Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

20 Febroary 2016

"DINITRA POETA", tononkalon'i Toetra Ràja, nofakafakain'i Heriarilala Andriamamonjy

Amin'izao andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny izao dia tsy zoviana fa anisan’ny manana andraikitra voalohany amin’ny fanandratana ny teny ny mpanoratra. Io teny io koa dia fitaovana voalohany amin’ny fampandrosoana ny firenena. Izany indrindra no asongadin’i Toetra Ràja ao amin’ity tononkalony mitondra ny lohateny hoe "DINITRA POETA" ity. Ahoana indray ary ny lafiny kanto ao aminy? Handeha hojerentsika mialoha ny mahakasika ny feo, manaraka izany ny amin’ny voambolana, ary farany ny amin’ny sarin-teny.

 

DINITRA PÔETA

Dinitra
pôeta
no rihitra
irafetan'
ny kolo
manoloana
ny tolom-
pandrosoana!

... Hitete
tsy hiato,
na hoe
vy sy vato,
hampiray
hanova bika
an'ilay
tanintsika.

(...)

Areniko
ny tany
amy teniko
tsy ambany!

Toetra Ràja
19 jona 2005
FEO

Raha ny feo dia ny rima no jerentsika voalohany, mifaningotra abab-dede no hita ato: dinITRA / poETA /rihITRA / irafETAn’ / kOLO /manolOANA / tOLOm / pandrosOANA. Rima feno no tena hita eto satria vanin-teny roa am-paran’andalana no mitovy: poETA/irafETAn. Ao amin’ireo teny am-paran’andalana ireo no ahitana fa mitana andraikitra lehibe ny pôeta. Izay no nahakanto azy, tsy rima napetrapetraka fotsiny fa nahalaza ny tian-kambara.

Mbola ao amin’izay feo izay ihany koa ny ba. TARALILA no hita misongadina eto. Hita izany eo amin’ny “manoLOana”, “fandroSOana”, “taniNTSIka. Izany hoe avy aty amin’ny vaniny fahatelo avy any aloha, faharoa avy any aoriana no misy ny tsindrim-peo toy ny hoe taraLIla. Ireo teny nahitana io ba io dia  milaza ny ady atao manoloana ny fandrosoana eto amin’ny tanintsika mba tsy hahasimba ny tenintsika. Nahakanto azy tokoa ity ba ity satria tena ba malagasy tsy notahafina avy amin’ny an’ny vahiny.

VOAMBOLANA

Ny voambolana voalohany indrindra eto dia hoe: “dinitra”. Inona moa izany hoe “dinitra” izany? Dia inona no fonosin’izany eto? Ny dinitra dia midika ho hatsembohana. Izany hoe vokatry ny fisasarana sy fikelezan’aina. Taratra eto fa tena miezaka ny pôeta, mivoa-dinitra mihitsy amin’ny fanarenana ny tany amin’ny alalan’ny tenintsika ihany. Teny tsy dia fampiasan’ny maro amin'ny andavanandro loatra io "dinitra" ary inoana fa anisan’ny nahasarika ny sain’ny olona amin’ny tononkalo ary afaka nanasongadina ny hevitra ampitain’ny mpanoratra.

Anisan’izay voambolana izay ihany ilay andianteny hoe “tsy ambany” eo amin’ny andininy faharoa. Betsaka tokoa isika Malagasy no mihevitra ny tenantsika ho ambany rehefa tsy miangetsangetsana kely miteny vahiny na manao vary amin’anana. Zary henatra ho antsika ny tenintsika! Eto anefa i Toetra Ràja dia nametraka ny teny ho fitaovana ahafahana manarina ny tany, mazava ho azy fa tsy ambany, manan-danja tsy tokony ho henatra fa ho rehareha. Misy fanalefahan-kevitra ihany eto mba tsy tonga dia hampiasainy ny teny mifanohi-kevitra aminy; mba tsy hitenenany hoe "ambony"; nefa  izay mihitsy no tian-kambara; dia naleony nifidy ny mpanampy mandà  “TSY”. Amin’izao tokoa izy mety hahaliana ny sain’ny mpamaky kokoa ka avy dia horaisiny ny hafatra.

SARIN-TENY

Ny  sarin-teny dia ahitana filaza masaka  eo amin’ny andalana fahasivy sy fahafolo: “hitete tsy hiato ”, izany hoe tsy hisy fitsaharana ny fiteten’ny dinitra. Nahoana anefa no tsy hitsahatra? Satria ny asa ataony mihitsy no hitohy foana na ahoana hamafiny na ahoana hadiriny. Tena vonona izy, izay no asongadin’io “hitete tsy hiato” io. Fanamafisana fa tena tsy hiraviravy tanana izy, handray ny andraikiny hatrany.

Fa mbola eo amin’izay sarin-teny izay ihany, hita eto koa ny fanovana endrin-javatra: “na hoe vy sy vato” andalana 11-12. Vy sy Vato ahoana moa? Ilay ady, ilay tolona no lazaina fa vy sy vato eto, mba hoentina milaza fa tsy moramora, dia omena ireo endrika ireo, izany hoe mafy e, tena mafy, kanefa vonona ny pôeta hiatrika azy.

Nanasongadina  ihany koa ity sarin-teny iray ity fa tsy mba ny pôeta mihitsy irony karazan’olona mitady tany malemy hanorenam-pangady irony.

***

Tamin'ny alalan'ny teny vitsy miisa 32 monja, kanefa mafonja, voarafitra anaty andalan-teny fohy no fomba nanandratan'i Toetra Ràja ny tenin-dreny. Raha fintinina dia tononkalo manome hasina ny teny ity tononkalo ity, ny tenintsika moa izany raha ny marimarina kokoa. Na teo amin’ny feo, na teo amin’ny voambolana, na teo amin’ny sarin-teny dia hita fa voakanton’ny mpanoratra ny hevitra ifotorany. Mahafinaritra ity tononkalo ity satria ahafantarantsika ny maha ambony ny tenintsika izay ahafahantsika mampivoatra ny firenentsika.

 
Heriarilala Andriamamonjy

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
×