaray ny hafatra. Misaotra indrindra Hanitra Olive nizara zavatra betsaka ho an'ny mpisera; tsy ny momba anao sy ny pôezia ihany fa hatramin'ny fiainanao manokana aza. Mirary ny soa sy ny mahafinaritra rehetra ho anao ny Pôetawebs! Mandra-pihaona.

 

 

 

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/11/2016