Velapiainana imaso

Tapatapakahitra

Velapiainana imaso - Ratsifa
Tsikimilamina Rakotomavo - 17/02/2024

VELAPIAINANA IMASO

"Velapiainana, Fitia ambaratelo, Ny fiainana soratra, Fitiavana iainana", samy mirentirenty ao amin'ny petadrindrin'ny hetsika hotontosain'i Maneho sy Ratsifa amin'ny 21 Febroary 2024 avokoa izany teny manan-danja izany. Manitikitika ny saina anefa ny hevitra mifono ao ambadik'ireo sy ny momba ity hetsika ity ka nahatonga ny Poetawebs hitapatapakahitra amin-dRatsifa, Mpiraifaribolana Sandratra. Tsikimilamina Rakotomavo no mifanatrika aminy.

Tsikimilamina Rakotomavo
Miarahaba anao Ratsifa. Mahaliana ny Poetawebs ny hahafantatra misimisy kokoa mikasika ny Velapiainana, lohahevitry ny hetsika hotontosain'ny Faribolana Sandratra ny 21 Febroary ho avy izao. Inona no tena hevitra fonosin'izany ho an'ny mpikarakara?

Ratsifa
Ny hevitra fonosin'ilay Velapiainana? Ny mombamomba ny fiainan'ny mpanoratra no tiana havohitra sy hovoasaboasana ao, toy ny fiainana ara-pitiavana, fiainana amin'ny maha poeta sy mpanoratra. Eo ihany koa ny fifampizarana tantaram-piainana,  indrindra izay mety ho tsiambaratelo tsy ho takatry ny fiarahamonina amin'ny maha poeta ankoatra ny maha olombelona.

Tsikimilamina Rakotomavo
Iza no namorona Ilay  voambolana hoe velapiainana raha tsy mahadiso?

Ratsifa
Ny Voamieran'ny hetsika eo anivon'ny Faribolana Sandratra no namorona an'io lohahevitra Velapiainana io.

Tsikimilamina Rakotomavo
Iza avy no hisehatra mandritra ny velapiainana?

Ratsifa
Izaho Ratsifa sy Maneho izay samy ekipan'ny Faribolana Sandratra no hiseho amin'io hetsika io. Na izany aza anefa dia hisy mpanentana tsy ampoizina ho avy amin'io fotoana io hametraka fanontaniana.

Tsikimilamina Rakotomavo
Mahaliana izany Ratsifa! Inona kosa no nahatonga ny safidy hoe ianareo mianadahy no hiakatra ny sehatra?

Ratsifa
Ny nahatonga ilay safidy aloha tsy haiko loatra ary tsy fantatro mihitsy aza fa safidin'ireo mpikarakara ka nekeko am-pitiavana. Eo  ihany koa angamba ny hoe nofidin'ny mpikarakara manokana izahay mianadahy satria mety hoe izahay no afaka manazava bebe kokoa ny resaka fiainana ara-pitiavana.

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no hampiavaka ity velapiainana ity?

Ratsifa
Ny mampiavaka azy dia tsy toy ny hetsika mahazatra antsika mpanaraka ao amin'ny tranombokim-pirenena hatramin'izay, satria hatramin'izay dia velakevitra no tao. Amin'ity indray mitoraka ity dia natao an'io Velapiainana io noho ny fisian'ny fetin'ny Mpifankatia. Ary ezahina havohitra ao ny resaka fitiavana amin'ny ankapobeny.

Tsikimilamina Rakotomavo
Manao ahoana ny mety ho fizotry ny fotoana?

Ratsifa
Ny fandaharam-potoana dia haharitra kokoa satria manana 45 minitra avy ny mpanoratra tsirairay. Hisy ny tononkalo solompifandraisan-tanana, arahin'ny fampahafantarana fohy momba ny mpanoratra eo amin'ny tontolon'ny fanoratana. Mitana toerana lehibe ny fanontaniana ombam-baliny eo amin'ny fiainam-pitiavana andavan'andro. Manelanelana ireo ny tononkalo samihafa.

Tsikimilamina Rakotomavo
Hamaranantsika ny tafa, inona no heverinao fa fomba hampahomby ny literatiora malagasy?

Ratsifa
Amiko manokana dia tsy misy afa-tsy ny fanapariahana azy manerana ny Nosy, izany hoe tohanana ireo mpisehatra rehetra amin'ny literatiora mba havitrika kokoa, tsy ny literatiora an-tsoratra ihany fa ny literatiora am-bava indrindra indrindra. Efa maro ny tanora no misehatra anatin'ny literatiora ary miroboka tokoa ka mahita ny tsirony.

Tsikimilamina Rakotomavo
Mankasitraka indrindra Ratsifa nanaiky nitafasiry tamin'ny tranonkala Poetawebs. Mirary anareo mianadahy hahavita soa ny velapiainana. Mandra-piresaka indray!

Ratsifa
Isaorana ianao Tsikimilamina RAKOTOMAVO niantso ahy manokana ho vahiny teto.
Mankasitraka tompoko!

Date de dernière mise à jour : 17/02/2024