Créer un site internet
POETAWEBS MISEHATRA AN-TSEKOLY
Toetra Ràja - 08/06/2024

POETAWEBS MISEHATRA AN-TSEKOLY

Niara-nigoka ny hamamin'ny literatiora ireo mpianatra teo anivon'ny Lise Andohalo tamin'ny fandalovan'ny Poetawebs nisehatra  tao an-toerana ny 7 jona 2024.
Fampahafantarana ny sorapiainan'i Stella na Édouard Andrianjafintrimo no nataon'i Tsikimilamina Rakotomavo. Taorian'izany dia nitafatafa ny taranany  tamin'ny alalan'ny zafiafiny, ny Princesse Ratsimamanga Fenosoa Harivola, sy ny zafikeliny, Charlotte Andrianjafintrimo. Nivohitra tamin'izany fa olon'ny fizarana fahalalana, fitiavana, finoana, fijoroana amin'ny maha Malagasy i Stella.

Fiantsana tononkalo niarahana tamin'i Heriarilala
Andriamamonjy mpikamban'ny Poetawebs sy i Bary Tsito Sahenolahy izay zafiafin'i Stella no nandravaka ny fotoana.

Nisongadina tamin'io fotoana io koa ny fandaharanasa "'Ndao hamaky boky" izay niarahana tamin'ny Tranombokim-pirenena ka nanentanana ireo mpianatra ho liana amin'ny vaky boky. Nanamarika ny fotoana koa ny fifaninanana samihafa manodidina ny tranombokim-pirenena sy ny tranonkala Poetawebs ka nahazoan'ny mpifaninana boky samihafa.

Tonga nanokatra sy namarana ny fotoana ny tale mpanampy eo anivon'ny sekoly. Tiana ny manamarika fa maro be ireo taranak'i Stella nanome hasina ity andro miavaka ity.

Eo am-piandrasana ny fanokafana ny Kianja Édouard Andrianjafintrimo tsy ho ela eny Andohalo dia zava-dehibe ny fampahafantarana tahaka izao hampitana amin'ny taranaka mifandimby fa misy ireo anarana tsy  fanadino eo amin'ny tantaran'ny literatiora sy ny firenena.


Miankavia : Tsikimilamina Rakotomavo (Poetawebs), ny tale mpanampin'ny lise Andohalo, Sefo Mamy (lehiben'ny sampandraharahan'ny vaky boky ho an'ny daholobe), Rita, Patrick

Princesse  Ratsimamanga Fenosoa Harivola (ankavia) sy Charlotte Andrianjafintrimo (ankavanana)

Charlotte Andrianjafintrimo nandray fitenenana

Bary Tsito Sahenolahy niantsa tononkalo

Heriarilala Andriamamonjy niantsa tononkalo

Nanaraka am-pahamatorana ireo mpianatry ny lise tao aorian'i Heriarilala Andriamamonjy

Ireo mpianatra tao aorian'i Charlotte Andrianjafintrimo

Sary famaranana : ny fianakavian'i Stella niaraka tamin'ny Poetawebs

Tsikimilamina Rakotomavo sy Heriarilala Andriamamonjy nijoro tamin'ny anaran'ny Poetawebs

Edouard Andrianjafintrimo
Lise Andohalo - 7 jona 2024.

Date de dernière mise à jour : 15/06/2024