Lova Santatra
Poetawebs,
Nandrehitra ho afo midorehitra ho mena hanavatsava ho tontolo hanome
hafanana ary hanafana hanenika vanimpotoana maro ny zavakanto
vita amin-teny, ka hifampizarana ny fahasoavan'ny tranonkala Poetawebs.
Ka hipariaka ao ampon'ny olona indray ny literatiora, hotsarotsaroana.
Ho heni-pitahianaana sy ho Zina hitsingeringerina ny taona hifandimby
ho azy.
Tsara ary dia ho tahin'Ilay Mpamorona Avo indrindra
|
RANARIVELO Roël
Poetawebs 15 taona :
irariana hitazona ny fahavitrihan’ny fahatanorany izay mampahery vaika
ny fitiavana, ny nofinofy, ny famoronana, ny hetsika manandratra
hatrany ny asasoratra sy ny poeta.
|