Antson'ny Fanahy sy Tsy Angola
Heriarilala Andriamamonjy - 30/05/2024

ANTSON'NY FANAHY sy TSY ANGOLA

Tontosa ny tolaka andron'ny zoma faha 24 mey lasa teo ny famoahana ny boky ANTSON'NY FANAHY nosoratan'i Andry Kanto Mendrika sy TSY ANGOLA niangalian'i Ni Andrianaivo. Tetsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, tao amin'ny efitrano Dox no nanatontosana izany. Samy avy ao amin'ny Fikambanan'ny Poety sy Mpanoratra Malagasy Havatsa-UPEM avokoa izy mianadahy ireto.

Amboaran-tononkalo ireo boky navoaka ireo, ho an'i Andry Kanto Mendrika dia ny rainy ihany na Rakotonirina Jean De Dieu Fréderic no nofidiny hanolotra ny bokiny, izay nisaorany manokana satria anisan'ny nanohana azy hivoaran'ny talentany. Tanora tokoa i Andriatiana Mendrika Nicolas, anaran'i Andry Kanto Mendrika ao amin'ny sorapiankohonany, mbola mpianatra eny amin'ny lisea izy izao nahavita tsangambato izao sahady ary anisan'ireo mpikambana ao anaty sedra. Ho an'i Andrianaivo Tina Irina Diamondra indray dia i Madera izay fantatry ny maro amin'ny hoe Jeneraly Ramakavelo no finidiny hanolotra ny bokiny. I Madera rahateo dia anisan'ny Filoham-boninahitry ny Havatsa-UPEM mbola amperim-panoratana. Nasongadin'ity Filoham-boninahitra ity nandritra ny lahateniny fa mahafaly sy mahavelom-bolo azy ny mahita tanora mamoaka boky amin'ny teny malagasy. Ny Filoha am-perinasa Andrianasolo Hajaina koa dia niarahaba sy nisaotra azy mianadahy ireo tamin'izao fanandratana ny literatiora izao.

Nisy koa ny fiantsana ny santionany tamin'ireo asasoratr'izy mianadahy ireo ka hita taratra tamin'izany fa mirakitra fitiavan-tanindrazana, tantaram-pirenena ary fankamamiana ny teny malagasy ny boky. Tsy mijanona eo akory ny fiangaliana ny kanto malagasy ho an'izy mianadahy ireto fa mbola mitohy ny dia.

Madera sy Ni Fampita

Heriarilala, Ny Voarah, Andry Kanto Mendrika, Fanambinana

Ni Fampita, Rakotonirina Jean de Dieu Fréderic, Andry Kanto Mendrika

Date de dernière mise à jour : 31/05/2024